Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Firenena nafoy iray, nefa tsy izy manontolo

Firenena nafoy iray, nefa tsy izy manontolo

Toko 79

Firenena nafoy iray, nefa tsy izy manontolo

TSY ela taorian’ny resaka nifanaovan’i Jesosy tamin’ireo olona tafangona teo ivelan’ny tranon’ny Fariseo iray, dia nisy sasany teo nilaza taminy momba ireo ‘Galiliana izay noharoharoin’[ny governora romana Pontio] Pilato tamin’ny fanatitra nataon’izy ireo ny rany’. Ireo Galiliana ireo angamba dia ireo izay voavono rehefa nisy Jiosy an’arivony maro nanohitra ny fampiasan’i Pilato ny vola avy tao amin’ny rakitry ny tempoly mba hanamboarana lakan-drano nankao Jerosalema. Nety ho nanipy hevitra ireo nitantara izany raharaha izany tamin’i Jesosy fa niharan’io loza io ireo Galiliana ireo noho ny zava-dratsy nataony ihany.

Nanitsy ny fomba fiheviny diso anefa i Jesosy tamin’ny fanontaniana hoe: “Ataonareo ve fa niseho ho mpanota ratsy kokoa noho ny Galiliana hafa rehetra ireny Galiliana ireny satria niharan’izany zavatra izany izy? Tsia, tsy izany mihitsy”, hoy ny navalin’i Jesosy. Avy eo izy dia nanararaotra io fisehoan-javatra io mba hampitandremana ireo Jiosy toy izao: “Raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.”

Nanohy ny teniny i Jesosy, ka nampahatsiahy loza hafa iray nitranga teo an-toerana, izay nifandray tamin’ny fanamboarana ilay lakan-drano koa angamba. Nanontany toy izao izy: “Ary ireo valo ambin’ny folo nianjeran’ilay tilikambo tao Siloama, ka maty, heverinareo ve fa niseho ho nanan-tsiny kokoa noho ireo olona hafa rehetra monina ao Jerosalema izy ireo?” Tsia, tsy noho ny faharatsiany no nahafaty ireo olona ireo, hoy i Jesosy. Tompon’andraikitra ny amin’ny loza toy izany kosa mazàna ny “fotoana sy ny fisehoan-javatra tsy nampoizina”. Nanararaotra io fisehoan-javatra io indray anefa i Jesosy mba hampitandremana toy izao: “Fa raha tsy mibebaka ianareo, dia ho ringana tahaka azy koa ianareo rehetra.”

Avy eo i Jesosy dia nanohy ny teniny ka nanome fanoharana nifanentana tsara iray, tamin’ny fanazavana hoe: “Nisy lehilahy iray izay nampamboly aviavy teo an-tanimboalobony, ary tonga hitady voa taminy izy, fa tsy nahita. Avy eo, dia hoy izy tamin’ny mpanamboatra ny tanimboaloboka: ‘Indro, efa telo taona aho izao no tonga nitady voa tamin’ity aviavy ity, fa tsy nahita. Kapao izy io! Nahoana tokoa izy io no hihazona ny tany tsy hisy hilàna azy?’ Ho valin’izany, dia nilaza izao taminy izy: ‘Avelao amin’izao ihany izy amin’ity taona ity, Tompoko, mandra-pihadiko manodidina azy ka hasiako zezika; ary raha mamoa noho izany izy amin’ny hoavy, dia tsara izany; fa raha tsy izany, dia hokapainao izy’.”

Niezaka namboly finoana teo amin’ny firenena jiosy i Jesosy nandritra ny telo taona mahery. Tsy nisy afa-tsy mpianatra an-jatony vitsivitsy monja anefa no azo nisaina ho vokatry ny asany. Izao, nandritra ity taona fahefatra tamin’ny fanompoany ity, dia nanamafy ny fiezahany izy, toy ny hoe nihady sy nanisy zezika tamin’ny heviny ara-panoharana nanodidina ny aviavy jiosy, tamin’ny fitoriana sy fampianarana tamin-jotom-po tany Jodia sy tany Pere. Kanefa dia very maina foana izany! Nanda ny hibebaka ilay firenena ka mendrika ny fandringanana. Tsy nisy afa-tsy sisa vitsy tamin’ilay firenena no namaly izany ezaka izany.

Tsy ela taorian’izay dia nampianatra tao amin’ny synagoga iray i Jesosy tamin’ny Sabata. Tao izy dia nahita vehivavy iray vokoka hatramin’ny 18 taona noho ny demonia iray nampijaly azy. Tamim-pangoraham-po, i Jesosy dia niresaka taminy nanao hoe: “Ravehivavy, afaka amin’ny fahalemenao ianao.” Tamin’izay izy dia nametraka ny tanany taminy, ary teo no ho eo ilay vehivavy dia nitraka ary nanomboka nanome voninahitra an’Andriamanitra.

Tezitra anefa ny mpanao raharaha mpitarika tao amin’ilay synagoga. “Henemana no tokony hanaovan-javatra”, hoy izy nanohitra. “Amin’ireny andro ireny àry dia tongava mba hositranina, fa tsy amin’ny andro sabata.” Niaiky araka izany ny herin’i Jesosy hanasitrana ilay mpanao raharaha saingy nanameloka ny olona noho ny nahatongavany mba hositranina tamin’ny Sabata!

“Ry mpihatsaravelatsihy”, hoy ny navalin’i Jesosy, “tsy samy mamaha ny ombiny na ny borikiny hiala amin’ny fihinanam-bilona amin’ny sabata ve ianareo ka mitondra azy hisotro rano? Tsy efa tokony hovahana amin’ny fatorany amin’ny andro sabata ve ity vehivavy zanakavavin’i Abrahama ity izay nafatotr’i Satana, indro! efa hatramin’ny 18 taona izao?”

Raha nahare izany ireo nanohitra an’i Jesosy dia nanomboka nahatsiaro tena ho menatra. Ny vahoaka anefa dia nifaly noho ireo zavatra nalaza rehetra hitany nataon’i Jesosy. Ho valin’izany, dia namerina fanoharana roa momba ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesosy, dia fanoharana ara-paminaniana nolazainy avy teny ambony sambo teo amin’ny Ranomasin’i Galilia tokony ho herintaona talohan’izay. Lioka 13:1-21, MN; Mpitoriteny 9:11, MN; Matio 13:31-33.

▪ Loza inona avy no voatonona eto, ary lesona inona no notsoahin’i Jesosy avy tamin’izy ireo?

▪ Fampiharana inona no azo atao raha ny amin’ilay aviavy tsy namoa, ary koa ny ezaka natao mba hahatonga azy io hamoa?

▪ Ahoana no nieken’ilay mpanao raharaha mpitarika ny fahaizan’i Jesosy hanasitrana, kanefa ahoana no nanalan’i Jesosy sarona ny fihatsarambelatsihin’ilay lehilahy?