Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no mandoto ny olona iray?

Inona no mandoto ny olona iray?

Toko 56

Inona no mandoto ny olona iray?

NIHAMAFY ny fanoherana an’i Jesosy. Tsy vitan’ny hoe nandao azy ny maro tamin’ny mpianany, fa nisy Jiosy tany Jodia nitady hamono azy, toy ny notadiavin’izy ireo hatao fony izy tany Jerosalema nandritra ny Paska taona 31 am.fan.ir.

Paska taona 32 am.fan.ir. izao. Azo inoana fa, nifanaraka tamin’ny notakin’Andriamanitra ny amin’ny fanatrehana izany, dia niakatra tany Jerosalema i Jesosy. Kanefa nanao izany tamim-pahamalinana izy satria notandindomin-doza ny ainy. Taorian’izay izy dia niverina nankany Galilia.

Tany Kapernaomy angamba i Jesosy rehefa nisy Fariseo sy mpanora-dalàna avy tany Jerosalema nanatona azy. Nitady antony hiampangana azy ho nandika lalàna ara-pivavahana izy ireo. “Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovantsofin’ireo olona tamin’ny andro taloha?”, hoy izy ireo nanontany. “Ohatra, tsy mba manasa tanana izy ireo rehefa hihinan-kanina.” Tsy zavatra notakin’Andriamanitra izany, kanefa noheverin’ireo Fariseo ho fandikan-dalàna lehibe ny tsy fanarahana io fombafomba araka ny lovantsofina io, izay nahafaoka ny fanasan-tanana hatreo amin’ny kiho.

Tsy namaly ny fiampangan’izy ireo i Jesosy, fa nanondro kosa ny fandikan’izy ireo tamim-paharatsiam-panahy sy an-tsitrapo ny Lalàn’Andriamanitra. “Nahoana kosa ianareo no mandika ny didin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo?”, hoy izy ta hahafantatra. “Ohatra, Andriamanitra nanao hoe: ‘Manajà ny rainao sy ny reninao’; ary koa hoe: ‘Izay miteny ratsy ny rainy na ny reniny dia hatao maty tokoa’. Fa hoy kosa ianareo: ‘Na iza na iza hilaza amin’ny rainy na ny reniny hoe: “Izay rehetra ananako ka mety hahazoanao soa avy amiko dia efa fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra”, dia tsy voatery hanaja ny rainy velively’.”

Ny Fariseo tokoa dia nampianatra fa ny vola, ny fananana, na izay rehetra voatokana ho fanomezana ho an’Andriamanitra dia an’ny tempoly ka tsy azo nampiasaina hanaovan-javatra hafa. Kanefa, raha ny marina, dia notazonin’ilay nanokana izany tany aminy ny fanomezana voatokany toy izany. Araka izany fomba izany, ny zanakalahy iray, tamin’ny filazana fotsiny fa “korbana” — fanomezana voatokana ho an’Andriamanitra na ho an’ny tempoly — ny volany na ny fananany, dia afaka niala tamin’ny andraikiny hanampy ny ray aman-dreniny be taona, izay nety ho tao anatin’ny fahasahiranana mafy dia mafy.

Tezitra ara-drariny tamin’ny fanolanan’ny Fariseo tamim-paharatsiam-panahy ny Lalàn’Andriamanitra i Jesosy ka nanao hoe: “Nataonareo tsy nanan-kery ny tenin’Andriamanitra noho ny lovantsofinareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian’i Isaia ny aminareo rehefa nilaza izy hoe: ‘Ity firenena ity manaja ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra ahy aoka izany. Tsy misy vokany ny ivavahan’ireo amiko, satria mampianatra didin’olombelona ho foto-pampianarana izy’.”

Nihemotra angamba ny vahoaka mba hamelana ny Fariseo hanontany an’i Jesosy. Izao, rehefa tsy nanan-kavaly ny fanakianana mafy nataon’i Jesosy taminy ny Fariseo, dia nanasa ny vahoaka hanatona azy izy. “Mihainoa ahy”, hoy izy, “ka fantaro ny heviny. Tsy misy na inona na inona avy eo ivelan’ny olona miditra ao anatiny ka mandoto azy; fa ireo zavatra mivoaka avy ao anatin’ny olona no mandoto azy.”

Tatỳ aoriana, rehefa niditra ny trano iray izy ireo, dia nanontany ireo mpianany hoe: “Fantatrao moa fa tafintohina ny Fariseo raha nahare izay nolazainao?”

“Ny zavamaniry rehetra tsy nambolen’ny Raiko any an-danitra dia hogontana avokoa”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Avelao izy. Mpitarika jamba izy. Koa, raha ny jamba no mitarika ny jamba, dia samy ho latsaka any an-kady izy.”

Toa gaga i Jesosy rehefa niteny tamin’ny anaran’ny mpianatra i Petera ka nangataka fanazavana ny amin’izay mandoto ny olona iray. “Ianareo koa ve mbola tsy mahafantatra ihany?”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Tsy fantatrareo ve fa izay rehetra miditra amin’ny vava dia mandalo ao amin’ny tsinay ka avoaka ao amin’ny fivoahana? Fa ny zavatra mivoaka avy amin’ny vava kosa dia avy amin’ny fo, ary izany zavatra izany dia mandoto ny olona iray. Ohatra, mivoaka avy amin’ny fo ny fanjohian-kevitra ratsy, ny vonoana olona, ny fanitsakitsaham-bady, ny fijangajangana, ny halatra, ny teny vavolombelona diso, ny fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Ireo no zavatra mandoto ny olona iray; fa ny mihinan-kanina amin’ny tanana tsy misasa dia tsy mandoto ny olona iray.”

Tsy hoe tsy nampirisika ny fitandremam-pahasalamana ara-dalàna akory i Jesosy. Tsy nilaza akory izy fa tsy mila ny manasa tanana ny olona iray alohan’ny hanomanany sakafo na hihinanany hanina. Tsia, fa nanameloka kosa izy ny fihatsarambelatsihin’ireo filoha ara-pivavahana izay nanandrana tamin-kafetsen-dratsy ny tsy hanaraka ny lalàna marin’Andriamanitra tamin’ny fanantitranterana ny hanarahana lovantsofina tsy araka ny Soratra masina. Eny, ireo asa ratsy no mandoto ny olona iray, ary nasehon’i Jesosy fa avy amin’ny fon’ny olona iray no iavian’izany. Jaona 7:1; Deoteronomia 16:16; Matio 15:1-20, MN; Marka 7:1-23, MN; Eksodosy 20:12; Ek 21:17; Isaia 29:13.

▪ Fanoherana inona izao no natrehin’i Jesosy?

▪ Fiampangana inona no nataon’ny Fariseo, nefa araka ny nolazain’i Jesosy, tamin’ny ahoana no nandikan’ny Fariseo ny Lalàn’Andriamanitra an-tsitrapo?

▪ Zavatra inona avy no nambaran’i Jesosy fa mandoto ny olona iray?