Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay mpanankarena sy i Lazarosy

Ilay mpanankarena sy i Lazarosy

Toko 88

Ilay mpanankarena sy i Lazarosy

NIRESAKA tamin’ny mpianany momba ny fomba mety, hampiasana ny harena ara-nofo, i Jesosy, tamin’ny fanazavana fa tsy afaka ny ho mpanompon’ireo no sady ho mpanompon’Andriamanitra isika. Nihaino teo koa ireo Fariseo, ary nanomboka nanazimba an’i Jesosy satria fatra-pitia vola izy ireo. Nilaza toy izao taminy àry i Jesosy: “Ianareo no milaza ny tenanareo ho marina eo anatrehan’ny olona, nefa Andriamanitra dia mahafantatra ny fonareo; satria izay ambony eo amin’ny olona dia zavatra maharikoriko eo imason’Andriamanitra.”

Tonga ny fotoana hampitsimbadihana ny tarehin-javatra ho an’ireo izay manankarena raha ny amin’ny fananana eo amin’izao tontolo izao, ny fahefana ara-politika ary ny fifehezana sy hery ara-pivavahana. Tsy maintsy naetry izy ireo. Ireo izay nahatsapa ny nilàny zavatra ara-panahy kosa dia tsy maintsy nasandratra. Nanondro izany fiovana izany i Jesosy rehefa nanohy ny teniny izy ka nilaza tamin’ireo Fariseo hoe:

“Ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatreo amin’i Jaona [Mpanao batisa]. Nanomboka tamin’izay, ny fanjakan’Andriamanitra dia ambara ho vaovao tsara, ary misesika mankany ny karazan’olona rehetra. Eny tokoa, ho mora kokoa ho an’ny lanitra sy ny tany ny hanjavona noho ny hoe tsy hahatanterahan’ny tendron-tsoratra iray monja amin’ny Lalàna.”

Nirehareha noho izay nihamboany ho fifikirana tamin’ny Lalàn’i Mosesy ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Tsarovy fa, rehefa nampahiratra tamin’ny alalan’ny fahagagana ny mason’ny lehilahy jamba iray tany Jerosalema i Jesosy, dia nandoka tena toy izao izy ireo: “Izahay mpianatr’i Mosesy. Izahay mahafantatra fa niteny tamin’i Mosesy Andriamanitra.” Izao anefa dia efa nahatanteraka ny fikasany voatendry, dia ny hitarika ny nanetry tena ho amin’ny mpanjaka notendren’Andriamanitra, ho amin’i Jesosy Kristy, ny Lalàn’i Mosesy. Nanomboka tamin’ny fanompoan’i Jaona àry, dia nisy karazan’olona rehetra, indrindra fa ny nanetry tena sy ny nahantra, niezaka mafy mba ho tonga anisan’ny vahoakan’ny Fanjakan’Andriamanitra.

Koa satria teo an-dalam-pahatanterahana izao ny Lalàn’i Mosesy, dia tsy maintsy nesorina ny adidy natao mba hitandremana azy. Namela ny fisaraham-panambadiana noho ny antony samihafa ny Lalàna, nefa hoy i Jesosy izao: “Na iza na iza misaraka amin’ny vadiny ka manambady hafa dia manitsakitsa-bady, ary izay manambady ny vehivavy iray nisara-panambadiana dia manitsakitsa-bady.” Tsy maintsy ho nahasosotra aoka izany ny Fariseo ireo fanambarana ireo, indrindra fa noho izy ireo namela ny hisaraham-panambadiana noho ny antony maro be!

Nanohy ny fanamarihana nataony tamin’ny Fariseo i Jesosy ary nitantara fanoharana iray nanasongadina lehilahy roa izay niova tanteraka tamin’ny farany ny lazany teo amin’ny olona, na ny tarehin-javatra nisy azy ireo. Azonao faritana ve hoe iza no nasehon’ireo lehilahy ireo sy ny hevitry ny fifamadihan’ny tarehin-javatra nisy azy avy?

“Fa nisy lehilahy iray izay nanankarena”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “ary niravaka lamba volom-parasy sy rongonimbazaha izy sady niravoravo isan’andro tao anatin’ny famirapiratana be. Nisy mpangataka iray izay kosa nantsoina hoe Lazarosy nipetraka teo am-bavahadiny, ferena sady naniry ny ho voky tamin’izay nilatsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena. Eny, tonga koa ny alika nilelaka ny feriny.”

Teto i Jesosy dia nampiasa ilay mpanankarena mba hampisehoana ireo mpitondra ara-pivavahana jiosy, anisan’izany, tsy ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ihany, fa ireo Sadoseo sy lohan’ny mpisorona koa. Nanankarena izy ireo raha ny amin’ny tombontsoa sy fahafahana ara-panahy, ary nitondra tena toy ilay mpanankarena. Ny fitafiany volomparasin’ny mpanjaka dia nampiseho ny toerana nahazoana tombontsoa nananany, ary ny rongonimbazaha fotsy dia sary nampiseho ny toetrany mpanamarin-tena.

