Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ireo valan’ondry sy ny Mpiandry ondry

Ireo valan’ondry sy ny Mpiandry ondry

Toko 80

Ireo valan’ondry sy ny Mpiandry ondry

TONGA tao Jerosalema tamin’ny Andro Firavoravoana Fitokanana, na Hanukkah, andro firavoravoana izay nankalazana ny nitokanana ny tempoly ho an’i Jehovah indray, i Jesosy. Tamin’ny 168 al.fan.ir., tokony ho 200 taona talohan’izay, dia naka an’i Jerosalema i Antiochus IV Epiphane ka nandoto ny tempoly sy ny alitara. Kanefa, telo taona tatỳ aoriana, dia nalain’ny Jiosy indray i Jerosalema ary nitokanana indray ny tempoly. Taorian’izay, dia nisy fankalazana ny fitokanana indray natao isan-taona.

Nankalazaina ny faha-25 Kisleo, dia ny volana jiosy mifanitsy amin’ny tapany farany amin’ny Novambra sy ny tapany voalohany amin’ny Desambra amin’ny fitadidianandrontsika amin’izao fotoana izao, io Andro Firavoravoan’ny Fitokanana io. Araka izany, dia mahery kelin’ny 100 andro sisa no tavela mandra-pahatongan’ny andro lehibe dia lehiben’ny Paska taona 33 am.fan.ir. Satria vanin-taonan’ny andro nangatsiaka tamin’izay, ny apostoly Jaona dia niantso azy io hoe “ririnina”.

Izao i Jesosy dia nampiasa fanoharana iray izay niresahany ny amin’ny vala telo sy ny anjara asa raisiny amin’ny maha-Mpiandry ondry tsara dia tsara azy. Ny valan’ondry voalohany noresahiny dia nampahafantarina fa nifandray tamin’ny fandaharana ny amin’ny faneken’ny Lalàn’i Mosesy. Toy ny fefy nampisaraka ny Jiosy tamin’ny fanao nanimban’ireo olona tsy tao anatin’io fanekena manokana tamin’Andriamanitra io ilay Lalàna. Nanazava toy izao i Jesosy: “Milaza aminareo marina dia marina tokoa aho: Izay tsy miditra ny valan’ondry amin’ny varavarana fa mananika amin’ny toeran-kafa, dia mpangalatra sy mpandroba. Fa izay miditra amin’ny varavarana kosa dia mpiandry ny ondry.”

Nisy olon-kafa tonga ary nihambo ho ny Mesia, na Kristy, nefa izy ireo tsy ilay tena mpiandry marina noresahin’i Jesosy raha nanohy ny teniny toy izao izy: “Mamoha ny varavarana ho azy ny mpiandry varavarana, ary mihaino ny feony ny ondry, sady miantso ny ondriny amin’ny anarany avy izy ka mitarika azy ireo. (...) Ny olona tsy fantany dia tsy harahiny mihitsy fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ireo olon-tsy fantatra.”

Ny “mpiandry varavarana” tamin’ilay valan’ondry voalohany dia i Jaona Mpanao batisa. Tamin’ny naha-mpiandry varavarana azy, i Jaona dia ‘namoha ny varavarana’ ho an’i Jesosy tamin’ny fampahafantarana azy tamin’ireo ondry ara-panoharana izay hoentiny hivoaka hiraoka ahitra. Ireo ondry nantsoin’i Jesosy tamin’ny anarany avy ireo ka nentiny nivoaka dia horaisina ao amin’ny valan’ondry hafa iray amin’ny farany, araka ny nohazavainy toy izao: “Milaza aminareo marina dia marina tokoa aho: Izaho no vavahadin’ireo ondry”, izany hoe, ny varavaran’ny valan’ondry vaovao iray. Rehefa nanorina ny fanekena vaovao niaraka tamin’ny mpianany i Jesosy ka nandatsaka avy tany an-danitra ny fanahy masina teo aminy ny Pentekosta nanaraka, dia nampidirina tao amin’io valan’ondry vaovao io izy ireo.

