Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fototry ny fiadian-kevitra i Jesosy

Fototry ny fiadian-kevitra i Jesosy

Toko 41

Fototry ny fiadian-kevitra i Jesosy

TSY ela taorian’ny nandraisana azy tao an-tranon’i Simona, dia nanomboka ny dia fitoriany faharoa tany Galilia i Jesosy. Tamin’ny dia voalohany nataony tao amin’io faritany io, dia narahin’ireo mpianany voalohany, dia i Petera, i Andrea, i Jakoba ary i Jaona izy. Fa tamin’ity kosa dia nanaraka azy ireo apostoly 12 ary koa vehivavy sasantsasany. Anisan’ireo i Maria Magdalena, i Sosana ary i Johana, izay mpiandry raharahan’i Heroda mpanjaka ny vadiny.

Raha nihamafy ny hafainganam-pandehan’ny fanompoan’i Jesosy, dia nihamafy toy izany koa ny fiadian-kevitra momba ny asany. Nisy lehilahy azon’ny demonia iray, izay sady jamba no tsy afa-niteny koa, nentina teo amin’i Jesosy. Rehefa nositranin’i Jesosy izy, mba hahafahany ho afaka tamin’ny fifehezan’ireo demonia sy hiteny ary hahita, dia talanjona tsotra izao ny vahoaka. Nanomboka niteny izy ireo hoe: “Tsy mety ho ity ve ilay Zanak’i Davida?”

Nisy vahoaka maro be aoka izany niangona nanodidina ilay trano nipetrahan’i Jesosy, hany ka tsy afa-nihinan-kanina akory izy sy ireo mpianany. Afa-tsy ireo izay nieritreritra raha nety ho ilay “Zanak’i Davida” nampantenaina izy, dia teo koa ireo mpanora-dalàna sy Fariseo izay tonga avy tany Jerosalema mihitsy mba hampiditra fisalasalana momba azy. Rehefa nahare ilay fikorontanana be nanodidina an’i Jesosy ireo havany, dia tonga mba hisambotra azy. Noho ny antony inona?

Na dia ireo rahalahin’i Jesosy aza hatramin’izao dia mbola tsy nino fa Zanak’Andriamanitra izy. Ambonin’izany, dia tsy nifanaraka tanteraka tamin’ilay Jesosy fantany fony izy nihalehibe tany Nazareta ilay tabataba be sy ady ampahibemaso naterany. Noho izany, dia nino izy ireo fa tena nisy zavatra tsy nety teo amin’i Jesosy raha ny amin’ny ara-tsaina. “Efa very saina izy”, hoy ny fanatsoahan-kevitr’izy ireo, ary naniry ny haka azy an-keriny sy hitondra azy hiala avy teo izy ireo.

Kanefa dia nazava ny porofo fa nanasitrana ilay lehilahy azon’ny demonia i Jesosy. Fantatr’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo fa tsy azony nolavina ny fisian’izany. Koa mba hampidirana fisalasalana momba an’i Jesosy, dia hoy izy ireo tamin’ny vahoaka: “Tsy misy amoahan’ilehity ny demonia, afa-tsy i Belzeboba, filohan’ny demonia.”

Nahalala ny eritreriny i Jesosy ka niantso ireo mpanora-dalàna sy Fariseo hankeo aminy, ary niteny hoe: “Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano, ary tsy haharitra ny tanàna na trano rehetra izay miady an-trano. Ary raha i Satana no mamoaka an’i Satana, dia miady an-trano izy; ka ahoana no haharetan’ny fanjakany?”

Fandrindran-kevitra tsy azo arodana re izany! Koa satria nilaza ireo Fariseo fa nisy olona avy teo aminy nandroaka demonia, dia nanontany azy ireo koa i Jesosy hoe: “Ary raha amin’ny alalan’i Belzeboba no amoahako ny demonia, amin’ny alalan’iza kosa no mba amoahan’ny zanakareo azy?” Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny fiampangana nataon’izy ireo tamin’i Jesosy dia azo nampiharina tsara taminy koa. Nampitandrina azy ireo toy izao àry i Jesosy: “Fa raha ny fanahin’Andriamanitra kosa no amoahako ny demonia, dia efa tonga aminareo tokoa ny fanjakan’Andriamanitra.”

Mba hanazavana tamin’ny alalan’ny fanoharana fa porofon’ny fananany fahefana amin’i Satana ny fandroahany demonia, dia hoy i Jesosy: “Hataon’iza na iza ahoana no fiditra ao an-tranon’ny olona mahery iray ka haka an-kery ny entany, raha tsy afatony aloha ilay olona mahery? Dia izay vao handroba ny ao an-tranony izy. Izay tsy momba ahy dia manohitra ahy, ary izay tsy miara-mamory amiko dia mampihahaka.” Nazava fa nanohitra an’i Jesosy ireo Fariseo, ka nampiseho tamin’izany fa fiasan’ i Satana izy ireo. Nampihahaka ny Isiraelita hiala tamin’i Jesosy izy ireo.

Noho izany, dia nampitandrina ireo mpanohitra avy tamin’i Satana ireo i Jesosy fa “tsy hahazo famelan-keloka ny fitenenan-dratsy hanohitra ny fanahy.” Nanazava izany toy izao izy: “Na iza na iza no manao teny hanohitra ny Zanak’olona, dia hahazo famelan-keloka ihany; fa na iza na iza no miteny hanohitra ny fanahy masina, dia tsy mba hahazo famelan-keloka, na amin’izao fandehan-javatra izao, na amin’ilay ho avy.” Nanao io fahotana tsy hahazoana famelan-keloka io ireo mpanora-dalàna sy Fariseo ireo tamin’ny filazana tamin-karatsiam-panahy fa avy tamin’i Satana ilay fahagagana hita mazava fa asan’ny fanahy masin’Andriamanitra. Matio 12:22-32, MN; Marka 3:19-30, MN; Lioka 8:1-3; Jaona 7:5.

▪ Tamin’ny ahoana no naha-hafa noho ny voalohany ny dia faharoa nataon’i Jesosy tany Galilia?

▪ Nahoana ireo havan’i Jesosy no nanandrana ny hisambotra azy?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nanandraman’ireo Fariseo nampiditra fisalasalana momba ireo fahagagana nataon’i Jesosy, ary tamin’ny fomba ahoana no nanoheran’i Jesosy izany?

▪ Meloka noho ny inona ireo Fariseo ireo, ary nahoana?