Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Miharia amim-pahendrena azo ampiharina

Miharia amim-pahendrena azo ampiharina

Toko 87

Miharia amim-pahendrena azo ampiharina

VAO avy nitantara ny amin’ilay zanakalahy mpandanilany foana tamin’ilay vahoaka voaforon’ny mpianany, ny mpamory hetra tsy marina sy olon-kafa fantatra ho mpanota ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo i Jesosy. Izao dia niresaka tamin’ny mpianany izy ary nitantara fanoharana iray momba ny lehilahy nanankarena iray izay naharay filazana tsy tsara momba ny mpitantana ny tranony, na mpitandrin-draharahany.

Araka ny nolazain’i Jesosy, dia niantso ny mpitandrin-draharahany ilay lehilahy nanankarena ary nilaza taminy fa handroaka azy izy. “Inona no hataoko, fa hanala amiko ny fitandreman-draharaha ny tompoko?”, hoy ilay mpitandrin-draharaha nanontany tena. “Tsy ampy tanjaka hiasana tany aho, ary menatra ny hangataka. Fantatro izao izay hataoko, amin’izay, rehefa hesorina hiala amin’ny fitandreman-draharaha aho, dia hisy olona handray ahy ao an-tranony.”

Inona no tetik’asan’ilay mpitandrin-draharaha? Niantso izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony izy. “Ohatrinona no ananany aminao?”, hoy izy nanontany.

Namaly ny voalohany hoe: ‘Diloilon’oliva 2 200 litatra’.

‘Raiso indray ny taratasinao misy ny fanekena, ary mipetraha ka soraty haingana hoe 1 100’, hoy izy taminy.

Nanontany ny hafa iray izy hoe: ‘Ary ianao kosa, ohatrinona no ananany aminao?’

Hoy izy hoe: ‘Varimbazaha 22 000 litatra’.

‘Raiso indray ny taratasinao misy ny fanekena ka soraty hoe 18 000’.

Zon’ilay mpitandrin-draharaha ny nampihena ny trosa tokony haloa tamin’ny tompony, satria mbola niandraikitra ny toe-bolan’ny tompony izy. Tamin’ny fampihenana ny habetsahan’ireo trosa, izy dia nahazo sakaiza tamin’ireo izay afaka hanome azy tombontsoa ho valin’izany rehefa hamoy ny asany tokoa izy.

Rehefa nahare ny amin’izay nitranga ny tompony, dia nanohina azy izany. Raha ny tena izy, dia “nanao teny fiderana ilay mpitandrin-draharaha izy, na dia tsy marina aza izy io, satria nanao zavatra tamim-pahendrena azo ampiharina izy.” Nanampy teny toy izao tokoa i Jesosy: “Ireo zanak’ity fandehan-javatra ity dia hendry kokoa raha ny amin’ny fanaovan-javatra eo anatrehan’ny taranany, noho ireo zanaky ny fahazavana.”

Izao dia nanatsoaka ny fianarana avy tamin’izany ho an’ny mpianany i Jesosy, ka nampahery azy ireo toy izao: “Mahazoa sakaiza ho an’ny tenanareo amin’ny alalan’ny harena tsy marina, amin’izay, rehefa lany izany, dia mety handray anareo ho any amin’ireo toeram-ponenana mandrakizay izy ireo.”

Tsy nanao teny fiderana ilay mpitandrin-draharaha noho ny tsy fahamarinany akory i Jesosy, fa noho ny fahendrena azo ampiharina, nitsinjo ny hoavy lavitra, nananany. Matetika “ireo zanak’ity fandehan-javatra ity” dia mampiasa amim-pahiratan-tsaina ny volany na ny toerany mba hahazoana sakaiza amin’ireo izay afaka manome azy tombontsoa ho valin’ny ataony aminy. Ireo mpanompon’Andriamanitra, “ireo zanaky ny fahazavana”, àry dia mila koa ny mampiasa ny fananany sarobidy ara-nofo, ny “harena tsy marina” ananany, amin’ny fomba mampiseho fahendrena mba hahazoan’ny tenany soa.

Kanefa, araka ny nolazain’i Jesosy, amin’ny alalan’izany harena izany izy ireo dia tokony hanao izay hahazoana sakaiza amin’ireo izay mety handray azy “ao amin’ireo toeram-ponenana mandrakizay”. Ho an’ireo mpikambana ao amin’ny andian’ondry vitsy, izany toerana izany dia any an-danitra; ho an’ireo “ondry hafa”, izany dia eto an-tany tonga paradisa. Koa satria tsy misy afa-tsy i Jehovah Andriamanitra sy ny Zanany no afaka mandray olona ao amin’ireo toerana ireo, dia tokony hiezaka amim-pitandremana isika mba hanolokolo fisakaizana amin’izy ireo amin’ny fampiasana izay “harena tsy marina” rehetra mety hananantsika ho fanohanana ireo tombontsoan’ilay Fanjakana. Amin’izay, rehefa lany na levona ny harena ara-nofo, ary tsy maintsy hitranga izany, dia ho azo antoka ny hoavintsika mandrakizay.

Nanohy ny teniny i Jesosy ka nilaza fa ny olona mahatoky eo am-pikarakarana ireny zavatra ara-nofo, na madinika indrindra, ireny, dia hahatoky koa eo am-pikarakarana raharaha lehibe kokoa. “Noho izany”, hoy izy nanohy ny teniny, “raha tsy niseho ho nahatoky ianareo raha ny amin’ireo harena tsy marina, iza no hanankina aminareo izay marina [izany hoe, ireo tombontsoa ara-panahy, na ny an’ilay Fanjakana]? Ary raha tsy niseho ho nahatoky ianareo raha ny amin’izay an’ny hafa [ireo tombontsoan’ilay Fanjakana izay nankinin’Andriamanitra tamin’ireo mpanompony], iza no hanome anareo izay ho an’ny tenanareo [ny fiainana ao amin’ireo toeram-ponenana mandrakizay ho valisoa]?”

Tsy afaka tsotra izao ny ho tena mpanompon’Andriamanitra sady ho mpanompon’ny harena tsy marina, ny harena ara-nofo, isika, araka ny teny nataon’i Jesosy ho famaranana hoe: “Tsy misy mpanompo ao an-trano afaka ny ho mpanompon’ny tompo roa, satria, na hankahala ny iray izy ary ho tia ilay hafa, na hifikitra amin’ny iray izy ary hanamavo ilay hafa. Tsy afaka ny ho mpanompon’Andriamanitra sady ho mpanompon’ny harena ianareo.” Lioka 15:1, 2; 16:1-13, MN; Jaona 10:16.

▪ Ahoana no nahazoan’ilay mpitandrin-draharaha tao amin’ny fanoharana nataon’i Jesosy sakaiza tamin’ireo izay afaka hanampy azy atỳ aoriana?

▪ Inona ireo “harena tsy marina”, ary ahoana no ahafahantsika mahazo sakaiza amin’ny alalan’izy ireo?

▪ Iza no afaka handray antsika ao amin’ireo “toeram-ponenana mandrakizay”, ary inona avy izany toerana izany?