Io kilasin’ilay mpanankarena mpiavonavona io dia nihevitra ny sarambabem-bahoaka nahantra tamim-panamavoana tanteraka, ka niantso azy ireo hoe ‛am ha·’aʹrets, na olon’ny tany. I Lazarosy mpangataka dia nampiseho, araka izany, ireo olona ireo izay nolavin’ireo mpitondra ara-pivavahana ny fanomezana azy hanina sy tombontsoa ara-panahy. Noho izany, sahala amin’i Lazarosy izay feno fery, ny sarambabem-bahoaka dia nentina tamim-pietrena tamin’ny fiheverana azy ireo ho narary ara-panahy ka tsy mendrika ny hifanerasera afa-tsy tamin’ny alika. Kanefa, ireo anisan’ny kilasin’i Lazarosy dia noana sy nangetaheta hanina ara-panahy ka nitoetra teo am-bavahady, nanantena ny handray izay sombiny kely tamin’ny sakafo ara-panahy nety ho latsaka avy tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena.

Nanohy ny teniny izao i Jesosy ka nilazalaza ny amin’ny fiovan’ny toe-piainan’ilay mpanankarena sy ny an’i Lazarosy. Inona avy izany fiovana izany, ary inona no nasehony?

Niharan’ny fiovana ilay mpanankarena sy i Lazarosy

Ilay mpanankarena dia nampiseho ireo mpitondra ara-pivavahana izay nomena tombontsoa sy fahafahana teo amin’ny lafiny ara-panahy, ary i Lazarosy dia sary nampiseho ny sarambabem-bahoaka izay noana hanina ara-panahy. Nanohy ny tantarany i Jesosy tamin’ny filazalazana ny amin’ny fiovana tanteraka iray teo amin’ny toe-javatra nisy ireo lehilahy avy.

“Izao, rehefa nandeha ny fotoana”, hoy i Jesosy, “dia maty ilay mpangataka ary nentin’ireo anjely ho any an-tratran’i Abrahama. Ary maty koa ilay mpanankarena ka nalevina. Ary tany amin’ny Hadesy izy dia niandrandra, fa tao anatin’ny fijaliana, ary nahita an’i Abrahama teny lavitra eny sy i Lazarosy teo an-tratrany izy.”

Koa satria tsy olona ara-bakiteny ilay mpanankarena sy i Lazarosy, fa ohatra nampiseho kilasin’olona, araka ny fandrindran-kevitra àry, ny fahafatesan’izy ireo koa dia ara-panoharana. Ohatra nampiseho inona ny fahafatesan’izy ireo?

Vao avy nanondro ny fiovan’ny toe-javatra i Jesosy tamin’ny filazana fa ‘ny Lalàna sy ny Mpaminany dia hatreo amin’i Jaona Mpanao batisa, fa nanomboka tamin’izay, dia ambara ny fanjakan’Andriamanitra’. Noho izany, dia ny fitoriana nataon’i Jaona sy i Jesosy Kristy no nitarika ny fahafatesan’ilay mpanankarena sy ny an’i Lazarosy raha ny amin’ny toe-javatra, na toe-piainana, nisy azy ireo avy teo aloha.

Ireo anisan’ny kilasin’i Lazarosy nanetry tena sy nibebaka dia maty raha ny amin’ny toe-piainana tsy nananany na inona na inona ara-panahy teo aloha, ka nahazo toerana nisy ny fankasitrahan’Andriamanitra. Raha niantehitra tamin’ireo mpitondra ara-pivavahana izy ireo taloha mba hahazoana izay kely latsaka avy tamin’ny latabatra ara-panahy, izao ireo fahamarinana ao amin’ny Soratra masina nozarain’i Jesosy dia nameno izay nilainy. Araka izany, izy ireo dia nentina ho any an-tratran’ilay Abrahama Lehibe, dia i Jehovah Andriamanitra, ho eo amin’ny toeram-pankasitrahana avy aminy.

Tetsy an-daniny kosa, ireo izay nahaforona ny kilasin’ilay mpanankarena dia nahazo ny tsy fankasitrahan’Andriamanitra noho ny tsy fetezany mihitsy hanaiky ny hafatr’ilay Fanjakana nampianarin’i Jesosy. Maty tamin’izany izy ireo raha ny amin’ny toerana toa nananany fankasitrahana teo aloha. Raha ny tena izy, dia noresahina ho toy ny tao amin’ny fijaliana ara-panoharana izy ireo. Henoy izao, fa niteny ilay mpanankarena nanao hoe:

“Ry Abrahama ray ô, mamindrà fo amiko ary alefaso i Lazarosy mba hanoboka ny tendron’ny rantsantanany ao amin’ny rano ka hampangatsiatsiaka ny lelako, satria ao anatin’ny fangirifiriana aho ato amin’ity afo midedadeda ity.” Ireo hafatra nivaivay ny amin’ny fitsaran’Andriamanitra nambaran’ny mpianatr’i Jesosy no nampijaly ny isam-batan’olona tao amin’ny kilasin’ilay mpanankarena. Naniry ny hampihenan’ireo mpianatra ny fanambarany ireo hafatra ireo izy, ka hanome azy, araka izany, fanamaivanana kely tamin’ny fijaliany.

