Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay toriteny malaza indrindra

Ilay toriteny malaza indrindra

Toko 35

Ilay toriteny malaza indrindra

ANANKIRAY amin’ireo malaza indrindra eo amin’ny tantara ao amin’ny Baiboly ilay fisehoan-javatra: i Jesosy nipetraka teo amin’ny ilan’ny tendrombohitra, nanao ny Toriteniny teo an-tendrombohitra malaza. Teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, azo inoana fa teo akaikin’i Kapernaomy, ilay toerana. Rehefa avy nandany ny alina manontolo nivavahana i Jesosy, dia nifidy 12 tamin’ireo mpianany mba ho apostoly. Avy eo, niaraka tamin’izy rehetra izy ka nidina ho eo amin’ny toerana marina teo amin’ilay tendrombohitra.

Izao dia mety hieritreritra ianao fa tokony efa ho sasatra tokoa i Jesosy ka haniry ny hatory kely. Kanefa nisy vahoaka maro tonga teo, ny sasany avy tany Jodia sy Jerosalema mihitsy, 100 ka hatramin’ny 110 kilaometatra avy teo. Ny hafa dia tonga avy tany amin’ny morontsirak’i Tyro sy Sidona tany avaratra. Tonga mba hihaino an’i Jesosy sy mba hositranina tamin’ny aretiny izy ireo. Nisy tonga teo koa aza olona nampahorin’ireo demonia, dia ireo anjely ratsin’i Satana.

Rehefa nidina i Jesosy, dia nanatona azy akaiky ireo narary mba hikasika azy ary dia nanasitrana azy rehetra izy. Taorian’izay, i Jesosy dia toa niakatra ho eo amin’ny toerana avo kokoa teo amin’ilay tendrombohitra. Teo izy dia nipetraka ary nanomboka nampianatra ireo vahoaka niparitaka teo amin’ny toerana marina teo anoloany. Ary eritrereto ange! Izao dia tsy nisy na dia iray aza teo amin’ny mpanatrika rehetra nijaly noho ny kilema lehibe!

May ny handre ilay mpampianatra nahavita ireny fahagagana nahatalanjona ireny ny olona. Ho tombontsoan’ny mpianany, izay azo inoana fa tafangona teo akaikiny, anefa no nanaovan’i Jesosy ny toriteniny voalohany indrindra. Kanefa, mba handraisantsika soa avy amin’izany koa, dia samy nandray azy io an-tsoratra i Matio sy i Lioka.

Eo amin’ny avo efatra heny noho ny an’i Lioka ny halavan’ny fitantaran’i Matio momba ilay toriteny. Ambonin’izany, dia misy tapany amin’ny fitantaran’i Matio izay asehon’i Lioka ho nolazain’i Jesosy tamin’ny fotoana hafa teo amin’ny fanompoany, araka ny hita amin’ny fampitahana ny Matio 6:9-13 amin’ny Lioka 11:1-4, ary ny Matio 6:25-34 amin’ny Lioka 12:22-31. Tsy tokony hahagaga anefa izany. Mazava ho azy fa nampianatra zavatra nitovy nihoatra ny indray mandeha i Jesosy ary nifidy ny hitantara ny sasany tamin’ireo fampianarany tao anatin’ny faritra hafa i Lioka.

Ny nahatonga ny toritenin’i Jesosy ho sarobidy aoka izany dia, tsy ny halalin’ireo hevitra ara-panahy raketiny fotsiny, fa ny fampisehoany ireo fahamarinana ireo tamin’ny fomba tsotra sy mazava. Nifototra tamin’ny zava-nitranga fahita izy ary nampiasa zavatra fantatry ny olona tsara, ka nanao izay hahamora azon’izay rehetra nitady fiainana tsara kokoa tamin’ny fanarahana ny lalan’Andriamanitra, ireo hevitra nasehony.

Iza no tena sambatra marina?

Maniry ho sambatra daholo ny olona rehetra. Tsapan’i Jesosy izany, ka nanomboka ny Toriteniny teo an-tendrombohitra tamin’ny filazalazana momba ireo izay tena sambatra marina izy. Azontsika alaina sary an-tsaina mora foana fa izany dia nisarika sy nitana avy hatrany ny sain’ireo mpihaino azy maro be. Ary anefa dia tsy maintsy ho toa nifanipaka ireo fampidiran-dresaka ireo ho an’ny maro.

