Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

I Jesosy sy ny filoha tanora nanankarena iray

I Jesosy sy ny filoha tanora nanankarena iray

Toko 96

I Jesosy sy ny filoha tanora nanankarena iray

FONY i Jesosy namakivaky ny distrikan’ny Pere hankany Jerosalema, dia nihazakazaka nankeo aminy ny zatovolahy iray ka nandohalika teo anatrehany. Nantsoina hoe filoha io lehilahy io, ary azo inoana fa ny tiana holazaina tamin’izany dia hoe nanana toerana ambony tao amin’ny synagoga teo an-toerana izy, na mpikambana tao amin’ny Synedriona mihitsy aza. Nanankarena be koa izy io. “Mpampianatra tsara ô”, hoy izy, “inona no tsy maintsy ataoko handovako fiainana mandrakizay?”

“Nahoana aho no ataonao hoe tsara?”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy misy tsara afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra.” Azo inoana fa nampiasa ny hoe “tsara” ho toy ny anaram-boninahitra ilay zatovolahy, koa nampahafantarin’i Jesosy azy fa an’Andriamanitra ihany ny anaram-boninahitra toy izany.

“Fa raha te hiditra any amin’ny fiainana ianao”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “dia tandremo hatrany ireo didy.”

“Inona avy moa?”, hoy ilay lehilahy.

Namaly i Jesosy tamin’ny fanononana dimy tamin’ireo Didy Folo: “Ny hoe: Aza mamono olona, Aza manitsakitsa-bady, Aza mangalatra, Aza manao teny vavolombelona mandainga, Manomeza voninahitra ny rainao sy ny reninao.” Ary nanampy didy iray mbola lehibe kokoa i Jesosy ka nanao hoe: “Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

“Izany rehetra izany efa notandremako hatramin’ny fahazazako”, hoy ilay lehilahy namaly tamim-pahatsorana tanteraka. “Fa inona no mbola tsy ampy eo amiko?”

Teo am-pihainoana ny fanontaniana feno fihetseham-po sy fahatsorana nataon’ilay lehilahy i Jesosy dia nahatsapa fitiavana azy. Tsapan’i Jesosy anefa ny fifikiran’ilay lehilahy tamin’ny fananana ara-nofo, ka hoy izy taminy: “Mbola diso zavatra iray ianao: Mandehana ka amidio ny fanananao rehetra, ary zarao ho an’ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao, ary avia ka tongava mpanara-dia ahy.”

Tsy isalasalana fa onena an’ilay lehilahy i Jesosy teo am-pijerena azy nitsangana ary nihodina mba handeha tamin’alaleho aoka izany. Nanakana azy io tsy hahita ny hasarobidin’ny tena harena ny fananany be. “Ho sarotra toy inona moa ny hidiran’ireo manam-bola ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra!”, hoy i Jesosy nilaza ny alahelony.

Nahavariana ny mpianatr’i Jesosy ireo teny ireo. Mbola gaga kokoa anefa izy ireo rehefa nanohy ny teniny izy ka nanonona izao fitsipika amin’ny ankapobeny izao: “Ho moramora kokoa, raha ny tena izy, ny hidiran’ny rameva amin’ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran’ny manankarena amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

“Iza, raha ny tena izy, no azo vonjena?” hoy ny mpianatra ta hahafantatra.

Nijery azy ireo tsara i Jesosy ka namaly hoe: “Amin’ny olona izany dia tsy ho azo atao, fa tsy toy izany kosa amin’Andriamanitra, fa azo atao ny zavatra rehetra amin’Andriamanitra.”

Nanao fanamarihana i Petera fa nanao safidy hafa dia hafa noho ny an’ilay filoha tanora nanankarena izy ireo, ka hoy izy hoe: “Indro! Izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka anao.” Koa nanontany àry izy hoe: “Inona marina no tena ho anay?”

“Ao amin’ny famoronana indray”, hoy ny nampanantenain’i Jesosy, “rehefa hipetraka amin’ny seza fiandrianany be voninahitra ny Zanak’olona, ianareo koa, izay nanaraka ahy, dia hipetraka amin’ny seza fiandrianana roa ambin’ny folo ka hitsara ny firenen’ny Isiraely roa ambin’ny folo.” Eny, nampiseho tamin’izany i Jesosy fa hisy famoronana indray ireo toe-piainana eto an-tany ka ho tonga tahaka izay nisy tao amin’ny zaridainan’i Edena izany. Amin’izay, i Petera sy ireo mpianatra hafa dia hahazo ny valisoany, dia ny hiara-manjaka amin’i Kristy eo amin’io Paradisa izay hanerana ny tany io. Tsy isalasalana fa mendrika ny hanaovana izay rehetra mety ho sorona izany valisoa kanto loatra izany!

Kanefa, na dia ankehitriny aza, dia efa mandray valisoa ireo mpianatra, araka izao fanambarana nataon’i Jesosy tamin’ny fomba hentitra izao: “Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na saha, noho ny amiko sy ny vaovao tsara, ka tsy handray zato heny amin’izao andro ankehitriny izao — dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy saha mbamin’ny fanenjehana — ary ao amin’ny fandehan-javatra ho avy dia fiainana mandrakizay.”

Araka ny nampanantenain’i Jesosy, na aiza na aiza alehan’ireo mpianany manerana izao tontolo izao, dia manana fifandraisana akaiky kokoa sy sarobidy kokoa amin’ireo namany kristiana, mihoatra noho izay mety hananany amin’ny fianakaviany ara-nofo, izy ireo. Toa very io valisoa io ary koa ny fiainana mandrakizay ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra ilay filoha tanora nanankarena.

Taorian’izay, dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Kanefa ho farany ny maro izay voalohany, ary ho voalohany ny farany.” Inona no tiany holazaina tamin’izany?

Ny tiany holazaina dia hoe maro amin’ireo izay “voalohany” raha ny amin’ny fahazoana tombontsoa ara-pivavahana, tahaka ilay filoha tanora nanankarena, no tsy hiditra ao amin’ilay Fanjakana. Ho “farany” izy ireny. Maro kosa, anisan’izany ireo mpianatr’i Jesosy nanetry tena, izay nataon’ireo Fariseo mpanamarin-tena ho ambany noho ny tenany, toy ny hoe “farany” — tahaka ny olon’ny tany, na ‛am ha·’aʹrets — no ho tonga “voalohany”. Ny fahatongavan’izy ireo ho “voalohany” dia midika hoe handray ny tombontsoa ho mpiara-manapaka amin’i Kristy ao amin’ilay Fanjakana izy ireo. Marka 10:17-31, MN; Matio 19:16-30, MN; Lioka 18:18-30, MN.

▪ Niharihary fa karazana filoha nanao ahoana ilay zatovolahy nanankarena?

▪ Nahoana i Jesosy no nanohitra ny fiantsoana azy hoe tsara?

▪ Ahoana no ampisehoan’ny ohatr’ilay filoha tanora fa mampidi-doza ny hoe manankarena?

▪ Valisoa inona avy no nampanantenain’i Jesosy ny mpanara-dia azy?

▪ Ahoana no ahatongavan’ny voalohany ho farany, ary ny farany ho voalohany?