Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo fandavana tao amin’ny kianja

Ireo fandavana tao amin’ny kianja

Toko 120

Ireo fandavana tao amin’ny kianja

REHEFA avy nandao an’i Jesosy tao amin’ny zaridainan’i Getsemane sy nandositra tamin-tahotra niaraka tamin’ny sisa tamin’ny apostoly i Petera sy i Jaona, dia niato teny am-pandosirana. Angamba izy ireo nahatratra an’i Jesosy fony izy nentina ho any an-tranon’i Anasy. Rehefa nandefa azy ho any amin’i Kaiafa mpisoronabe i Anasy, dia nanaraka teny lavidavitra teny i Petera sy i Jaona, toa sady natahotra ny hamoy ny ainy manokana no nanahy mafy ny amin’izay hitranga tamin’ny Tompony.

Rehefa tonga tao amin’ny trano fonenana midadasik’i Kaiafa i Jaona dia afaka niditra tao amin’ny kianjany, satria fantatry ny mpisoronabe izy. I Petera anefa tafajanona tany ivelany teo am-baravarana. Kanefa tsy ela i Jaona dia niverina ary niteny tamin’ny mpiandry varavarana, mpanompovavy iray, ka nahazo niditra i Petera.

Izao dia efa nangatsiaka ny andro, ka nanao afon’arina ireo mpanompo sy mpanao raharahan’ny mpisoronabe. Nanatona azy ireo mba hiara-mamindro taminy i Petera teo am-piandrasana ny fiafaran’ny fitsarana an’i Jesosy. Teo, tamin’ny alalan’ny hazavan’ilay afo, dia nandinika kokoa an’i Petera ilay mpiandry varavarana namela azy hiditra. “Ianao koa niaraka tamin’i Jesosy, ilay Galiliana!”, hoy ny fihiakany.

Sosotra noho izy nisy nahafantatra i Petera, ka nanda teo anatrehan’izy rehetra ho tsy nahalala an’i Jesosy na oviana na oviana. “Tsy fantatro izy sady tsy azoko izay lazainao”, hoy izy.

Tamin’izay i Petera dia niala nankeny akaikin’ny vavahady. Teo, dia nisy ankizivavy hafa iray nahita azy ka nilaza toy izao koa tamin’izay nitsangana teo: “Niaraka tamin’i Jesosy avy any Nazareta io lehilahy io.” Nanda indray koa i Petera tamin’ny fianianana hoe: “Tsy fantatro izany lehilahy izany!”

Nijanona tao amin’ilay kianja i Petera, niezaka araka izay azony natao mba tsy ho hita. Angamba tamin’izay izy dia taitra tamin’ny fanenon’ny akoholahy iray tao amin’ny haizin’ny vao mazava ratsy. Nandritra izany fotoana izany, dia nandroso ny fitsarana an’i Jesosy, izay niharihary fa natao tao amin’ny tapany iray tamin’ilay trano izay tao ambonin’ilay kianja. Tsy isalasalana fa nahita ny fivezivezen’ireo vavolombelona samihafa nentina tao mba hitondra ny fanamarinany i Petera sy ireo hafa niandry tao ambany.

Tokony ho adiny iray teo ho eo no lasa hatramin’ny nahafantarana farany an’i Petera ho naman’i Jesosy. Nanatona azy izao ny sasany tamin’izay nijanona teo ka nanao hoe: “Marina tokoa fa naman’ireny ianao, satria, raha ny tena izy, dia miampanga anao ny fomba fiteninao.” Havan’i Malko, ilay notapahin’i Petera ny sofiny, ny iray tamin’io antokon’olona io. “Hitako tao amin’ilay zaridaina niaraka taminy ianao, sa tsy izany?”, hoy izy.

“Tsy fantatro izany Lehilahy izany!”, hoy i Petera nanizingizina mafy. Raha ny marina, dia niezaka izy hampiaiky azy ireo fa diso hevitra izy rehetra tamin’ny fiozonana sy fianianana, izany hoe tamin’ny fiantsoana loza ho an’ny tenany raha tsy nilaza ny marina izy.

Vao nanao io fandavana fanintelony io i Petera, dia nisy akoholahy naneno. Ary tamin’izay fotoana izay i Jesosy, izay toa nivoaka nankeo amin’ny lavarangana iray tao ambonin’ilay kianja, dia nitodika ary nijery azy. Avy hatrany dia tsaroan’i Petera ilay nolazain’i Jesosy ora vitsivitsy monja talohan’izay, tao amin’ilay efitrano ambony rihana nanao hoe: “Alohan’ny hanenoan’ny akoholahy iray indroa, na dia ianao aza dia handa ahy intelo.” Resy tanteraka noho ny havesatry ny fahotana nataony i Petera ka nivoaka tany ivelany ary nitomany fatratra.

Ahoana no netezan’ny fitrangan’izany? Rehefa avy natoky aoka izany ny amin’ny fahatanjahany ara-panahy i Petera, ahoana no nahafahany nanda ny Tompony intelo nisesy haingana? Tsy isalasalana fa nanampoka an’i Petera ny fitrangan’ireo toe-javatra rehetra. Naolana ny fahamarinana, ary naseho ho toy ny mpanao heloka bevava naharikoriko i Jesosy. Izay marina dia naseho ho toa diso ary ny tsy nanan-tsiny ho toy ny meloka. Noho ny faneren’ny zava-nitranga àry dia tsy nisy nampoizin’i Petera izany rehetra izany. Tampoka teo dia nisafotofoto tanteraka ny ninoany momba ny fahatokiana; tsy nahatohitra ny tahotra olona izy ka nitondra alahelo be ho azy izany. Enga anie ka tsy hitranga amintsika na oviana na oviana izany! Matio 26:57, 58, 69-75, MN; Marka 14:30, 53, 54, 66-72, MN; Lioka 22:54-62, MN; Jaona 18:15-18, 25-27, MN.

▪ Ahoana no nahafahan’i Petera sy i Jaona niditra tao amin’ny kianjan’ny tranon’ilay mpisoronabe?

▪ Fony tao amin’ilay kianja i Petera sy i Jaona, inona no nitranga tao an-trano?

▪ Impiry no naneno ny akoholahy iray, ary impiry i Petera no nanda ho tsy nahalala an’i Kristy?

▪ Inona no dikan’ny fiozonan’i Petera sy ny fianianany?

▪ Inona no nahatonga an’i Petera handa ho tsy nahalala an’i Jesosy?