Navantany tamin’ny mpianany ny fanazavany ka hoy izy nanomboka ny teniny: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny fanjakan’Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa hovokisana ianareo. Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hihomehy ianareo. Sambatra ianareo isaky ny halan’ny olona (...) Mifalia ianareo amin’izany andro izany, ka mibitaha, fa, indro! lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra.”

Izany no filazan’i Lioka ny teny nampidiran’i Jesosy ny toriteniny. Kanefa, araka ny fitantaran’i Matio, dia nilaza koa i Jesosy fa ny malemy fanahy, ny mamindra fo, ny madio am-po ary ny tia fihavanana dia sambatra. Sambatra ireo, hoy ny nomarihin’i Jesosy, satria handova ny tany, hamindrana fo, hahita an’Andriamanitra ary hantsoina hoe zanak’Andriamanitra.

Ny tian’i Jesosy holazaina tamin’ny hoe sambatra, anefa, dia tsy hoe falifaly sy ravoravo fotsiny, toy ny rehefa milalao. Lalina kokoa ny tena fahasambarana marina, ka midika ho fahafahampo, fahatsiarovana ho nahazo sy nahavita izay ilaina rehetra eo amin’ny fiainana.

Ny tena sambatra marina àry, araka ny nasehon’i Jesosy, dia ireo olona izay mahatsapa fa mila zavatra ara-panahy, malahelo noho ny maha-mpanota azy, ary manjary mahalala sy manompo an’Andriamanitra. Amin’izay, na dia ankahalaina sy enjehina aza izy ireo noho ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra, dia sambatra satria fantany fa ankasitrahan’Andriamanitra izy ary homeny ny fiainana mandrakizay ho valisoa.

Kanefa, maro tamin’ireo mpihaino an’i Jesosy, tsy misy hafa amin’ny olona sasany amin’izao andro izao, no nino fa ny fanambinana ara-nofo sy ny fahafinaretana no mahatonga ny olona iray ho sambatra. I Jesosy dia nahafantatra fa hafa noho izany no izy. Nilaza izao fifanoheran-javatra izao, izay nety ho nahagaga ny maro tamin’ireo mpihaino azy, izy:

“Lozanareo izay manankarena kosa, fa efa azonareo izay nahafapo anareo. Lozanareo izay voky ankehitriny, fa mbola ho noana ianareo. Lozanareo izay mihomehy ankehitriny, fa mbola ho ory sy hitomany ianareo. Lozanareo, raha milaza soa anareo ny olona rehetra, fa izany no nataon’ny razany tamin’ny mpaminany sandoka.”

Inona no tian’i Jesosy holazaina? Nahoana no mitondra loza ny fananana harena, ny fikatsahana fahafinaretana amim-pifalifaliana sy ny fahazoana teny fankasitrahana avy amin’ny olona? Satria rehefa manana ireny zavatra ireny ny olona iray ka tia izany amim-piraiketampo, amin’izay dia tsy tafiditra ao amin’ny fiainany ny fanompoana an’Andriamanitra, izay hany mitondra tena fahasambarana marina. Tsy te hilaza koa anefa i Jesosy fa ny hoe mahantra, noana sy malahelo fotsiny dia mahatonga ny olona iray ho sambatra. Fa matetika kosa ny olona toa voa toy ireny dia mety hanao zavatra mifanaraka amin’ny fampianaran’i Jesosy, ka amin’izany dia mahazo fitahiana sy tena fahasambarana marina.

Nanaraka izany, raha niresaka tamin’ireo mpianany i Jesosy, dia nanao hoe: “Ianareo no siran’ny tany.” Mazava ho azy fa tsy te hilaza izy akory hoe sira amin’ny heviny ara-bakiteny izy ireo. Tsia, fa natao ho fiarovan-javatra tsy ho simba kosa ny sira. Nisy antontan-tsira lehibe teo akaikin’ny alitara tao amin’ny tempolin’i Jehovah, ary nampiasa izany hatao tamin’ireo fanatitra ireo mpisorona nanao ny raharahany tao.

Ny mpianatr’i Jesosy dia “siran’ny tany” amin’ny heviny hoe manana hery amin’ny olona izay miaro azy tsy ho simba izy ireo. Ny hafatra nentin’izy ireo tokoa dia hiaro ny ain’izay rehetra manao zavatra mifanaraka amin’izany! Izany dia hitondra ireo toetra tsaran’ny tsy fiovaovana, ny fahatokiana ary ny tsy fivadihana eo amin’ny fiainan’ireny olona ireny, ka hisakana ny fahasimbana ara-panahy sy ara-pitondrantena tsy hahazo azy.

“Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao”, hoy i Jesosy tamin’ny mpianany. Tsy atao ao ambany harona ny jiro fa eo amin’ny fanaovan-jiro, ka noho izany dia hoy i Jesosy: “Aoka hazava eo imason’ny olona toy izany koa ny fahazavanareo”. Manao izany amin’ny alalan’ny fanaovany fanambarana ampahibemaso ny mpianatr’i Jesosy, ary koa amin’ny alalan’ny ohatra mamirapiratra eo amin’ny fitondrantena izay mifanaraka amin’ny fotopoto-pitsipiky ny Baiboly.

Fari-pitondrantena ambony ho an’ireo mpanara-dia azy

Nihevitra an’i Jesosy ho mpandika ny Lalàn’Andriamanitra ireo mpitondra ara-pivavahana ary tsy ela izay dia niray tetika mihitsy aza mba hamono azy. Nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra àry i Jesosy ka nanazava hoe: “Aza ataonareo fa tonga aho handrava ny lalàna na ny mpaminany. Tsy tonga aho handrava, fa hanatanteraka.”

Nanana fiheverana ambony dia ambony ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy ary nampirisika ny hafa mba hanahaka azy. Raha ny marina, dia hoy izy: “Ary amin’izany, na zovy na zovy no mandika ny iray amin’ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona mba hanao izany koa, dia hatao hoe ‘kely indrindra’ raha ny amin’ny fanjakan’ny lanitra izy”, izany hoe tsy hiditra ao amin’ilay Fanjakana mihitsy izany olona izany.

Tsy hoe tsy nanaja velively ny Lalàn’Andriamanitra akory i Jesosy fa vao mainka nanameloka na dia ireo fihetsika izay mitarika ny olona iray handika azy io aza. Rehefa avy nanamarika izy fa nilaza ny Lalàna hoe: “Aza mamono olona”, dia nanampy teny hoe: “Fa izaho kosa milaza aminareo hoe izay rehetra tezitra hatrany amin’ny rahalahiny dia mendrika hohelohina amin’ny fitsarana”.

Koa satria zava-dehibe toy izany ny hoe tezitra hatrany amin’ny mpiara-miasa amin’ny tena, ka angamba hitarika ho amin’ny famonoana olona mihitsy aza, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana hoe hatraiza no tokony hanaovana fiezahana mba hisian’ny fihavanana. Nanome izao toromarika izao izy: “Ary amin’izany, raha mitondra ny fanomezanao [hatao fanatitra] ho eo amin’ny alitara ianao, ary eo no mahatsiaro fa ny rahalahinao manana alahelo aminao, dia avelao eo anoloan’ny alitara ny fanomezanao, ka mandehana aloha, ataovy izay hihavananao amin’ny rahalahinao, ary rehefa miverina, dia vao atero ny fanomezanao.”

Nampitodika ny sain’ny mpihaino azy ho amin’ny didy fahafito tamin’ny Didy Folo i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao: “Efa renareo fa voalaza hoe: ‘Aza manitsakitsa-bady’.” Kanefa i Jesosy dia nanameloka na dia ny fihetsika vonona ho amin’ny fanitsakitsaham-bady aza. “Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy mba hahatsapa fahamaimaizana aminy dia efa nanitsakitsa-bady tam-pony sahady.”

I Jesosy teto dia tsy niresaka ny amin’ny eritreritra maloto mihelina fotsiny, fa ny amin’ny ‘tsy fitsaharana mijery’. Ny fijerena mitohy toy izany dia manaitra faniriana feno fahamaimaizana izay mety hiafara amin’ny fanitsakitsaham-bady raha misy fahafahana ho amin’izany. Amin’ny fomba ahoana no hanakanan’ny olona iray izany tsy hitranga? Nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’ny fanoharana iray ny mety hilàna hanaovan-javatra hentitra dia hentitra, tamin’ny filazana hoe: “Fa raha ny masonao havanana izao no manafintohina anao, dia esory hiala izy, ka ario ho afaka aminao. (...) Ary raha ny tananao havanana no manafintohina anao, dia tapaho izy, ka ario ho afaka aminao”.

