Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo mpiasa ao an-tanimboaloboka

Ireo mpiasa ao an-tanimboaloboka

Toko 97

Ireo mpiasa ao an-tanimboaloboka

“HO FARANY ny maro izay voalohany”, hoy ny vao avy nolazain’i Jesosy, “ary ho voalohany ny farany.” Izao izy dia nanazava izany tamin’ny filazana tantara iray. “Ny fanjakan’ny lanitra”, hoy izy nanomboka ny teniny, “dia tahaka ny lehilahy tompon-trano iray, izay nivoaka maraina koa hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.”

Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Ary rehefa nifaneken’[ilay tompon-trano] tamin’ny mpiasa fa ho denaria iray isan’andro ny karaman’izy ireo, dia nirahiny nankany amin’ny tanimboalobony izy ireo. Nivoaka tamin’ny ora fahatelo izy ka nahita olon-kafa nitoetra tsy nanan-katao teo an-tsena; dia hoy izy taminy: ‘Ianareo koa, mandehana any an-tanimboaloboka, ary izay araka ny rariny dia homeko anareo’. Ka dia lasa ireo. Ary nivoaka indray izy tokony ho tamin’ny ora fahenina sy fahasivy ka nanao toy izany koa. Farany, rehefa tokony ho tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nivoaka izy ka nahita olon-kafa nitoetra teo, ary hoy izy tamin’izy ireo: ‘Nahoana ianareo no nitoetra tsy nanan-katao teto iray andro maninjitra?’ Hoy izy ireo taminy: ‘Satria tsy nisy olona nanakarama anay’. Hoy izy tamin’izy ireo: ‘Ianareo koa mandehana any an-tanimboaloboka.”

Ilay tompon-trano, na koa hoe ny tompon’ilay tanimboaloboka, dia i Jehovah Andriamanitra, ary ny tanimboaloboka dia ny firenen’ny Isiraely. Ireo mpiasa nirahina ho any an-tanimboalobaka dia olona tafiditra tao amin’ny faneken’ny Lalàna; ireo Jiosy niara-belona tamin’ireo apostoly indrindra izany. Tamin’ireo mpiasa noraisina hiasa manontolo andro ihany no nanaovana fifanekena teo amin’ny karama. Denaria iray ny karama iray andro. Koa satria ny “ora fahatelo” nifanandrify tamin’ny 9 ora maraina, ireo voantso tamin’ny ora fahatelo, fahenina, fahasivy ary fahiraika ambin’ny folo àry dia tsy niasa afa-tsy adiny 9, adiny 6, adiny 3 ary adiny iray.

Ireo mpiasa izay niasa nandritra ny 12 ora, izany hoe nandritra ny andro manontolo, dia nampiseho ireo filoha jiosy izay nanan-katao foana teo amin’ny fanompoana ara-pivavahana. Izy ireo dia tsy nitovy tamin’ny mpianatr’i Jesosy izay, nandritra ny tapany lehibe tamin’ny fiainany, dia nanao ny asa fanjonoana na asa tsy ara-pivavahana hafa. Tsy naniraka an’i Jesosy Kristy mba hanangona ka hanao azy ireo ho mpianany ilay “tompon-trano” raha tsy tamin’ny fararanon’ny taona 29 am.fan.ir. Araka izany, dia tonga “ny farany”, na ny mpiasa nirahina hiasa tany an-tanimboaloboka tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, izy ireo.

Farany, dia nifarana tamin’ny nahafatesan’i Jesosy ilay andro fiasana ara-panoharana, ary tonga ny fotoana hanomezana ny karaman’ny mpiasa. Narahina ny fitsipika tsy nahazatra nanomezana ny karaman’ilay farany aloha, araka ny nohazavaina toy izao: “Ary rehefa hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka tamin’ny mpitandrina ny raharahany: ‘Antsoy ny mpiasa, ary aloavy ny karamany, ka atombohy amin’ireo farany ka mankany amin’ireo voalohany’. Ary rehefa tonga ireo nokaramaina tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo, dia nahazo denaria iray avy izy. Koa, rehefa tonga ireo voalohany, dia nanatsoaka hevitra fa hahazo mihoatra; kanjo samy denaria iray avy koa no karama azony. Ary rehefa nahazo izany izy, dia nimonomonona tamin’ilay tompon-trano ka nanao hoe: ‘Ireo farany ireo dia niasa ora iray monja; kanefa nataonao nitovy taminay, izay niaritra ny asa mafy nandritra ny andro sy ny hafanana nahamay!’ Fa izy namaly ka nanao tamin’ny anankiray tamin’izy ireo hoe: ‘Ry sakaiza, tsy mba manao izay tsy mety aminao aho. Nifanaiky tamiko ianao fa ho denaria iray ny karama, sa tsy izany? Raiso ny anao, ka mandehana. Tiako homena mitovy amin’ny anao koa ilay farany. Tsy araka ny lalàna ve ny hanaovako izay tiako amin’izay zavatra ahy? Sa ny masonao no ratsy satria tsara aho?’ ” Ho famaranan-teny, dia namerina izay efa nasehony mazava teo aloha i Jesosy: “Amin’izany fomba izany, ny farany dia ho voalohany, ary ny voalohany ho farany.”

Ny fandraisana ny denaria dia nitranga, tsy tamin’ny fahafatesan’i Jesosy, fa tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir., rehefa nandatsaka ny Fanahy Masina tamin’ny mpianany i Kristy, ilay “mpitandrina ny raharaha”. Ireo mpianatr’i Jesosy ireo dia nitovy tamin’ireo “farany”, na ireo mpiasa nirahina hiasa tamin’ny ora fahiraika ambin’ny folo. Tsy nampiseho ny fanomezana ny fanahy masina akory ilay denaria, fa zavatra izay natao hampiasain’ireo mpianatra teto an-tany. Zavatra izay nahafahany nivelona, hahazoany ny fiainany mandrakizay, no dikan’izy io. Izany dia ny tombontsoa ho tonga Isiraelita ara-panahy, voahosotra mba hitory ny Fanjakan’Andriamanitra.

Tsy ela dia nahamarika ireo izay noraisana hiasa voalohany fa nomena ny karamany ny mpianatr’i Jesosy, ary hitany izy ireo nampiasa ilay denaria ara-panoharana. Nefa naniry mihoatra noho ny fanahy masina sy ny tombontsoa mifandray amin’ilay Fanjakana avy amin’izany, izy ireo. Ny fimonomononany sy ny fanoherany dia naka endrika fanenjehana ireo mpianatr’i Kristy, ireo mpiasa “farany” tao an-tanimboaloboka.

Tsy nahita afa-tsy io fahatanterahana tamin’ny taonjato voalohany io ve ny fanoharan’i Jesosy? Tsia, ny klerjy ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, amin’izao taonjato faha-20 izao, noho ny toerany sy ny andraikiny, dia ny “voalohany” noraisina hiasa tao an-tanimboalobok’Andriamanitra ara-panoharana. Izy ireo dia nihevitra ireo mpitory nanolo-tena izay niara-niasa tamin’ny Watch Tower Bible and Tract Society ho ny “farany” hahazo asa fanirahana azo ekena eo amin’ny fanompoana an’Andriamanitra. Nefa, raha ny marina, ireo nohamavoin’ny klerjy ireo indrindra no nahazo ilay denaria — ny voninahitra hanompo amin’ny maha-ambasadaoro voahosotra ho an’ilay Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra. Matio 19:30 ka hatramin’ny 20:16, MN.

▪ Inona no asehon’ilay tanimboaloboka? Iza no asehon’ilay tompon’ny tanimboaloboka, ireo mpiasa niasa nandritra ny 12 ora ary ireo niasa nandritra ny adiny iray?

▪ Oviana no nifarana ilay andro fiasana ara-panoharana, ary oviana no naloa ny karama?

▪ Inona no asehon’ny fandoavana ilay denaria?