Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Iza marina tokoa moa i Jesosy?

Iza marina tokoa moa i Jesosy?

Toko 59

Iza marina tokoa moa i Jesosy?

REHEFA tody tao Betsaida ny sambo nitondra an’i Jesosy sy ny mpianany, dia nitondra jamba iray teo aminy ny olona ary nitalaho mafy taminy mba hikasika ilay lehilahy ka hanasitrana azy. Nitantana ilay jamba ho any ivelan’ilay tanàna kely izy ary, rehefa avy nandrora teo amin’ny masony izy, dia nanontany hoe: “Mahita zavatra ve ianao?”

“Mahita olona aho”, hoy ny navalin’ilay lehilahy, “satria mahatazana izay toa hazo aho, nefa mandehandeha.” Nametraka ny tanany teo amin’ny mason’ilay lehilahy i Jesosy ary namerina taminy ny fahitany mba hahafahany nahita tsara. Avy eo, dia nandefa azy hody i Jesosy tamin’ny fandidiana azy tsy hiditra tao an-tanàna.

Nandeha niaraka tamin’ny mpianany izao i Jesosy mba ho any amin’ireo tanàna kelin’i Kaisaria Filipo, tany amin’ny farany avaratr’i Palestina. Fiakarana lava ny lalana, tokony ho 45 kilaometatra teo ho eo, nankany amin’ilay toerana tsara tarehy nisy an’i Kaisaria Filipo, izay any amin’ny 350 metatra any ho any ambonin’ny ranomasina. Azo inoana fa naharitra roa andro teo ho eo ny dian’izy ireo.

Teny an-dalana, dia nandeha nitokana i Jesosy mba hivavaka. Tokony ho sivy na folo volana monja teo ho eo sisa dia ho faty izy, ary nanahy ny amin’ny mpianany izy. Maro no efa nijanona tsy nanaraka azy intsony. Ny hafa toa sanganehana sy diso fanantenana satria nanda ny fanandraman’ny olona hanao azy ho mpanjaka izy, sady tsy nety nanome famantarana avy tany an-danitra mba hanaporofoana ny naha-mpanjaka azy, rehefa nihaika azy ho amin’izany ireo fahavalony. Inona no ninoan’ireo apostoliny raha ny amin’ny hoe iza izy? Rehefa nanatona azy teny amin’ny toerana nivavahany izy ireo, dia nanontany azy i Jesosy hoe: “Ataon’ny vahoaka ho iza moa aho?”

“Ny sasany milaza hoe i Jaona Mpanao batisa”, hoy ny navalin’izy ireo, “ny hafa hoe i Elia, ary ny hafa hoe i Jeremia na iray amin’ireo mpaminany.” Eny, nihevitra ny olona fa iray tamin’ireo lehilahy ireo nitsangana tamin’ny maty i Jesosy!

“Fa ianareo kosa manao ahy ho iza?”, hoy i Jesosy nanontany.

Namaly haingana i Petera hoe: “Ianao no Kristy, Zanak’ilay Andriamanitra velona.”

Rehefa avy nankasitraka ny valintenin’i Petera i Jesosy dia nanao hoe: “Lazaiko aminao: ‘Ianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no haoriko ny kongregasionako, ary ny vavahadin’ny Hadesy tsy haharesy azy’.” Teto i Jesosy dia nanambara voalohany fa hanorina kongregasiona iray izy ary koa fa na ny fahafatesana aza tsy hahatana ny mpikambana ao amin’izany ho babo aorian’ny fihazakazahana amim-pahatokiana hataon’izy ireo teto an-tany. Avy eo dia hoy izy tamin’i Petera: “Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra”.

Nahariharin’i Jesosy tamin’izany fa hahazo tombontsoa manokana i Petera. Tsia, tsy nomena ny toerana voalohany teo amin’ireo apostoly akory i Petera, na natao ho fanorenan’ilay kongregasiona. Ny tenan’i Jesosy no ilay Vatolampy hanorenana ny kongregasionany. Homena fanalahidy telo kosa i Petera, mba hanokafana, raha azo atao ny milaza izany, ny fahafahana hiditra ao amin’ny Fanjakan’ny lanitra ho an’ny antokon’olona sasany.

Tokony hampiasa ny fanalahidy voalohany amin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. i Petera mba hampisehoana tamin’ny Jiosy nibebaka izay tokony hataony mba ho voavonjy. Tokony hampiasa ny faharoa izy, tsy ela taorian’izay, mba hanokafana ny fahafahana hiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ho an’ny Samaritana nino. Avy eo, amin’ny 36 am.fan.ir., dia tokony hampiasa ny fanalahidy fahatelo izy mba hanokafana izany fahafahana izany ihany ho an’ny Jentilisa tsy voafora, dia i Kornelio sy ny namany.

Nanohy ny resaka nifanaovany tamin’ny mpianany i Jesosy. Nandiso fanantenana azy ireo izy tamin’ny filazana taminy ny amin’ny fijaliana sy ny fahafatesana hatrehany tsy ho ela any Jerosalema. Tsy nahatakatra i Petera fa hatsangana amin’ny maty ho any amin’ny fiainana any an-danitra i Jesosy, ka nitondra azy nihataka. “Mbà tsara fanahy amin’ny tenanao, Tompo ô”, hoy izy. “Tsy hanjo anao velively izany fiafaran-javatra izany.” Natodik’i Jesosy tany aminy ny lamosiny, ka namaly izy hoe: “Mankanesa ato ivohoko, ry Satana! Vato fahatafintohinana ho ahy ianao, satria tsy misaina ny fisainan’Andriamanitra ianao, fa ny an’olona.”

Miharihary fa nisy olon-kafa ankoatra ny apostoly niara-dia tamin’i Jesosy, koa niantso azy ireo hanatona azy àry izy izao ary nanazava fa tsy ho mora ny ho mpanara-dia azy. “Raha misy ta hanaraka ahy”, hoy izy, “dia aoka izy handa ny tenany ka hitondra ny hazo fijaliany ary hanaraka ahy mandrakariva. Fa na iza na iza no ta hamonjy ny fanahiny (âme) dia hahavery azy; na iza na iza no mahavery ny fanahiny (âme) noho ny amiko sy ny vaovao tsara kosa dia hahavonjy azy.”

Eny, raha tian’ireo mpanara-dia an’i Jesosy ny ho mendrika ny hahazo ny fankasitrahany dia tsy maintsy be herim-po sy fandavan-tena izy ireo. Nanambara izy hoe: “Fa na iza na iza ho menatra ahy sy ny teniko amin’ity taranaka mpijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa tonga any amin’ny voninahitry ny Rainy mbamin’ny anjely masina izy.” Marka 8:22-38, MN; Matio 16:13-28, MN; Lioka 9:18-27, MN.

▪ Nahoana i Jesosy no nanahy ny amin’ireo mpianany?

▪ Fomba fihevitra inona avy no nananan’ny olona ny amin’ny hoe iza i Jesosy?

▪ Fanalahidy inona avy no nomena an’i Petera, ary amin’ny fomba ahoana no tokony hampiasana azy ireo?

▪ Fanitsiana inona no azon’i Petera, ary nahoana?