Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no araka ny lalàna ny fanaovana azy tamin’ny Sabata?

Inona no araka ny lalàna ny fanaovana azy tamin’ny Sabata?

Toko 32

Inona no araka ny lalàna ny fanaovana azy tamin’ny Sabata?

TAMIN’NY Sabata hafa iray no nitsidihan’i Jesosy ny synagoga iray teo akaikin’ny Ranomasin’i Galilia. Nisy lehilahy iray maty tanana tao. Nandinika tsara ireo mpanora-dalàna sy Fariseo na hanasitrana azy i Jesosy na tsia. Tamin’ny farany izy ireo dia nanontany hoe: “Araka ny lalàna ve ny manasitrana amin’ny sabata?”

Nino ireo mpitondra ara-pivavahana jiosy fa rehefa tandindomin-doza ihany ny fiainana vao azo atao araka ny lalàna ny fanasitranana. Nampianatra izy, ohatra, fa tsy araka ny lalàna ny mamerina taolana amin’ny toerany na mamehy folaka. Nanontany an’i Jesosy àry ireo mpanora-dalàna sy Fariseo mba hiampangany azy.

Nahalala ny fomba fihevitr’ireo anefa i Jesosy. Ary tsapany koa fa nanaraka fomba fihevitra lasa lavitra loatra sy tsy araka ny Soratra masina izy ireo raha ny amin’izay nety ho fandikana ny lalàn’ny Sabata nandrara ny fanaovana asa. Noho izany, i Jesosy dia nandamina ny faritra ho an’ny fifanatrehana nampangitakitaka tamin’ny filazana tamin’ilay lehilahy maty tanana hoe: “Mitsangàna etsy afovoany.”

Izao i Jesosy dia nitodika tany amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, ka nanao hoe: “Iza moa no olona eo aminareo, raha manana ondry iray, ka latsaka any an-kady amin’ny sabata izy io, no tsy handray azy sy hampakatra azy?” Koa satria fampiasam-bola ny ondry iray, dia tsy hamela izany ho ao anaty hady hatramin’ny ampitso izy ireo, ka angamba hampaharary azy io ao ary hitondra fatiantoka ho azy ireo. Ankoatra izany, ny Baiboly dia milaza hoe: “Ny marina mitsimbina ny ain’ny bibiny.”

Nanao fampitahana i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao: “Raha dinihina ny zavatra rehetra, dia mihoatra lavitra noho ny ondry tokoa ny olona! Koa araka ny lalàna àry ny manao soa amin’ny sabata.” Tsy afaka nanohitra izany fanjohian-kevitra nifandrindra sy nampiseho fangoraham-po izany ireo mpitondra ara-pivavahana ka tsy niteny.

Sady tezitra no nalahelo noho ny hadalana feno kirin’izy ireo i Jesosy nijery ireo nanodidina azy. Avy eo dia hoy izy tamin’ilay lehilahy: “Ahinjiro ny tananao.” Ary dia nahinjiny ny tanany ka sitrana.

Tsy faly ireo Fariseo noho ny fahasitranan’ny tanan’ilay lehilahy, fa lasa nivoaka kosa ary niaraka tamin’izay dia niray tetika tamin’ny antokon’ireo Herodiana mba hamono an’i Jesosy. Niharihary fa nisy mpikambana avy tamin’ny Sadoseo ara-pivavahana koa io antoko ara-politika io. Mazàna dia nifanohitra ankarihary io antoko ara-politika io sy ny Fariseo, nefa izao izy ireo dia tafaray mafy tamin’ny fanoherany an’i Jesosy. Matio 12:9-14, MN; Marka 3:1-6, MN; Lioka 6:6-11, MN; Ohabolana 12:10; Eksodosy 20:8-10.

▪ Tarehin-javatra nanao ahoana no vonona ho an’ny fifanatrehana nampangitakitaka teo amin’i Jesosy sy ireo mpitondra ara-pivavahana jiosy?

▪ Inona no ninoan’ireo mpitondra ara-pivavahana jiosy ireo raha ny amin’ny fanasitranana tamin’ny Sabata?

▪ Fanoharana inona no nampiasain’i Jesosy mba hanoherana ireo fomba fiheviny diso?