Vonona ny hamoy rantsam-batana ara-bakiteny marary iray ny olona mazàna mba hamonjena ny ainy. Kanefa, araka ny tenin’i Jesosy, dia mbola iankinan’ny aina kokoa aza ny ‘manary na inona na inona ho afaka’ amin’ny tena, eny, na dia zavatra sarobidy toy ny maso na ny tanana aza, mba hanalavirana eritreritra sy fanaovan-javatra maloto. Raha tsy izany, hoy ny fanazavan’i Jesosy, ny olona manao izany dia hatsipy ao anatin’ny Gehena (toeram-panariam-pako nisy afo nirehitra teo akaikin’i Jerosalema), izay mampiseho ny fandringanana mandrakizay.

Niresaka ny amin’ny fomba tokony hitondrana tena eo anoloan’ny olona miteraka fahavoazana sy fanafintohinana ho an’ny tena koa i Jesosy. “Aza manohitra izay manisy ratsy anao”, hoy ny torohevitra nomeny. “Fa na iza na iza no mamely tahamaina ny takolakao havanana, atolory azy koa ny ilany.” Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe tsy tokony hiaro tena ny olona iray na hiaro ny fianakaviana raha misy manafika. Tsy atao mba handratrana ara-batana akory ny tahamaina, fa mba hanevatevana kosa. Koa ny nolazain’i Jesosy teto àry dia hoe: raha misy olona manandrana hitarika ady na fifandirana, na amin’ny fanomezana tahamaina ara-bakiteny izany na amin’ny alalan’ny teny manindrona sy manevateva, dia tsy hety ny hamaliana ratsy.

Rehefa avy nanintona ny saina ho amin’ny lalàn’Andriamanitra momba ny tokony hitiavana ny namana i Jesosy dia nanambara hoe: “Fa izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiavo hatrany ny fahavalonareo, ary mivavaha hatrany ho an’izay manenjika anareo”. Nanome antony mahery hanaovana izany izy tamin’ny fanampiana teny toy izao: “[Amin’izany] dia hanaporofo ny maha-zanaky ny Rainareo izay any an-danitra anareo ianareo, fa izy mampiposaka ny masoandrony amin’ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.”

Namarana io tapany tamin’ny toriteniny io tamin’izao fananarana izao i Jesosy: “Koa amin’izany aoka ianareo ho tanteraka, toy ny maha-tanteraka ny Rainareo izay any an-danitra.” Tsy te hilaza akory i Jesosy fa afaka ny ho tanteraka amin’ny heviny feno ny olona. Tsia, fa amin’ny fanahafana an’Andriamanitra kosa, izy ireo dia afaka manitatra ny fitiavany mba hahafaoka ireo fahavalony koa. Ny fitantaran’i Lioka mifanitsy amin’izany dia mamerina ny tenin’i Jesosy toy izao: “Mamindrà fo hatrany, tahaka ny Rainareo mamindra fo.”

Vavaka sy fitokiana an’Andriamanitra

Raha nanohy ny toriteniny i Jesosy dia nanameloka ny fihatsarambelatsihin’ireo olona izay mampidera fotsiny ny ataony hoe fitiavam-pivavahana. “Raha manao fanomezana ianao”, hoy izy, “aza mba mitsoka trompetra eo alohanao tahaka ny fanaon’ny mpihatsaravelatsihy”.

“Ary raha mivavaka ianareo”, hoy ny teny nanampin’i Jesosy, “aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy; fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin’ny synagoga sy eo an-joron-dalana hahitan’ny olona azy.” Tsia, fa nanome izao toromarika izao kosa izy: “Ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao manokana, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao izay ao amin’ny mangingina”. Nanao vavaka ampahibemaso ny tenan’i Jesosy mihitsy, koa tsy izany àry no nomelohiny. Ny notoheriny ampahibemaso dia ireo vavaka izay atao mba hanaitra ny mpihaino sy hahazoana teny fiderana avy amin’izy ireo.

Nanome izao torohevitra fanampiny izao i Jesosy: “Raha mivavaka ianareo, dia aza mamerimberina teny mitovy foana, tahaka ny ataon’ny olona eo amin’ireo firenena.” Tsy te hilaza akory i Jesosy hoe ny famerimberenana mihitsy no tsy mety. Indray mandeha ny tenany mihitsy dia namerimberina ny hoe “izany teny izany ihany” tao amin’ny vavaka nataony. Fa ny tsy nankasitrahany kosa dia ny “mamerimberina” teny nianarana tsianjery, toy ny ataon’ireo manao toko sapile eo am-pamerenana tsianjery ny vavaka ataony.