“Fa hoy i Abrahama: ‘Tadidio, anaka, fa efa nandray ny zava-tsoanao tamin’ny fomba feno ianao tamin’ny andro niainanao, fa i Lazarosy kosa ny zava-dratsy nifanitsy tamin’izany. Izao, anefa, izy dia manana izay mampiadana azy eto, fa ianao kosa ao anatin’ny fangirifiriana. Ary, ankoatra izany zavatra rehetra izany, dia nasiana hantsana makadiry eo anelanelanay sy ianareo, mba tsy hahafahan’izay haniry hankany aminareo avy etỳ hanao izany, ary mba tsy hahafahan’ny olona hiampita avy any ho etỳ aminay’.”

Ara-drariny sady nety tokoa ny fitrangan’io fifamadihana tanteraka io teo amin’ny kilasin’i Lazarosy sy teo amin’ny kilasin’ilay mpanankarena! Tanteraka io fiovan’ny toerana nisy azy ireo io volana vitsivitsy taorian’izay, tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., rehefa nosoloana ny fanekena vaovao ny faneken’ny Lalàna tranainy. Tamin’izay dia nanjary niharihary tsy nisy hisalasalana velively fa ireo mpianatra, fa tsy ireo Fariseo na ireo mpitondra ara-pivavahana hafa, no nahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Ilay “hantsana makadiry” nampisaraka ilay mpanankarena ara-panoharana tamin’ny mpianatr’i Jesosy, noho izany, dia nampiseho ny fitsaran’Andriamanitra tsy miova sy marina.

Nanaraka izany, ilay mpanankarena dia nangataka an’i “Abrahama ray” hoe: “Alefaso [i Lazarosy] ho any an-tranon’ny raiko, fa manana rahalahy dimy aho.” Niaiky araka izany ilay mpanankarena fa nanana fifandraisana akaiky kokoa tamin’ny ray hafa iray izy, tamin’i Satana Devoly, raha ny marina. Nangataka ny hanalefahan’i Lazarosy ireo hafatra momba ny fitsaran’Andriamanitra ilay mpanankarena mba tsy hametrahana ireo “rahalahiny dimy”, dia ireo mpiombona aminy ara-pivavahana”, ao “amin’ity toeram-pijaliana ity” koa.

“Hoy anefa i Abrahama: ‘Manana an’i Mosesy sy ny Mpaminany izy ireo; aoka izy hihaino azy ireo’. Eny, raha naniry ny handositra io fijaliana io ireo “rahalahy dimy”, ny hany tokony hataony dia ny hanaraka ireo soratra nataon’i Mosesy sy ny Mpaminany izay nampahafantatra an’i Jesosy ho ny Mesia, ary avy eo dia ho tonga mpianany. Nanohitra toy izao anefa ilay mpanankarena: “Tsia, ry Abrahama ray ô, fa raha misy avy any amin’ny maty mankany aminy, dia hibebaka izy ireo.”

Kanefa nilazana toy izao izy: “Raha tsy mihaino an’i Mosesy sy ny Mpaminany izy, dia tsy ho resy lahatra koa na dia misy hitsangana amin’ny maty aza.” Tsy hanome famantarana manokana na fahagagana mba hampiaiky ny olona Andriamanitra. Tsy maintsy mamaky sy mampihatra ny Soratra masina izy ireo raha maniry ny hahazo ny fankasitrahany. Lioka 16:14-31, MN; Jaona 9:28, 29, MN; Matio 19:3-9, MN; Galatiana 3:24, MN; Kolosiana 2:14; Jaona 8:44.

▪ Nahoana no tsy maintsy ho ara-panoharana ny fahafatesan’ilay mpanankarena sy ny an’i Lazarosy, ary sary mampiseho inona avy ny fahafatesan’izy ireo?

▪ Nanomboka tamin’ny fanompoan’i Jaona, fiovana inona no nolazain’i Jesosy fa nitranga?

▪ Inona no tsy maintsy hesorina aorian’ny fahafatesan’i Jesosy, ary amin’ny ahoana no ikasihan’izany ny raharaha momba ny fisaraham-panambadiana?

▪ Tao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, iza no nasehon’ilay mpanankarena sy i Lazarosy?

▪ Inona ireo fijaliana nanjo ilay mpanankarena, ary tamin’ny alalan’ny inona no nitadiavany fanamaivanana avy tamin’izany?

▪ Inona no nasehon’ilay “hantsana makadiry”?

▪ Iza no tena rain’ilay mpanankarena, ary iza ireo rahalahiny dimy?