Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fikarohana izay very

Fikarohana izay very

Toko 85

Fikarohana izay very

MAY ny hitady sy hahita ireo izay naniry hanompo an’Andriamanitra tamim-panetren-tena i Jesosy. Nikaroka àry izy ary niresaka momba ilay Fanjakana tamin’ny olona rehetra, anisan’izany ireo izay nalaza ho mpanota. Nanatona mba hihaino azy izao ny olona toy izany.

Nanamarika izany ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ka nanakiana an’i Jesosy noho izy nifanerasera tamin’ny olona noheverin’izy ireo ho tsy mendrika. Nimonomonona toy izao izy ireo: “Io lehilahy io mandray ny mpanota sady miara-mihinana aminy.” Ambany dia ambany tokoa ny fanaovana toy izany raha noharina tamin’ny fahamendrehan’izy ireo! Nitondra ny sarambabem-bahoaka toy ny vovoka tao ambany tongony ireo Fariseo sy mpanora-dalàna. Raha ny tena izy, dia nampiasa ny fitenenana hebreo hoe ‛am ha·’aʹrets, “olon’ny tany”, izy ireo mba hampisehoana ny fiheverany ny olona toy izany ho tsinontsinona.

Tetsy an-danin’izany kosa i Jesosy dia nitondra ny olona rehetra tamim-pahamendrehana, hatsaram-po ary fangoraham-po. Ho vokatr’izany, dia nisy maro be tamin’ireo olona noheverina ho ambany ireo, anisan’izany ireo izay fantatra ho zatra nanao ratsy, may ny hihaino azy. Ahoana anefa ny amin’ny fanakianan’ny Fariseo an’i Jesosy noho ny fiezahany hanasoa ireo izay noheverin’izy ireo ho tsy mendrika?

Namaly ny fanoherana nataon’izy ireo tamin’ny alalan’ny fanoharana iray i Jesosy. Nampiasa ny fomba fihevitr’ireo Fariseo izy, dia ny hoe marina sy tsy nanana ahiahy tao amin’ny andian’ondrin’Andriamanitra izy ireo fa ireo ‛am ha·’aʹrets mendrika ny hohamavoina kosa dia nania ka toy ny very. Henoy izy raha nanontany toy izao:

“Iza moa no lehilahy eo aminareo manana ondry zato ka very ny iray aminy, no tsy handao ireo sivy amby sivifolo any an’efitra ka hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa nahita azy izy, dia hametraka azy eo an-tsorony ary dia hifaly izy. Ary rehefa tonga any an-tranony izy dia hamory ny sakaizany sy ny namany ka hilaza aminy hoe: ‘Avia hiara-mifaly amiko, satria nahita ilay ondriko very aho’.”

Avy eo i Jesosy dia nanao fampiharana ny tantarany tamin’ny fanazavana hoe: “Lazaiko aminareo fa, araka izany, dia hisy fifaliana lehibe kokoa any an-danitra noho ny amin’ny mpanota iray nibebaka noho ny amin’ny marina sivy amby sivifolo izay tsy mila fibebahana.”

Nihevi-tena ho marina ka noho izany dia tsy nila fibebahana ireo Fariseo. Rehefa nanakiana an’i Jesosy ny sasany tamin’izy ireo roa taona talohan’izay noho izy niara-nihinana tamin’ny mpamory hetra sy ny mpanota, dia hoy izy taminy: “Tsy tonga hiantso ny marina aho, fa ny mpanota.” Ireo Fariseo mpanamarin-tena, izay tsy nahita ny hilàny ny hibebaka, dia tsy nitondra fifaliana tany an-danitra. Ireo mpanota nibebaka marina anefa dia nitondra izany.

Mba hanamafisana fanindroany ny hevitra fa antony miteraka hafaliana lehibe ny famerenana indray ireo mpanota very, dia nitantara fanoharana hafa iray i Jesosy. Hoy izy: “Iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka veriny ny farantsakely iray, no tsy mandrehitra jiro ka mamafa ny tranony ary mikaroka amim-pitandremana mandra-pahitany azy? Ary rehefa nahita izany izy, dia hamory ireo vehivavy izay sakaizany sy namany, ka hanao hoe: ‘Avia hiara-mifaly amiko, satria hitako ilay farantsakeliko very’.”

Avy eo i Jesosy dia nanao fampiharana nitovy tamin’ny teo aloha. Nanohy ny teniny toy izao izy: “Araka izany, lazaiko aminareo: Hisy fifaliana eo amin’ireo anjelin’Andriamanitra noho ny mpanota iray izay mibebaka.”

Miavaka toy inona moa io fiahiana feno fitiavana asehon’ireo anjelin’Andriamanitra io noho ny famerenana indray ireo mpanota very! Vao mainka marina izany satria amin’ny farany dia manjary mendrika ny ho mpikambana ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ireo ‛am ha·’aʹrets noheverina ho ambany sady nohamavoina taloha ireo. Ho vokatr’izany dia hahazo toerana any an-danitra, ambony noho ny an’ireo anjely mihitsy aza izy ireo! Kanefa tsy mahatsiaro fialonana na tsy firaharahana ny tenany ireo anjely fa mahatakatra amim-panetren-tena fa ireo olombelona mpanota ireo dia niatrika ary nandresy toe-javatra teo amin’ny fiainana izay hahatonga azy ho ampy fitaovana mba hanompo amin’ny maha-mpanjaka sady mpisorona feno fiantrana sy famindrampo any an-danitra. Lioka 15:1-10, MN; Matio 9:13; 1 Korintiana 6:2, 3; Apokalypsy 20:6.

▪ Nahoana i Jesosy no nifanerasera tamin’ny olona fantatra ho mpanota, ary fanakianana inona no azony avy tamin’ireo Fariseo?

▪ Ahoana no fiheveran’ny Fariseo ny sarambabem-bahoaka?

▪ Fanoharana inona avy no nampiasain’i Jesosy, ary inona no azontsika ianarana avy amin’izany?

▪ Nahoana no miavaka ny fifalian’ireo anjely?