Mba hanampiana ireo mpihaino azy hivavaka, i Jesosy dia nanome azy ireo vavaka iray faka tahaka nisy fangatahana fito. Ny telo voalohany tamin’izany dia nampiseho ara-drariny fanekena ny fiandrianan’Andriamanitra sy ny fikasany. Izany dia fangatahana momba ny fanamasinana ny anaran’Andriamanitra, ny fahatongavan’ny Fanjakany ary ny fanaovana ny sitrapony. Ireo efatra farany dia hataka ho an’ny tena manokana, izany hoe mba hahazoana ny sakafo isan’andro, ny famelana ny heloka, mba tsy ho voan’ny fakam-panahy mihoatra noho izay azon’ny tena iaretana ary mba hafahana amin’ilay ratsy.

Nanohy ihany i Jesosy tamin’ny firesahana momba ny fandrika ny amin’ny fiheverana tafahoatra ny fananana ara-nofo. Nampirisika toy izao izy: “Aza mihary harena ho anareo etỳ an-tany intsony, izay misy kalalao sy harafesina manimba, sady misy mpangalatra manamitrano sy mangalatra.” Tsy vitan’ny hoe mety simba ny harena toy izany, fa tsy hahazoana fahamendrehana eo imason’Andriamanitra koa.

Noho izany, dia nilaza i Jesosy hoe: “Fa miharia harena ho anareo any an-danitra kosa”. Azonao atao izany amin’ny fametrahana ny fanompoana an’Andriamanitra eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao. Tsy misy olona afaka manaisotra ny fahamendrehana eo imason’Andriamanitra azo avy amin’izany na ny valisoa lehibe entiny. Avy eo dia nanampy teny toy izao i Jesosy: “Izay itoeran’ny harenao, dia ho any koa ny fonao.”

Mbola niresaka ihany momba ny fandriky ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo i Jesosy ka nanome izao fanoharana izao: “Ny maso no jiron’ny tena. Koa amin’izany, raha tsotra ny masonao, dia hazava avokoa ny tenanao rehetra; fa raha ratsy kosa ny masonao, dia ho maizina avokoa ny tenanao rehetra.” Ny maso izay miasa tsara dia ho tonga, ho an’ny tena, toy ny jiro mirehitra ao amin’ny toerana maizina. Mba hahitan’ny maso tsara anefa dia tsy maintsy ho tsotra izy io, izany hoe, tsy maintsy mifantoka amin’ny zavatra iray ihany. Ny maso iray tsy mahay mifantoka mazava tsara dia mitarika ho amin’ny fanombanan-javatra diso, ho amin’ny fametrahana ny fikatsahana zavatra ara-nofo alohan’ny fanompoana an’Andriamanitra, ka, noho izany, dia hanjary maizina ny “tena rehetra”.

Namarana tamin-kery io raharaha io tamin’izao fanoharana lehibe izao i Jesosy: “Tsy misy olona afaka manompo tompo roa; fa na hankahala ny iray izy ary ho tia ilay hafa; na hifikitra amin’ny iray izy ary hanamavo ilay hafa. Tsy afaka ny hanompo an’Andriamanitra no sady hanompo ny harena ianareo.”

Rehefa avy nanome io torohevitra io i Jesosy dia nanome toky ireo mpihaino azy fa tsy nanana antony tokony hanahiana ny amin’izay nilainy ara-nofo izy ireo raha nametraka ny fanompoana an’Andriamanitra teo amin’ny toerana voalohany. “Diniho tsara ny voro-manidina”, hoy izy, “fa tsy mba mamafy na mijinja na mitaona ho any an-tsompitra ireny; kanefa ny Rainareo izay any an-danitra mamelona azy.” Avy eo izy dia nanontany toy izao: “Moa tsy mihoatra lavitra noho ireny ve ianareo?”

Nanaraka izany, i Jesosy dia nanondro ny lilia teny an-tsaha ka nanamarika fa “na dia i Solomona tao amin’ny voninahiny rehetra aza tsy mba nitafy tahaka ny iray amin’ireny. Ary raha ampitafin’Andriamanitra toy izany ny zavamaniry any an-tsaha”, hoy izy nanohy ny teniny, “tsy hampitafy anareo mihoatra noho ireny ve izy, ry kely finoana?” Noho izany, dia namaran-teny toy izao i Jesosy: “Aza manahy na oviana na oviana ianareo ka manao hoe: ‘Inona no hohaninay?’ na, ‘Inona no hosotroinay?’ na, ‘Inona no hotafinay?’ (...) Fa fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany. Aza mitsahatra mikatsaka voalohany indrindra ny fanjakana sy ny fahamarinany àry, dia hanampy ho anareo izany rehetra izany.”

