Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo fisehoana hafa koa

Ireo fisehoana hafa koa

Toko 129

Ireo fisehoana hafa koa

MBOLA ketraka ireo mpianatra. Tsy azony ny hevitr’ilay fasana foana, sady tsy nino ny filazan’ireo vehivavy izy. Tatỳ aoriana kokoa tamin’io alahady io àry, dia nandao an’i Jerosalema ho any Emaosy, tany amin’ny 11 kilaometatra avy teo, i Kleopasy sy ny mpianatra hafa iray.

Teny an-dalana, raha niresaka ny amin’ireo zava-niseho tamin’io andro io izy ireo, dia nisy olona tsy fantany iray niray dia taminy. “Ahoana izao zavatra resahinareo etỳ am-pandehanana izao?”, hoy izy nanontany.

Nijanona ireo mpianatra, ny endriny nalahelo mafy, ary namaly i Kleopasy hoe: “Vahiny mitoetra irery ao Jerosalema angaha ianao no tsy mba mahalala izay zavatra nitranga tao tato ho ato?” “Zavatra inona?”, hoy ny fanontaniany.

“Ny zavatra momba an’i Jesosy avy any Nazareta”, hoy ny navalin’izy ireo. “Natolotry ny lohan’ny mpisorona sy ny mpanapaka eto amintsika ho amin’ny fanamelohana ho faty izy ary nohomboany. Nefa nantenainay fa iny lehilahy iny no ilay natao hanavotra ny Isiraely.”

Nanazava ireo zava-niseho nahavaky vava tamin’io andro io — ny filazana ny amin’ny fahitana ireo anjely tsy takatry ny sain’olombelona sy ny amin’ilay fasana foana — i Kleopasy sy ilay namany, nefa avy eo dia nitsotra fa nahavery hevitra azy ny dikan’izany zavatra izany. Nananatra azy ireo mafy toy izao ilay olona tsy fantany: “Ry adala sy votsa fo ka tsy mino izay rehetra nolazain’ny mpaminany! Tsy tokony ho niaritra izany ve i Kristy ka hiditra any amin’ny voninahiny?” Dia nanambara taminy ny hevitry ny andalan-tsoratra ao amin’ny soratra masina izay nilaza momba an’i Kristy izy.

Tamin’ny farany dia tonga teo akaikin’i Emaosy izy ireo, ary niseho ho toy ny hanohy ny diany ilay olona tsy fantany. Naniry ny hahare nisinisy kokoa ireo mpianatra ka nangataka azy mafy hoe: “Mijanòna eto aminay, fa efa ho hariva ny andro.” Nijanona hisakafo àry izy. Raha nanonona vavaka sy namaky ny mofo ka nanolotra izany azy ireo izy, dia fantatr’izy ireo fa hay i Jesosy naka vatan’olombelona izy io. Avy eo anefa dia nanjavona tsy hita izy.

Takatr’izy ireo tamin’izay hoe nahoana no nahafanta-javatra aoka izany ilay olona tsy fantany! “Tsy nirehidrehitra ve ny fontsika”, hoy izy ireo nifanontany, “raha niresaka tamintsika teny an-dalana izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra masina tamintsika?” Tsy nangataka andro izy ireo, fa nitsangana ka niverina haingana hatrany Jerosalema ary nahita ireo apostoly mbamin’izay niara-nivory taminy tao. Talohan’ny nahafahan’i Kleopasy sy ilay namany hiloa-bava, dia nilaza tamim-pahataitairana be ireo hafa hoe: “Natsangana marina tokoa ny Tompo ary niseho tamin’i Simona!” Avy eo dia nitantara izy mirahalahy fa niseho taminy koa i Jesosy. Inefatra tamin’izay no nisehoany tamin’ny mpianany samy hafa tao anatin’io andro io.

Niseho tampoka fanindiminy i Jesosy. Na dia nihidy lakile aza ireo varavarana satria natahotra ny Jiosy ny mpianatra, dia niditra izy, nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana.” Tora-kovitra izy ireo satria nihevitra fa nahita fanahy (esprit). Nanazava àry i Jesosy fa tsy matoatoa akory izy ka nanao hoe: “Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no feno fisalasalana ny fonareo? Jereo ny tanako sy ny tongotro, fa tena izaho mihitsy izao; tsapao aho ka jereo, fa ny fanahy (esprit) tsy mba manana nofo sy taolana tsy misy hafa amin’izao ahitanareo ahy izao.” Na izany aza, dia tsy nety nino izy ireo.

Mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa tena i Jesosy tokoa izy, dia hoy izy nanontany: “Misy azo hohanina ve ato aminareo?” Rehefa avy nandray hazandrano voatono sy nihinana izany izy, dia nilaza hoe: “Izao no teniko izay nolazaiko taminareo, fony mbola teo aminareo aho [talohan’ny nahafatesako], fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra nosoratana momba ahy tao amin’ny lalàn’i Mosesy sy ny mpaminany ary ny Salamo.”

Raha nanohy izay azo lazaina fa fampianarana Baiboly, raha ny tena izy, i Jesosy dia nampianatra hoe: “Izany no voasoratra, fa hijaly i Kristy ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo, ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra — manomboka eto Jerosalema, ary ianareo no ho vavolombelon’izany zavatra izany.”

Nisy antony tsy naha-teo an’i Tomasy tamin’io fivoriana lehibe dia lehibe tamin’ny alahady hariva io. Nandritra ireo andro nanaraka àry, dia nitantara taminy tamim-pifaliana ny hafa nanao hoe: “Nahita ny Tompo izahay!”

“Raha tsy hitako eo amin’ny tanany ny marika nisy ireo fantsika”, hoy i Tomasy nanohitra, “ka ataoko eo amin’ny marika nisy ireo fantsika ny rantsantanako ary ataoko eo amin’ny lanivoany koa ny tanako, dia tsy hino mihitsy aho.”

Nony afaka havaloana, dia niara-nivory tao an-trano indray ny mpianatra. Tamin’ity indray mandeha ity, dia teo koa i Tomasy. Na dia nihidy lakile aza ireo varavarana, dia nitsangana teo afovoany indray i Jesosy ka nanao hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana.” Avy eo, dia nitodika tany amin’i Tomasy izy ka nanasa azy toy izao: “Atehefo eto ny rantsantananao, ka jereo ny tanako, ary atehefo koa ny tananao ka ataovy amin’ny lanivoako, ary aza tsy mino intsony.”

“Tompoko sy Andriamanitro!”, hoy i Tomasy nihiaka.

“Satria nahita ahy ve ianao dia mino?”, hoy i Jesosy nanontany. “Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.” Lioka 24:11, 13-48, MN; Jaona 20:19-29, MN.

▪ Inona avy no nanontanian’ilay olona tsy fantatr’ireo mpianatra roa taminy teny an-dalana ho any Emaosy?

▪ Inona no nolazain’ilay olona tsy fantany taminy ka nampirehidrehitra ny fon’ireo mpianatra?

▪ Ahoana no nahafantaran’ireo mpianatra mazava fa i Jesosy ilay olona tsy fantany io?

▪ Rehefa niverina tany Jerosalema i Kleopasy sy ilay namany, fitantarana nampientana inona no reny?

▪ Nanao ahoana ny fisehoan’i Jesosy fanindiminy tamin’ireo mpianany, ary inona no nitranga tamin’izany?

▪ Inona no nitranga valo andro taorian’ny nisehoan’i Jesosy fanindiminy, ary ahoana no naneken’i Tomasy tamin’ny farany fa velona i Jesosy?