Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Zanaka araka ny fampanantenana

Ilay Zanaka araka ny fampanantenana

Toko 6

Ilay Zanaka araka ny fampanantenana

TSY niverina tany Nazareta i Josefa sy i Maria fa nijanona tao Betlehema. Ary rehefa feno valo andro i Jesosy, dia noforany, araka ny nandidian’ny Lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy. Toa fanao koa ny nanome anarana ny zazalahy kely iray teo amin’ny fahavalo androny. Nomeny ny anarana hoe Jesosy àry ilay zanak’izy ireo, araka ny nanoroan’ny anjely Gabriela azy teo aloha.

Lasa ny iray volana mahery, ary feno efapolo andro i Jesosy. Taiza no nitondran’ny ray aman-dreniny azy izao? Tany amin’ny tempolin’i Jerosalema, izay tany amin’ny kilaometatra vitsivitsy monja avy teo amin’ilay toerana nipetrahany. Araka ny Lalàna nomen’Andriamanitra an’i Mosesy, 40 andro taorian’ny niterahany, ny vehivavy iray tera-dahy dia tsy maintsy nanolotra fanati-panadiovana tany amin’ny tempoly.

Izany no nataon’i Maria. Voronkely roa no nentiny ho fanatitra. Izany dia milaza zavatra momba ny toerana ara-bolan’i Josefa sy i Maria. Ny Lalàn’i Mosesy dia nanambara fa ondrilahy kely iray, izay lafo vidy lavitra noho ny vorona, no tokony hatolotra. Kanefa raha tsy ampy vola ho amin’izany ilay reny, dia domohina roa na voromahailala roa dia efa ampy.

Tao amin’ny tempoly dia nisy lehilahy zokiolona iray nitrotro an’i Jesosy. Simeona no anarany. Nisy fotoana nanambaran’Andriamanitra taminy fa tsy ho faty izy mandra-pahitany ny Kristy, na Mesia, nampanantenain’i Jehovah. Rehefa tonga tao amin’ny tempoly àry i Simeona tamin’io andro io, dia notarihin’ny fanahy masina ho any amin’ilay zaza nentin’i Josefa sy i Maria izy.

Sady nitana an’i Jesosy i Simeona no nisaotra an’Andriamanitra, nanao hoe: “Tompo ô, ankehitriny ny mpanomponao dia alefanao amin’ny fiadanana araka ny teninao; fa ny masoko efa nahita ny famonjenao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hahazava ny firenena sady voninahitry ny Isiraely olonao.”

Nitolagaga i Josefa sy i Maria nahare izany. Avy eo dia nitso-drano azy ireo i Simeona ary niteny tamin’i Maria fa “ho fandavoana sy ho fananganana ny maro ao amin’ny Isiraely” io zanany io, ary koa fa ny alahelo dia hitsatoka amin’ny fanahiny, toy ny ataon’ny sabatra maranitra.

Teo koa tamin’izay i Ana mpaminanivavy efa 84 taona. Raha ny marina, dia tsy niala tao amin’ny tempoly mihitsy izy. Tamin’izay ora izay, dia nanatona izy ka nanomboka nisaotra an’Andriamanitra sy niresaka ny amin’i Jesosy tamin’izay rehetra naniry hihaino.

Nifaly aoka izany i Josefa sy i Maria noho ireo fisehoan-javatra tao amin’ny tempoly ireo! Ireo rehetra ireo dia nanamarina fa tena ilay Zanaka nampanantenain’Andriamanitra tokoa io zaza io. Lioka 2:21-38, MN; Levitikosy 12:1-8.

▪ Tamin’ny fotoana toy inona no hita fa toa fanomezana anarana ny zazalahy kely isiraelita?

▪ Inona no tsy maintsy nataon’ny reny Isiraelita iray rehefa feno 40 andro ny zanany lahy, ary milaza inona momba ny toeran’i Maria ara-bola ny nanatanterahan’i Maria izany?

▪ Iza avy no nahafantatra hoe iza i Jesosy tamin’io fotoana io, ary tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’izy ireo izany?