Ny lalan’ny fiainana

Ny lalan’ny fiainana dia ny fanarahana ireo fampianaran’i Jesosy. Tsy mora anefa ny manao izany. Ireo Fariseo, ohatra, dia nirona hitsara ny hafa tamim-pahasiahana, ary azo inoana fa maro no nanahaka azy ireo. Nanohy ny Toriteniny teo an-tendrombohitra tamin’ny fanomezana izao fananarana izao àry i Jesosy: “Aza mitsara intsony mba tsy hotsaraina ianareo; fa araka ny fitsarana ataonareo no hitsarana anareo.”

Mampidi-doza ny fanarahana ny ohatr’ireo Fariseo be fanakianana loatra. Araka ny fitantaran’i Lioka, dia nasehon’i Jesosy tamin’ny alalan’izao fanoharana izao izany loza izany: “Ny jamba ve afaka mitari-dalana ny jamba? Tsy samy hianjera any an-kady ve izy?”

Fahotana lehibe ny manakiana ny hafa be loatra, ny mampitombo ny fahadisoany tsy araka ny izy sy ny mamazivazy azy. Nanontany toy izao àry i Jesosy: “Ahoana no hilazanao amin’ny rahalahinao hoe: ‘Aoka aho hanaisotra ny sombin-kazo eo amin’ny masonao’; nefa, indro! ny andry eo amin’ny masonao? Ry mpihatsaravelatsihy! Esory aloha ny andry eo amin’ny masonao, ary amin’izay vao ho hitanao tsara ny hanesoranao ny sombin-kazo eo amin’ny mason’ny rahalahinao.”

Tsy milaza akory izany fa tsy tokony hampiasa fahaiza-manavaka ny mpianatr’i Jesosy teo amin’ny fifandraisany tamin’ny olon-kafa, satria hoy izy: “Aza omena ny alika izay masina, ary aza atsipy eo anoloan’ny kisoavavy ny voahanginareo”. Ireo fahamarinana avy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra dia masina. Toy ny voahangy ara-panoharana izy ireo. Kanefa raha nisy olona, izay toy ny alika na ny kisoavavy, tsy nampiseho fankasitrahana ireny fahamarinana sarobidy ireny, dia tokony handao ireny olona ireny ny mpianatr’i Jesosy ka hitady ireo izay vonona kokoa ny handray izany.

Na dia efa niresaka momba ny vavaka aza i Jesosy teo aloha kokoa tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, izao izy dia nanamafy ny ilàna haharitra amin’izany. “Aza mitsahatra mangataka”, hoy ny fampirisihany, “dia homena ianareo.” Mba hampisehoana tamin’ny alalan’ny fanoharana ny fahavononan’Andriamanitra hamaly vavaka, dia nanontany i Jesosy hoe: “Iza moa aminareo, raha angatahan’ny zanany mofo, no hanome azy vato? (...) Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an’ny zanakareo, tsy mainka ve ny Rainareo izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an’izay mangataka aminy?”

Nanaraka izany, i Jesosy dia nanome izay tonga fitsipika mitarika ny fitondrantena malaza iray antsoina hoe ny Fitsipika Volamena. Hoy izy: “Koa amin’izany, na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany”. Mitaky fanaovan-javatra manorina ny fiainana mifanaraka amin’io fitsipika io, izany hoe manao soa ho an’ny hafa ary mitondra azy toy ny hitiavantsika hitondrany antsika koa.

Ny tsy maha-mora io fomba fiaina io dia nahariharin’izao toromarika nomen’i Jesosy izao: “Midira amin’ny vavahady ety ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin’ny fandringanana, ka maro ny miditra any. Fa ety ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.”

Be dia be ny loza ny amin’ny mety hahavoafitaka antsika, hany ka nampitandrina toy izao i Jesosy: “Mitandrema ianareo, fandrao ho voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin’ny fitafian’ny ondry, fa ao anatiny dia amboadia mamiravira izy.” Toy ny ahafantarana ny hazo tsara sy ny hazo ratsy amin’ny voany, hoy ny nomarihin’i Jesosy, dia toy izany koa no ahafantarana ireo mpaminany sandoka amin’ny fitondrantenany sy ny fampianarany.

