Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo mofo sy ny masirasira

Ireo mofo sy ny masirasira

Toko 58

Ireo mofo sy ny masirasira

NISY vahoaka betsaka nirohotra nankany amin’i Jesosy tany Dekapolisy. Maro no nandeha lavitra be mba ho tonga teto amin’ity faritra nonenan’ny Jentilisa maro ity mba hihainoana azy sy hositranina tamin’ny kilemany. Nitondra harona lehibe, na sobika nisarona, fitondrany ny vatsiny rehefa namakivaky faritra jentilisa izy ireo.

Tamin’ny farany anefa dia niantso ny mpianany i Jesosy ka nanao hoe: “Mahonena ahy ny vahoaka, fa hateloana izay no nitoerany tatỳ amiko ary tsy manan-kohanina izy; koa raha hampodiko ho any an-tranony tsy nisakafo izy ireo, dia ho reraka eny an-dalana. Avy any lavitra be tokoa ny sasany.”

“Aiza no hahazoana mofo atỳ amin’ny toerana mitokana atỳ mba hahafa-po ireto olona ireto?”, hoy ny fanontanian’ny mpianatra.

Nanontany i Jesosy hoe: “Misy mofo firy any aminareo?”

“Fito”, hoy ny navaliny, “sy hazandrano madinika vitsivitsy.”

Nanome toromarika ny olona mba handry ilika teo amin’ny tany i Jesosy, naka ireo mofo sy hazandrano, nivavaka tamin’Andriamanitra ka nanapaka azy ireo ary nanomboka nanome azy ireo ho an’ny mpianany. Ireo kosa dia nanolotra izany ho an’ny olona, izay nihinana ka voky avokoa. Taorian’izay, rehefa nangonina ireo ambiny tsy lany, dia nahafeno harona fitondrana vatsy fito, na dia nisy lehilahy teo amin’ny 4 000 teo ho eo, ary koa vehivavy sy ankizy, aza nihinana!

Nandefa ireo vahoaka i Jesosy, niondrana an-tsambo niaraka tamin’ny mpianany ary nita ny Ranomasin’i Galilia mba ho eny amin’ny morony andrefana. Teto, ny Fariseo, izay niaraka tamin’ny mpikambana sasany tamin’ny antokom-pivavahan’ny Sadoseo tamin’ity indray mandeha ity, dia nanandrana ny haka fanahy an’i Jesosy tamin’ny fangatahana azy mba hampiseho famantarana iray avy any an-danitra.

Fantatr’i Jesosy ny fiezahan’izy ireo haka fanahy azy, ka namaly izy hoe: “Rehefa hariva ny andro, dia zatra ny milaza ianareo hoe: ‘Ho tsara ny andro, satria mena toy ny afo ny lanitra’; ary rehefa maraina, dia hoe: ‘Ho toy ny ririnina sy ho avy orana ny andro anio, satria mena toy ny afo ny lanitra, nefa manjombona’. Hainareo ny mamantatra ny tarehin’ny lanitra, nefa ny famantarana ny fotoana dia tsy hainareo.”

Tamin’izay, dia niantso azy ireo hoe taranaka ratsy fanahy sy mpijangajanga i Jesosy ary nampitandrina azy ireo, toy ny nolazainy tamin’ireo Fariseo teo aloha, fa tsy hisy famantarana homena azy ireo afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona. Nandeha izy sy ny mpianany ka niditra tao amin’ny sambo iray ary nankany Betsaida teny amin’ny morony atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia. Teny an-dalana, dia nahatsikaritra ny mpianatra fa hadinony ny nitondra mofo, satria tsy nisy afa-tsy mofo iray monja teo aminy.

Mbola tao an-tsain’i Jesosy ny fifanatrehany vao haingana tamin’ireo Fariseo sy ireo Sadoseo mpanohana an’i Heroda, ka nanome izao fananarana izao izy: “Ahirato tsara ny masonareo, tandremo ny masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.” Miharihary fa ny firesahana ny amin’ny masirasira dia nahatonga ny mpianatra hieritreritra fa niresaka ny amin’ny nanadinoan’izy ireo ny nitondra mofo i Jesosy, hany ka nanomboka nifanditra momba izany izy ireo. Nahamarika ny tsy fahazoan’izy ireo resaka i Jesosy ka nanao hoe: “Nahoana ianareo no mifanditra ny amin’ny tsy fisian’ny mofo?”

Vao haingana, dia nanome mofo ho an’ny olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy, ary nanao io fahagagana farany io, angamba iray na roa andro monja talohan’izay. Tokony ho fantatr’izy ireo fa tsy nanahy ny amin’ny tsy fisian’ny mofo tamin’ny heviny ara-bakiteny izy. “Tsy tadidinareo ve”, hoy izy nampahatsiahy azy ireo, “rehefa namaky ireo mofo dimy ho an’ireo lehilahy dimy arivo aho, harona feno sombintsombiny firy no noraisinareo?”

“Roa ambin’ny folo”, hoy ny navalin’izy ireo.

“Rehefa namaky ireo mofo fito ho an’ireo lehilahy efatra arivo aho, harona fitondrana vatsy feno sombintsombiny firy no noraisinareo?”

“Fito”, hoy izy ireo namaly azy.

“Mbola tsy azonareo ihany ve ny hevitr’izany?”, hoy i Jesosy nanontany. “Ahoana no tsy ahafantaranareo fa tsy niresaka taminareo momba ireo mofo aho? Fa tandremo ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo.”

Azon’ireo mpianatra ihany tamin’ny farany ny tiany haseho. Ny masirasira, zavatra miteraka famorivoriana sy mampitombo ny koba fanaova-mofo, dia teny fampiasa mba hanondroana fahasimbana. Koa takatr’ireo mpianatra àry izao fa nampiasa fanoharana i Jesosy ary nampitandrina azy ireo tamin’ny “fampianaran’ny Fariseo sy ny Sadoseo”, fampianarana izay niteraka vokany nanimba. Marka 8:1-21, MN; Matio 15:31Mt 16:12, MN.

▪ Nahoana no nitondra harona lehibe fitondrana vatsy ny olona?

▪ Rehefa avy nandao an’i Dekapolisy i Jesosy, dia nanao dia an-tsambo ho aiza?

▪ Tsy fahazoan-dresaka inona ny amin’ny fanazavana nataon’i Jesosy momba ny masirasira no hita teo amin’ny mpianatra?

▪ Inona no tian’i Jesosy holazaina tamin’ilay fitenenana hoe “ny masirasiran’ny Fariseo sy ny Sadoseo”?