Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mpanapaka mahery noho ny olombelona izay irina fatratra

Mpanapaka mahery noho ny olombelona izay irina fatratra

Toko 53

Mpanapaka mahery noho ny olombelona izay irina fatratra

REHEFA namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy, dia talanjona ny olona. “Ity tokoa no ilay mpaminany izay ho tonga amin’izao tontolo izao”, hoy izy ireo. Nanatsoaka hevitra izy ireo fa, tsy vitan’ny hoe tsy maintsy ho ilay mpaminany lehibe noho i Mosesy i Jesosy, fa ho mpanapaka faniry indrindra koa. Nikasa ny haka azy an-keriny ka hanao azy ho mpanjaka àry izy ireo.

Fantatr’i Jesosy anefa ny nokasain’ny olona hatao. Nandeha haingana àry izy mba tsy ho raisin’izy ireo tamin-kery. Nampandeha ny vahoaka izy ary nanery ny mpianany hiondrana an-tsambo mba hiverina tany Kapernaomy. Avy eo izy dia nitokan-toerana tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Tamin’io alina io i Jesosy dia nitoetra irery tao.

Tsy ela talohan’ny nangiran-dratsy dia nijery avy teny amin’ilay toerana avo nahatazanana ny manodidina rehetra nisy azy i Jesosy ka nahamarika ireo onjan-dranomasina nasamboaravoaran’ny rivo-mahery. Tao anatin’ny tara-pahazavan’ny volana nadiva ho fenomanana, satria efa akaiky ny Paska, i Jesosy dia nahita ilay sambo nisy ireo mpianany niady mafy mba handroso tao anatin’ireo onja. Nivoy tamin’ny heriny rehetra ireo lehilahy.

Raha nahita izany i Jesosy dia nidina avy teny an-tendrombohitra ary nanomboka namindra teo amin’ireo onja mba ho any amin’ilay sambo. Efa nahavita dimy na enina kilaometatra teny afovoan’ny onja ilay sambo rehefa tratran’i Jesosy. Kanefa, nanohy ihany izy toy ny hoe nandalo azy ireo fotsiny. Rehefa nahita azy ireo mpianatra, dia niantso mafy hoe: “Matoatoa io!”

Nampionona azy ireo i Jesosy ka namaly hoe: “Izaho ihany fa aza matahotra.”

Nefa hoy i Petera: “Tompo ô, raha ianao ihany, dia asaovy manatona anao eny ambonin’ny rano aho.”

“Avia!”, hoy ny navalin’i Jesosy.

Niaraka tamin’izay, i Petera dia niala tamin’ny sambo, ary namindra teo amin’ny rano mba ho any amin’i Jesosy. Nijery ilay tafiodrivotra anefa i Petera ka nanjary natahotra, ary raha nanomboka nilentika izy dia niantso mafy hoe: “Tompo ô, vonjeo aho!”

Naninjitra ny tanany avy hatrany i Jesosy ka naharay azy ary nanao hoe: “Ry kely finoana, nahoana ianao no niahanahana?”

Rehefa tafaverina tao anatin’ilay sambo i Petera sy i Jesosy, dia nijanona ny rivotra, ary talanjona ireo mpianatra. Kanefa tokony ho izany ve no izy? Raha azon’izy ireo “ny hevitr’ireo mofo”, tamin’ny fahatakarana ny amin’ilay fahagagana lehibe nataon’i Jesosy ora vitsivitsy talohan’izay, rehefa namahana olona an’arivony maro tamin’ny mofo dimy sy hazandrano kely roa monja izy, dia ho hitan’izy ireo fa tsy nisy tokony hahatalanjona tamin’ny nahafahany namindra teo ambony rano sy nampihena ilay rivotra. Izao anefa, dia niankohoka teo anatrehan’i Jesosy ireo mpianatra ka nanao hoe: “Zanak’Andriamanitra tokoa ianao.”

Tao anatin’ny fotoana fohy, dia tonga tany Genesareta, tany lemaka lonaka iray tsara tarehy teo akaikin’i Kapernaomy, izy ireo. Naantson’izy ireo teo ilay sambo. Rehefa tonga teo amoron-drano anefa izy ireo, dia nahafantatra an’i Jesosy ny olona ary niditra tany amin’ny faritra rehetra nanodidina hitady izay narary. Rehefa nentina tamin’ny fandriany ireo ka nikasika ny somotraviavin’ny akanjo ivelan’i Jesosy fotsiny, dia sitrana tanteraka.

Nandritra izany fotoana izany, ilay vahoaka nahita maso ny namahanan’i Jesosy olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga dia nahatsikaritra fa lasa i Jesosy. Rehefa nisy sambo kely maromaro tonga avy tany Tiberiasy, dia niondrana tamin’izany izy ireo ka lasa nankany Kapernaomy mba hitady an’i Jesosy. Rehefa nahita azy izy ireo dia nanontany hoe: “Raby ô, oviana no tonga teto ianao?” Niteny azy ireo mafy i Jesosy, araka ny ho hitantsika tsy ho ela. Jaona 6:14-25, MN; Matio 14:22-36, MN; Marka 6:45-56, MN.

▪ Rehefa avy namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy, dia inona no notadiavin’ny olona hatao taminy?

▪ Inona no hitan’i Jesosy avy teo amin’ilay tendrombohitra nitokanany toerana, ary inona no nataony tamin’izay?

▪ Nahoana ireo mpianatra no tsy tokony ho talanjona toy izany noho ireo zavatra ireo?

▪ Inona no nitranga rehefa tonga teo amoron-drano izy ireo?