Nanohy ihany i Jesosy ka nanazava fa tsy izay lazain’ny olona iray fotsiny no mahatonga azy ho mpianany fa izay ataony. Misy olona milaza fa Tompon’izy ireo i Jesosy, kanefa raha tsy manao ny sitrapon’ny Rainy izy ireo, dia hoy izy: “Hambarako aminy marimarina hoe: Tsy mba fantatro akory ianareo hatrizay hatrizay! Mialà amiko ianareo mpanao meloka.”

Tamin’ny farany, i Jesosy dia nanonona ilay famaranan-teny malaza amin’ny toriteniny. Hoy izy: “Na iza na iza no mandre izany teniko izany ka mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy malina iray, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny vatolampy. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; nefa tsy nianjera izy, satria efa naorina teo ambonin’ny vatolampy.”

Tetsy an-daniny kosa, dia nanambara toy izao i Jesosy: “Izay rehetra mandre izany teniko izany, nefa tsy mankatò azy, dia hoharina amin’ny lehilahy adala iray, izay nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika. Ary latsaka ny ranonorana, ka nisy riaka be, sady nifofofofo ny rivotra ka namely izany trano izany; dia nianjera izy, ka loza ny fianjerany.”

Rehefa vitan’i Jesosy ny toriteniny, dia talanjona ny vahoaka noho ny fomba fampianarany, satria nampianatra azy toy izay nanana fahefana izy fa tsy tahaka ireo mpitondra ara-pivavahana teo aminy. Lioka 6:12-23, MN; Matio 5:1-12, MN; Lioka 6:24-26, MN; Matio 5:13-48, MN; Mt 26:36-45; Mt 6:1-34, MN; Mt 7:1-29, MN; Lioka 6:27-49, MN.

▪ Taiza moa i Jesosy fony izy nanao ny toriteniny malaza indrindra, iza avy no nanatrika tamin’izany, ary inona no nitranga taloha kelin’ny hanaovany azy io?

▪ Nahoana no tsy mahagaga ny nitantaran’i Lioka ny fampianarana sasany tamin’io toriteny io tao anatin’ny faritra hafa?

▪ Inona no maha-sarobidy aoka izany io toritenin’i Jesosy io?

▪ Iza no tena sambatra marina, ary nahoana?

▪ Iza no mahazo loza, ary nahoana?

▪ Amin’ny heviny ahoana ireo mpianatr’i Jesosy no “siran’ny tany” sy “fahazavan’izao tontolo izao”?

▪ Tamin’ny ahoana no nampisehoan’i Jesosy fiheverana ambony ny Lalàn’Andriamanitra?

▪ Toromarika inona no nomen’i Jesosy mba hamongorana ny antony mitarika ho amin’ny famonoana olona sy ny fanitsakitsaham-bady?

▪ Inona no tian’i Jesosy holazaina rehefa niresaka ny amin’ny tokony hanolorana ny takolaka ilany izy?

▪ Amin’ny heviny ahoana isika no afaka ny ho tanteraka tahaka an’Andriamanitra?

▪ Toromarika inona avy momba ny vavaka no nomen’i Jesosy?

▪ Nahoana no ambony kokoa ny harena any an-danitra, ary amin’ny fomba ahoana no hahazoana izany?

▪ Fanoharana inona avy no nomena mba hanampiana ny olona iray hanalavitra ny fitiavana fatratra ny zavatra ara-nofo?

▪ Nahoana i Jesosy no nilaza fa tsy nisy antony tokony hanahiana mihitsy?

▪ Inona no nolazain’i Jesosy momba ny fitsarana ny hafa; kanefa ahoana no nampisehoany fa nila ny nampiasa fahaiza-manavaka ny mpianany teo anatrehan’ny olona?

▪ Inona koa no nolazain’i Jesosy fanampiny momba ny vavaka, ary fitsipika mitarika ny fitondrantena inona no nomeny?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nampisehoan’i Jesosy fa tsy ho mora ny lalana ho any amin’ny fiainana ary koa fa misy loza ny amin’ny mety hahavoafitaka antsika?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no namaranan’i Jesosy ny toriteniny, ary nanao ahoana ny vokatr’izy io?