Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fiotazana salohim-bary tamin’ny Sabata

Fiotazana salohim-bary tamin’ny Sabata

Toko 31

Fiotazana salohim-bary tamin’ny Sabata

TSY ela i Jesosy sy ny mpianany dia nandao an’i Jerosalema mba hiverina tany Galilia. Tonga izao ny lohataona ary masaka ny salohim-bary teny an-tsaha. Noana ireo mpianatra. Nioty salohim-bary àry izy ireo dia nihinana. Koa satria Sabata anefa ny andro, dia tsy niafina ny zavatra nataony.

Vao avy nitady hamono an’i Jesosy noho izay nataony hoe fandikana ny Sabata ireo mpitondra fivavahana tao Jerosalema. Izao ireo Fariseo dia namoaka fiampangana iray. “Indro! Ny mpianatrao manao izay tsy araka ny lalàna ny fanaovana azy amin’ny sabata”, hoy izy ireo.

Nilaza ireo Fariseo fa ny fiotazana vary sy ny fikosohana izany tao amin’ny tanana mba hahafahana mihinana azy dia toy ny mijinja sy mively voa. Ny fiheverana tery ny amin’izay nantsoina hoe asa noraisin’izy ireo anefa dia nahatonga ny Sabata ho enta-mavesatra, kanefa tokony ho fotoana feno hafaliana sy mampandroso ara-panahy izy io. Notoherin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny ohatra avy ao amin’ny Soratra masina àry izy ireo mba hampisehoana fa tsy fikasan’i Jehovah Andriamanitra velively ny hampiharana amin’ny fomba hentitra loatra toy izany ny Lalàny ny amin’ny Sabata.

Nilaza i Jesosy fa rehefa noana i Davida mbamin’ireo lehilahy niaraka taminy, dia nijanona tao amin’ny tabernakely ka nihinana ny mofo aseho. Efa nesorina tsy ho eo anatrehan’i Jehovah ireny mofo ireny ka nosoloana vaovao, ary mazàna dia voatokana hohanin’ireo mpisorona. Kanefa, tamin’io toe-javatra io, dia tsy nohelohina i Davida mbamin’ireo lehilahy niaraka taminy noho ny nihinanany izany.

Nanome ohatra hafa iray i Jesosy ka nanao hoe: “Mbola tsy novakinareo ao amin’ny Lalàna ve fa amin’ny sabata ireo mpisorona ao amin’ny tempoly dia tsy manao ny sabata ho masina kanefa tsy manan-tsiny?” Eny, na dia tamin’ny Sabata aza dia nanohy namono biby sy nanao asa hafa tao amin’ny tempoly ho fanomanana ny fanatitra biby ireo mpisorona! “Lazaiko aminareo anefa”, hoy i Jesosy, “fa misy lehibe noho ny tempoly eto.”

Nananatra ireo Fariseo i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao: “Raha takatrareo izay hevitry ny teny hoe: ‘Famindrampo no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-dra’, dia tsy ho nanameloka ny tsy manan-tsiny ianareo.” Avy eo izy dia namarana toy izao: “Fa Tompon’ny sabata ny Zanak’olona.” Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’izany? Niresaka ny amin’ny fanapahan’ny Fanjakany arivo taona ho feno fiadanana izy.

Nandritra ny 6 000 taona izao, ny taranak’olombelona dia nijaly noho ny fanandevozana mafy dia mafy eo ambany fanapahan’i Satana Devoly, noho ny herisetra sy ny ady tonga anisan’ny fiainana andavanandro. Etsy an-kilan’izany anefa, ny Sabata lehibe mandritra ny fanapahan’i Kristy dia ho fotoana fialan-tsasatra amin’ny fijaliana sy ny fampahoriana rehetra toy izany. Matio 12:1-8, MN; Levitikosy 24:5-9; 1 Samoela 21:1-6; Nomery 28:9; Hosea 6:6.

▪ Inona no niampangana ireo mpianatr’i Jesosy, ary ahoana no namalian’i Jesosy izany?

▪ Fahadisoan’ireo Fariseo inona no nampahafantarin’i Jesosy?

▪ Amin’ny heviny ahoana i Jesosy no “Tompon’ny sabata”?