Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo dia nankany Jerosalema

Ireo dia nankany Jerosalema

Toko 10

Ireo dia nankany Jerosalema

TONGA ny lohataona. Ary tonga ny fotoana hanaovan’ny fianakavian’i Josefa, niaraka tamin’ireo havana aman-tsakaiza, ny dia hankany Jerosalema fanaony isan-taona mba hankalazana ny Paska. Teo am-piaingana hanaovana dia hisy eo amin’ny 100 kilaometatra, dia teo koa ny fahataitairana fahita tamin’izany. Teo amin’ny faha-12 taonany izao i Jesosy, ary niandry tamim-pifaliana sy fahalianana manokana ilay andro firavoravoana.

Ho an’i Jesosy sy ny fianakaviany, dia tsy raharaha indray andro monja ny Paska. Nijanona hanatrika ny Andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira naharitra hafitoana taorian’izany koa izy ireo, satria noraisiny ho anisan’ny vanin-taonan’ny Paska koa izany. Noho izany, ilay dia manontolo avy teo an-tranony tao Nazareta, anisan’izany ny fijanonany tany Jerosalema, dia naharitra teo amin’ny roa herinandro teo ho eo. Tamin’io taona io anefa, noho ny zavatra iray nahakasika an’i Jesosy, dia naharitra ela kokoa izy io.

Niharihary ilay zava-nanahirana teny an-dalana niverina avy tany Jerosalema. Nihevitra i Josefa sy i Maria fa niaraka tamin’ireo havana sy sakaiza niara-nanao dia taminy i Jesosy. Kanefa tsy hita izy rehefa nijanona ho amin’ny alina izy ireo, ka lasa nikaroka azy teo amin’ireo mpiara-dia taminy izy. Tsy hita na taiza na taiza anefa izy. Nanao ny dia niverina nankany Jerosalema indray àry i Josefa sy i Maria mba hitady azy.

Nandritra ny indray andro naninjitra izy ireo dia nikaroka azy foana, fa tsy nisy vokany. Toy izany koa tamin’ny andro faharoa. Rehefa ela ny ela, tamin’ny andro fahatelo, dia nankany amin’ny tempoly izy ireo. Tany, tao amin’ny iray tamin’ireo efitrano, dia hitany i Jesosy nipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra jiosy, nihaino sy nanontany azy.

“Nahoana no nanao toy izany taminay ianao, anaka?”, hoy ny fanontanian’i Maria. “He! izato rainao sy izaho ory saina erỳ nitady anao.”

Gaga i Jesosy noho ny tsy nahafantaran’izy ireo izay tokony hahitana azy. “Nahoana no nitady ahy ianareo?”, hoy izy. “Tsy fantatrareo ve fa tsy maintsy ho eto an-tranon’ny Raiko aho?”

Tsy azon’i Jesosy ny antony tsy nahafantaran-dray aman-dreniny izany. Tamin’izay, dia niara-niverina nody tamin’ny ray aman-dreniny i Jesosy ary nanohy nanoa azy. Nandroso hatrany izy teo amin’ny fahendrena sy teo amin’ny ara-batana ary teo amin’ny fankasitrahan’Andriamanitra sy ny an’ny olona. Eny, hatrany amin’ny fahazazany, i Jesosy dia nanome ohatra tsara dia tsara, tsy teo amin’ny fikatsahana ny zavatra ara-panahy ihany, fa teo amin’ny fanehoana fanajana ny ray aman-dreniny koa. Lioka 2:40-52, MN; 22:7.

▪ Dia tamin’ny lohataona inona no nataon’i Jesosy tsy tapaka niaraka tamin’ny ray aman-dreniny, ary naharitra hafiriana izany?

▪ Inona no nitranga nandritra ilay dia nataon’izy ireo fony i Jesosy 12 taona?

▪ Ohatra inona no nomen’i Jesosy ho an’ny tanora amin’izao andro izao?