Nanohy nanazava ny anjara asa raisiny i Jesosy ka nilaza hoe: “Izaho no varavarana; na iza na iza miditra amin’ny alalako dia hovonjena, ary hiditra sy hivoaka izy sady hahita ahitra. (...) Avy aho mba hananan’izy ireo fiainana, sady hananany izany be dia be. (...) Izaho no mpiandry tsara dia tsara, ary mahafantatra ny ondriko aho ary ny ondriko mahafantatra ahy, toy ny ahafantaran’ny Ray ahy sy ahafantarako ny Ray; ary izaho manolotra ny aiko ho an’ny ondriko.”

Vao haingana, i Jesosy dia nampionona ny mpanara-dia azy tamin’ny filazana hoe: “Aza matahotra, ry andian’ondry vitsy, satria efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana.” Io andian’ondry vitsy io, izay niisa ho 144 000 tamin’ny farany, dia niditra tao amin’io valan’ondry vaovao na faharoa io. Nanohy ny teniny anefa i Jesosy ka nanamarika hoe: “Manana ondry hafa izay tsy amin’ity vala ity aho; ireo koa dia tsy maintsy hoentiko, ary hihaino ny feoko izy, ka ho tonga andiany iray izy, ary ho iray ihany ny mpiandry ondry.”

Koa satria tsy ao “amin’ity vala ity” ireo “ondry hafa”, dia tsy maintsy anisan’ny vala hafa, dia vala fahatelo, izy ireo. Ireo vala, na fefy misy ondry, roa farany ireo dia samy hafa fiafarana. Ny “andian’ondry vitsy” ao amin’ny vala iray dia hiara-manjaka amin’i Kristy any an-danitra, ary ny “ondry hafa” ao amin’ny vala hafa iray dia hiaina eto amin’ny tany ho tonga paradisa. Kanefa, na dia ao amin’ny vala roa samy hafa aza ireo ondry, dia tsy mifampialona na mihevitra fa iharan’ny fanavakavahana, satria, araka ny nolazain’i Jesosy, dia “tonga andiany iray” eo ambany fitarihan’ny ‘mpiandry ondry iray ihany’ izy ireo.

Vonona ny hanolotra ny ainy ho an’ireo ondry ao amin’ny vala roa ireo ilay Mpiandry tsara dia tsara, dia i Jesosy Kristy. “Manolotra azy noho ny fanapahan-kevitro manokana aho”, hoy izy. “Manana fahefana hanolotra azy aho, ary manana fahefana handray azy indray. Ny didy momba izany dia noraisiko avy tamin’ny Raiko.” Rehefa niteny izany i Jesosy, dia niteraka fisarahana teo amin’ireo Jiosy izany.

Nisy olona maro tamin’ny vahoaka niteny hoe: “Manana demonia izy sady very saina. Nahoana ianareo no mihaino azy?” Ny hafa anefa namaly hoe: “Tsy mba tenin’ny olona azon’ny demonia izany.” Avy eo, dia niharihary fa nanisy firesahana ny amin’ny nanasitranany ilay lehilahy teraka jamba, roa volana talohan’izay, izy ireo ka nanampy teny toy izao: “Tsy afaka mampahiratra ny mason’ny olona jamba ny demonia, sa tsy izany?” Jaona 10:1-22, MN; Jn 9:1-7; Lioka 12:32, MN; Apokalypsy 14:1, 3; Ap 21:3, 4; Salamo 37:29.

▪ Inona moa ny Andro Firavoravoana Fitokanana, ary oviana no nankalazana azy io?

▪ Inona ilay valan’ondry voalohany, ary iza no mpiandry varavarana teo aminy?

▪ Ahoana no namohan’ilay mpiandry varavarana izany ho an’ilay Mpiandry ondry, ary taiza no nandraisana ny ondry taorian’izany?

▪ Iza avy no mahaforona ireo vala roa an’ilay Mpiandry tsara dia tsara, ary tonga andiany firy izy ireo?