Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Ilay tena mofo avy any an-danitra”

“Ilay tena mofo avy any an-danitra”

Toko 54

“Ilay tena mofo avy any an-danitra”

VOAMARIKA tokoa ny omalin’io andro io, noho ireo fisehoan-javatra nitranga tamin’izay. Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy ary avy eo dia nandositra ny fanandraman’ny olona hanao azy ho mpanjaka. Ny alina izy dia nandeha teo ambonin’ny Ranomasin’i Galilia voan’ny tafiodrivotra, namonjy an’i Petera, izay nanomboka nilentika rehefa nandeha teo ambonin’ny rano nasavoamboanan’ny tafiodrivotra, ary nampitony ireo onja mba hamonjena ny mpianany tsy ho vaky sambo.

Izao dia nahita an’i Jesosy teo akaikin’i Kapernaomy ireo olona nofahanany tamin’ny fomba mahagaga tany avaratra atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia, ka nanontany azy hoe: “Oviana no tonga teto ianao?” Niteny azy ireo mafy i Jesosy tamin’ny filazana taminy fa nitady azy izy ireo satria nanantena ny hahazo hanina maimaimpoana hafa fotsiny. Nampirisika azy ireo mba hiasa, tsy ho an’ny hanina mety simba, izy, fa ho an’ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay. Nanontany àry ny olona hoe: “Inona no hataonay mba hanaovana ny asan’Andriamanitra?”

Tsy nanonona afa-tsy asa sarobidy iray monja i Jesosy. “Izao no asan’Andriamanitra”, hoy izy nanazava, “dia ny hanehoanareo finoana an’ilay nirahiny.”

Tsy naneho finoana an’i Jesosy anefa ny olona, na dia teo aza ireo fahagagana rehetra nataony. Sarotra ny hino fa, na dia taorian’ireo zavatra nahavariana rehetra nataony aza, izy ireo dia nanontany hoe: “Inona àry no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay anao? Inona no asa ataonao? Ny razanay nihinana ny mana tany an’efitra, araka ny voasoratra hoe: ‘Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny’.”

Ho famaliana ny fangatahan’izy ireo famantarana i Jesosy dia nampiseho mazava ny loharano niavian’ireo fanomezana mahagaga tamin’ny filazana hoe: “Tsy nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra i Mosesy, fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra. Fa ny mofon’Andriamanitra dia ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’izao tontolo izao.”

“Tompo ô”, hoy ny olona, “omeo izany mofo izany foana izahay.”

“Izaho no mofon’aina”, hoy i Jesosy nanazava. “Izay manatona ahy dia tsy mba ho noana velively, ary izay maneho finoana ahy dia tsy mba hangetaheta na oviana na oviana. Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita ahy ihany ianareo, nefa tsy mino. Izay rehetra omen’ny Raiko ahy dia hanatona ahy, ary izay manatona ahy dia tsy mba hatosiko mihitsy; fa nidina avy tany an-danitra aho mba hanao, tsy ny sitrapoko akory, fa ny sitrapon’izay naniraka ahy. Izao no sitrapon’ilay naniraka ahy, dia ny tsy hamelako hisy ho very izay rehetra nomeny ahy, fa hatsangako amin’ny maty amin’ny andro farany izy. Fa izao no sitrapon’ny Raiko, dia ny hahazoan’izay rehetra mitazana ny Zanaka ka maneho finoany azy, fiainana mandrakizay.”

Dia nanomboka nimonomonona tamin’i Jesosy ny Jiosy satria izy nanao hoe: “Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.” Ny zanakalahin’ny ray aman-dreny olombelona ihany no hitan’izy ireo taminy, ary, toy ireo olona tany Nazareta ihany, dia nanohitra izy ireo ka nanao hoe: “Tsy io ve ilay Jesosy zanak’i Josefa, izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no anaovany ankehitriny hoe: ‘Izaho nidina avy tany an-danitra’?”

“Aza mimonomonona eo aminareo intsony”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy misy olona afaka manatona ahy raha tsy taomin’ny Ray izay naniraka ahy; ary izaho hanangana azy amin’ny andro farany. Voasoratra ao amin’ny mpaminany hoe: ‘Ary izy rehetra dia hampianarin’i Jehovah’. Izay rehetra nandre ka nianatra avy tamin’ny Ray dia manatona ahy. Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy izay avy any amin’ny Ray; izy no nahita ny Ray. Milaza aminareo marina dia marina aho: izay mino dia manana fiainana mandrakizay.”

Nanohy ny teniny i Jesosy ka namerina hoe: “Izaho no mofon’aina. Ny razanareo nihinana ny mana tany an’efitra, nefa maty ihany. Ity no mofo izay midina avy any an-danitra, mba hahafahan’iza na iza mihinana aminy ka tsy ho faty. Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; na iza na iza mihinana amin’ity mofo ity dia ho velona mandrakizay.” Eny, amin’ny fanehoana finoana an’i Jesosy, ilay nirahin’Andriamanitra, ny olona dia afaka ny hahazo fiainana mandrakizay. Tsy misy mana, na karaza-mofo hafa, afaka manome izany!

Toa nanomboka tsy ela taorian’ny nahitan’ny olona an’i Jesosy teo akaikin’i Kapernaomy io firesahana momba ny mofo avy any an-danitra io. Kanefa mbola nitohy izany, ka nahatratra ny fara tampony tatỳ aoriana rehefa nampianatra tao amin’ny synagoga iray tao Kapernaomy i Jesosy. Jaona 6:25-51, MN; Salamo 78:24; Isaia 54:13; Matio 13:55-57.

▪ Fisehoan-javatra inona avy no nialoha ny firesahan’i Jesosy momba ny mofo avy any an-danitra?

▪ Raha dinihina izay vao avy nataon’i Jesosy, nahoana no tsy nety mihitsy ilay fangatahana famantarana?

▪ Nahoana ny Jiosy no nimonomonona tamin’ny fanambaran’i Jesosy fa izy no tena mofo avy any an-danitra?

▪ Taiza no nitranga ilay firesahana momba ny mofo avy any an-danitra?