Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany

Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany

Toko 14

Ireo mpianatr’i Jesosy voalohany

TAORIAN’NY efapolo andro naha-tany an’efitra azy, dia niverina nankany amin’i Jaona, ilay nanao batisa azy, i Jesosy. Raha nanatona azy izy, dia toa nanondro azy i Jaona ary nihiaka hoe: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao! Izy ilay nolazaiko hoe: Misy lehilahy avy ao aoriako izay efa nandroso teo alohako, satria efa nisy talohako izy.” Na dia zokin’i Jesosy, zanak’olo-mpiraitampo taminy, aza i Jaona, dia fantatr’i Jaona fa efa nisy talohany tamin’ny naha-persona ara-panahy tany an-danitra azy i Jesosy.

Kanefa, herinandro vitsivitsy talohan’izay, rehefa tonga mba hatao batisa i Jesosy, dia toa tsy azon’i Jaona antoka raha ho ilay Mesia tokoa i Jesosy. “Ary izaho aza tsy nahalala azy”, hoy ny fieken’i Jaona, “fa ny antony nahatongavako hanao batisa amin’ny rano dia mba haseho amin’ny Isiraely izy.”

Nanohy nanazava tamin’ny mpihaino azy izay nitranga tamin’ny nanaovany batisa an’i Jesosy toy izao i Jaona: “Izaho nahita ny fanahy nidina avy tany an-danitra tahaka ny voromailala ka nitoetra teo amboniny. Ary izaho aza tsy nahalala azy, fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: ‘Izay ho hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia izy no manao batisa amin’ny fanahy masina’. Ary nahita aho, ka dia nanambara fa izy no Zanak’Andriamanitra.”

Ny ampitson’iny, dia nitsangana teo i Jaona niaraka tamin’ny anankiroa tamin’ny mpianany. Teo indray koa, raha nanatona i Jesosy, dia hoy izy: “Indro ny Zanak’ondrin’Andriamanitra!” Tamin’izay, dia nanaraka an’i Jesosy ireo mpianatr’i Jaona Mpanao batisa roa ireo. Ny iray dia i Andrea, ary ilay faharoa dia miharihary fa ilay nitantara ireo zavatra ireo mihitsy, ka nantsoina hoe Jaona koa. Io Jaona io, araka ny fanazavana omena antsika, dia zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy koa, satria toa zanak’i Salome, rahavavin’i Maria.

Rehefa nitodika i Jesosy ka nahita an’i Andrea sy i Jaona nanaraka azy, dia nanontany azy hoe: “Inona no tadiavinareo?”

“Raby ô”, hoy izy ireo nanontany azy, “aiza ianao no mitoetra?”

“Avia, fa ho hitanareo”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Tokony ho tamin’ny efatra ora tolakandro tamin’izay, ary nijanona niaraka tamin’i Jesosy i Andrea sy i Jaona nandritra ny tapany sisa tamin’io andro io. Taorian’izay, dia feno hafanam-po aoka izany i Andrea ka dodona nitady ny rahalahiny, izay nantsoina hoe Petera. “Efa nahita ny Mesia izahay”, hoy izy taminy. Ary dia nentiny tany amin’i Jesosy i Petera. Angamba koa i Jaona lasa nitady an’i Jakoba rahalahiny tao anatin’izany fotoana izany ka nitondra azy teo amin’i Jesosy; tsy nampiditra io fanazavana momba ny tenany io tao amin’ny Filazantsarany anefa i Jaona, fanao izay nampiavaka azy tsara.

Ny ampitson’iny, dia nahita an’i Filipo, izay avy tany Betsaida, tanàna niavian’i Andrea sy i Petera koa, i Jesosy. Nanasa azy toy izao izy: “Tongava mpanara-dia ahy.”

Nitady an’i Natanaela, izay nantsoina koa hoe Bartolomeo, àry i Filipo, ka nanao taminy hoe: “Efa hitanay ilay nosoratan’i Mosesy tao amin’ny Lalàna, sy nosoratan’ny mpaminany, dia i Jesosy, zanak’i Josefa, avy any Nazareta.” Tsy nino i Natanaela. “Mba misy zava-tsoa ve avy any Nazareta?”, hoy izy nanontany.

“Avia dia zahao”, hoy i Filipo nampirisika azy. Rehefa nanatona an’i Jesosy izy ireo, dia hoy i Jesosy momba an’i Natanaela: “Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.”

“Ahoana no ahafantaranao ahy?”, hoy i Natanaela nanontany.

“Fony tsy mbola niantso anao i Filipo, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Talanjona i Natanaela. “Raby [izay midika hoe Mpampianatra] ô, ianao no Zanak’Andriamanitra, ianao no Mpanjakan’ny Isiraely”, hoy izy.

“Ny nilazako taminao fa hitako teo ambanin’ny aviavy ve no inoanao?”, hoy i Jesosy nanontany. “Hahita zavatra mbola lehibe noho izany ianao.” Avy eo izy dia nilaza izao fampanantenana izao: “Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona.”

Taoriana kelin’izay, dia nandao ny lohasahan’i Jordana i Jesosy sy ireo mpianany vao azony, ka nankany Galilia. Jaona 1:29-51, MN.

▪ Iza avy moa ireo mpianatr’i Jesosy voalohany?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nampahafantarana tamin’i Jesosy an’i Petera, sy i Jakoba koa angamba?

▪ Inona no nampiaiky an’i Natanaela fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy?