Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.

Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.

Toko 131

Ireo fisehoana farany, sy ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.

NISY fotoana nanaovan’i Jesosy fandaharana hihaonana tamin’ireo apostoliny 11 rehetra teny amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia. Toa nilazana ny amin’io fivoriana io koa ny mpianatra hafa, ary nisy maherin’ny 500 ny fitambaran’ny olona rehetra tafangona tamin’izany. Fivoriambe falifaly toy inona moa izany rehefa niseho i Jesosy ka nanomboka nampianatra azy ireo!

Ankoatra ny zavatra hafa, i Jesosy dia nanazava tamin’ilay vahoaka maro be fa efa nomen’Andriamanitra ny fahefana rehetra any an-danitra sy etỳ an-tany izy. “Koa mandehana àry”, hoy izy nampirisika azy ireo, “ary manaova mpianatra olona avy amin’ny firenena rehetra, ka manaova batisa azy amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny fanahy masina, sady mampianara azy hitandrina izay rehetra nandidiako anareo.”

Eritrereto ange! Na lehilahy, na vehivavy, na ankizy dia samy nahazo io fanendrena iray ihany io mba handray anjara amin’ny asa fanaovana mpianatra. Hisy mpanohitra hanandrana hampijanona ny fitoriana sy fampianarana hataon’izy ireo, nefa nampahery azy toy izao i Jesosy: “Indro! Miaraka aminareo isan’andro aho mandra-pahatongan’ny fifaranan’ny fandehan-javatra.” Hitoetra hiaraka amin’ny mpanara-dia azy amin’ny alalan’ny fanahy masina i Jesosy, mba hanampiana azy hanatanteraka ny fanompoany.

Niseho velona tamin’ireo mpianany nandritra ny 40 andro taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty i Jesosy. Tamin’ireny fisehoany ireny izy dia nampianatra azy ireo momba ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanasongadina ny ho andraikiny tamin’ny naha-mpianatr’i Jesosy azy. Indray mandeha dia niseho tamin’i Jakoba, rahalahiny iray reny taminy, mihitsy aza izy ary nampiaiky an’io tsy nino taloha io fa Izy tokoa no Kristy.

Raha mbola tany Galilia ireo apostoly, dia niharihary fa nanome toromarika azy ireo hiverina tany Jerosalema i Jesosy. Rehefa nihaona tamin’izy ireo tany izy dia nanao taminy hoe: “Aza miala eto Jerosalema, fa aza mitsahatra kosa miandry izay nampanantenain’ny Ray ka efa renareo tamiko; satria nanao batisa tamin’ny rano tokoa i Jaona, fa ianareo kosa hatao batisa amin’ny fanahy masina rehefa afaka andro vitsivitsy.”

Tatỳ aoriana i Jesosy dia nihaona tamin’ireo apostoliny indray ary nitondra azy niala avy ao an-tanàna ka hatreo Betania, teo amin’ny ilany atsinanan’ny Tendrombohitra Oliva. Mahagaga fa, na dia teo aza ireo zavatra rehetra nolazainy momba ny hiaingany tsy ho ela hankany an-danitra, dia mbola nino ihany izy ireo fa haorina eto an-tany ny Fanjakany. Nanontany àry izy ireo hoe: “Tompo ô, amin’izao fotoana izao ve no hamerenanao indray ny fanjakana ho amin’ny Isiraely?”

Tsy nanandrana ny hanitsy ny fiheveran-dison’izy ireo indray i Jesosy fa namaly fotsiny hoe: “Tsy anareo ny hahalala ny fotoana na ny vanin-taona izay nataon’ny Ray teo ambany fahefany ihany.” Avy eo, dia nanantitrantitra indray ny amin’ilay asa tsy maintsy hataon’izy ireo izy ka nanao hoe: “Hahazo hery ianareo rehefa ho tonga eo aminareo ny fanahy masina, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodia sy i Samaria ary hatrany amin’ny faritra lavitra indrindra amin’ny tany ianareo.”

Raha mbola nitazana izy ireo, dia nanomboka niakatra nankany an-danitra i Jesosy, ary tamin’izay dia nisy rahona nanakona azy tsy ho hitan’ny mason’izy ireo. Rehefa avy nampanjavona ny vatany ara-nofo izy, dia niakatra ho any an-danitra tamin’ny naha-persona ara-panahy. Raha nanohy nibanjina ny lanitra izy 11 mirahalahy, dia nisy lehilahy roa nanao akanjo fotsy niseho teo anilan’izy ireo. Nanontany ireo anjely naka vatana ara-nofo ireo ka nanao hoe: “Ry lehilahy galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo? Iny Jesosy izay nalaina taminareo ka noraisina ho any amin’ny lanitra iny dia ho avy amin’ny fomba mitovy amin’ny nahitanareo azy niakatra ho any amin’ny lanitra.”

Ny fomba nandaozan’i Jesosy ny tany dia tsy nisy fitsofana mozika be ampahibemaso ary tsy nisy afa-tsy ireo mpanara-dia azy nahatoky ihany nandinika izany. Hiverina amin’izany fomba izany koa àry izy — tsy hisy fitsofana mozika be ampahibemaso ary tsy hisy afa-tsy ireo mpanara-dia azy mahatoky ihany hahafantatra mazava fa tafaverina izy sady nanomboka ny fanatrehany rehefa nahazo ny fahefana ao amin’ilay Fanjakana.

Nidina ny Tendrombohitra Oliva izao ireo apostoly, namakivaky ny Lohasaha Kidrona ary niditra tao Jerosalema indray. Nitoetra tao izy ireo ho fankatoavana ny baikon’i Jesosy. Folo andro taorian’izay, tamin’ny Pentekosta, andro firavoravoana jiosy, taona 33 am.fan.ir., raha niara-nivory tao amin’ny efitrano ambony rihana iray tao Jerosalema ny mpianatra teo amin’ny 120 teo ho eo, dia nisy feo toy ny an’ny rivotra mahery nifofofofo nanenika tampoka ilay trano. Nisy lela maro nitarehin’afo niseho, ary nisy iray tamin’izany nipetraka tamin’ny tsirairay tamin’ny mpanatrika teo, ka nanomboka niteny tamin’ny fiteny samy hafa avokoa ireo mpianatra. Izany no ilay fandatsahana ny fanahy masina nampanantenain’i Jesosy! Matio 28:16-20, MN; Lioka 24:49-52, MN; 1 Korintiana 15:5-7; Asan’ny apostoly As 1:3-15, MN; As 2:1-4, MN.

▪ Iza no nomen’i Jesosy toromarika talohan’ny nandehanany, teo amin’ny tendrombohitra iray tany Galilia, ary inona avy izany toromarika izany?

▪ Fampaherezana inona no nomen’i Jesosy ny mpianany, ary amin’ny fomba ahoana no hitoerany hiaraka amin’izy ireo?

▪ Nandritra ny hafiriana taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty i Jesosy no niseho tamin’ireo mpianany, ary inona no nampianariny azy ireo?

▪ Tamin’ny olona iza, izay niharihary fa tsy mpianatra talohan’ny nahafatesan’i Jesosy, no nisehoan’i Jesosy?

▪ Fivoriana farany roa inona no nataon’i Jesosy niaraka tamin’ireo apostoliny, ary inona no nitranga tamin’ireo fotoana ireo?

▪ Amin’ny ahoana no hiverenan’i Jesosy amin’ny fomba mitovy amin’ny niaingany?

▪ Inona no nitranga tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir.?