Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hafatra avy any an-danitra

Hafatra avy any an-danitra

Toko 1

Hafatra avy any an-danitra

NY BAIBOLY manontolo, raha ny tena izy, dia hafatra avy any an-danitra, satria nomen’ilay Raintsika any an-danitra ho fampianarana antsika. Kanefa, nisy hafatra manokana roa, efa ho 2 000 taona lasa izay, nampitain’ny anjely iray “izay mitsangana eo anatrehan’Andriamanitra”. Gabriela no anarany. Aoka hojerentsika izay nitarika azy ho eto an-tany tamin’ireo tarehin-javatra lehibe roa ireo.

Taona 3 al.fan.ir tamin’izay. Tany amin’ireo havoanan’i Jodia, azo inoana fa tsy dia lavitra loatra an’i Jerosalema, dia nisy mpisoron’i Jehovah nantsoina hoe Zakaria. Efa antitra izy io izao, ary toy izany koa ny vadiny, Elizabeta. Ary tsy niteraka izy ireo. Anjaran’i Zakaria izao ny nanao ny raharahan’ny mpisorona tao amin’ny tempolin’Andriamanitra tany Jerosalema. Tamin’izay i Gabriela dia niseho tampoka teo ankavanan’ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra.

Natahotra mafy i Zakaria. Nanome toky azy anefa i Gabriela ka nilaza taminy hoe: “Aza matahotra, ry Zakaria; fa efa nohenoina ny fangatahanao, ka i Elizabeta vadinao dia hiteraka zazalahy aminao, ary Jaona no hataonao anarany.” Nanohy nanambara ihany i Gabriela fa i Jaona dia “ho lehibe eo anatrehan’i Jehovah” ary koa fa “hamboatra firenena voaomana ho an’i Jehovah” izy.

Tsy nety nino izany anefa i Zakaria. Toa tsy hety mihitsy izany hoe hiterahan’izy sy Elizabeta izany amin’izao taonany izao. Koa hoy àry i Gabriela taminy: “Ho moana ianao ka tsy hahay miteny ambara-pahatongan’ny andro hisehoan’izany zavatra izany, ho valin’ny tsy ninoanao ny teniko”.

Nandritra izany fotoana izany, dia nanontany tena ireo izay niandry tao ivelany hoe nahoana i Zakaria no nijanona ela be toy izany tao amin’ny tempoly. Rehefa nivoaka izy tamin’ny farany, dia tsy afa-niteny fa nanao baiko moana tamin’ny tanana fotsiny, ary dia takatr’izy ireo fa vao avy nahita zava-nahagaga izy.

Rehefa nahatapitra ny vanim-potoam-panompoany tao amin’ny tempoly i Zakaria, dia nody tany an-tranony. Ary fotoana fohy taorian’izay, dia tena nitranga tokoa ilay nambaran’ilay anjely: Nitoe-jaza i Elizabeta! Teo am-piandrasana ny fahaterahana, dia nijanona tao an-tranony izy, lavitra ny olona rehetra, nandritra ny dimy volana.

Tatỳ aoriana, dia niseho indray i Gabriela. Ary iza no niresahany? Ny vehivavy tanora tsy nanambady iray nantsoina hoe Maria, avy any Nazareta. Hafatra inona no nampitainy tamin’ity indray mitoraka ity? Henoy ange! “Efa nahita fitia tamin’Andriamanitra ianao”, hoy i Gabriela tamin’i Maria. “Indro! hitoe-jaza ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany dia hataonao hoe Jesosy.” Nanampy i Gabriela hoe: “Izy ho lehibe ka hatao hoe Zanaky ny Avo Indrindra; (...) ary hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay izy; ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana.”

Afaka mahazo antoka isika fa nahatsiaro tena ho nahazo tombontsoa i Gabriela nampita ireo hafatra ireo. Ary eo am-pamakiana ny tohin’ny tantaran’i Jaona sy i Jesosy isika dia hahatakatra tsaratsara kokoa hoe nahoana ireo hafatra avy any an-danitra ireo no lehibe tokoa. 2 Timoty 3:16; Lioka 1:5-33, MN.

▪ Hafatra lehibe roa inona avy no nampitaina avy tany an-danitra?

▪ Iza no nampita ireo hafatra ireo, ary tamin’iza izany no nampitainy?

▪ Nahoana no sarotra ninoana erỳ ireo hafatra ireo?