Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fifidianana ireo apostoliny

Fifidianana ireo apostoliny

Toko 34

Fifidianana ireo apostoliny

HERINTAONA sy tapany teo ho eo izay hatramin’ny nampisehoan’i Jaona Mpanao batisa an’i Jesosy ho Zanak’ondrin’Andriamanitra sy hatramin’ny nanombohan’i Jesosy ny fanompoany ampahibemaso. Tamin’io fotoana io, dia efa tonga mpianany i Andrea, i Simona Petera, i Jaona, ary angamba i Jakoba (rahalahin’i Jaona), ary koa i Filipo sy i Natanaela (nantsoina koa hoe Bartolomeo). Tatỳ aoriana, dia nisy maro hafa koa niaraka tamin’izy ireo mba hanara-dia an’i Kristy.

Vonona izao i Jesosy ny hifidy ireo apostoliny. Izy ireo dia ho mpiara-miasa akaiky aminy izay homena fampiofanana manokana. Kanefa talohan’ny nifidianana azy ireo, i Jesosy dia lasa nankany an-tendrombohitra ary nandany ny alina manontolo nivavahana, azo inoana fa mba hangatahana fahendrena sy ny fitahian’Andriamanitra. Nony maraina, dia niantso ny mpianany izy ary nifidy 12 tamin’izy ireo. Kanefa, noho izy ireo mbola nampianarin’i Jesosy ihany, dia mbola nantsoina koa hoe mpianatra izy ireo.

Ny enina tamin’ireo nofidin’i Jesosy, ireo notononina tetsy ambony, dia ireo tonga mpianany voalohany. Voafidy koa i Matio, ilay nantsoin’i Jesosy teo am-pamorian-ketra. Ireo dimy hafa voafidy dia i Jodasy (nantsoina koa hoe Tadeo), i Jodasy Iskariota, i Simona Kananeana, i Tomasy ary i Jakoba zanak’i Alfeo. Io Jakoba io dia nantsoina koa hoe Jakoba kely, angamba noho izy kely kokoa teo amin’ny ara-batana na tanora kokoa teo amin’ny taona raha noharina tamin’ilay Jakoba apostoly hafa iray.

Efa niaraka tamin’i Jesosy hatramin’ny elaela izao izy 12 lahy ireo, ary fantany tsara. Raha ny marina, dia havany ny sasany tamin’izy ireo. Miharihary fa zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy i Jakoba sy i Jaona rahalahiny. Ary azo inoana fa i Alfeo dia rahalahin’i Josefa, rain’i Jesosy nitaiza azy. Ny apostoly Jakoba, zanak’i Alfeo, àry dia zanak’olo-mpiray tam-po tamin’i Jesosy koa.

Mazava ho azy fa tsy nananosarotra i Jesosy nitadidy ny anaran’ireo apostoliny. Ary ianao, afaka mitadidy azy ireo ve ianao? Tadidio fotsiny fa nisy Simona roa, nisy Jakoba roa, ary nisy Jodasy roa, fa i Simona dia nanana rahalahy natao hoe Andrea ary i Jakoba nanana rahalahy natao hoe Jaona. Izany dia hanampy anao hahatadidy ny valo tamin’ireo apostoly. Anisan’ireo efatra hafa dia nisy mpamory hetra (i Matio), iray izay tsy nino (i Tomasy), iray hafa izay nantsoina avy teny ambany hazo (i Natanaela) ary i Filipo namany.

Avy tany Galilia, faritany niavian’i Jesosy, ny iraika ambin’ny folo tamin’ireo apostoly. I Natanaela dia avy tany Kana. I Filipo, i Petera ary i Andrea dia avy tany Betsaida no niaviany, fa i Petera sy i Andrea, tatỳ aoriana, dia nifindra nonina tany Kapernaomy izay toa nety ho nipetrahan’i Matio. I Jakoba sy i Jaona dia nanao ny raharahan’ny mpanjono ary azo inoana fa nipetraka tao Kapernaomy koa na teo akaikiny. Toa i Jodasy Iskariota, izay namadika azy tatỳ aoriana, ihany no apostoly avy tany Jodia. Marka 3:13-19; Lioka 6:12-16.

▪ Iza avy ireo apostoly nety ho havan’i Jesosy?

▪ Iza avy ireo apostolin’i Jesosy, ary ahoana no hahafahanao mitadidy ny anarany?

▪ Tany taiza avy no niavian’ireo apostoly?