Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana i Jesosy no tonga teto an-tany

Nahoana i Jesosy no tonga teto an-tany

Toko 24

Nahoana i Jesosy no tonga teto an-tany

FENO zavatra natao ilay andro nolanin’i Jesosy tao Kapernaomy niaraka tamin’ireo mpianany efatra ary niafara tamin’ny nitondran’ny mponin’i Kapernaomy ny marariny rehetra teo aminy mba hanasitranany azy tamin’ny hariva. Tsy nisy fotoana nahafahany ho irery mihitsy.

Maraina be ny ampitson’iny izao. Raha mbola maizina ny andro, dia nitsangana i Jesosy ary nivoaka irery. Nankany amin’ny toerana nitokana iray izay nahafahany nivavaka tamin’ny Rainy manokana izy. Tsy naharitra ela anefa ny naha-irery azy satria, rehefa tsapan’i Petera sy ny hafa fa tsy teo i Jesosy, dia lasa nikaroka azy izy.

Rehefa nahita an’i Jesosy izy ireo, dia hoy i Petera taminy: “Ny olona rehetra mitady anao.” Tian’ny mponin’i Kapernaomy hijanona teo aminy i Jesosy. Nankasitrahan’izy ireo marina tokoa ny nataony taminy! Kanefa moa ve ny nahatongavan’i Jesosy teto an-tany voalohany indrindra dia mba hanao fanasitranana mahagaga toy ireny? Inona no nambarany ny amin’izany?

Araka ny fitantarana iray ao amin’ny Baiboly, dia hoy ny navalin’i Jesosy ny mpianany: “Andeha isika ho any an-toeran-kafa, any amin’ny tanàna akaiky eto, mba hitoriako teny any koa, fa izany no nahatongavako.” Na dia nangataka an’i Jesosy mafy mba hijanona aza ny olona, dia hoy izy taminy: “Tsy maintsy mitory ny vaovao tsaran’ny Fanjakan’Andriamanitra any amin’ny tanàna hafa koa aho, satria izany no nanirahana ahy.”

Eny, tonga teto an-tany i Jesosy mba hitory ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra indrindra, izay hanamarina ny anaran’ny Rainy sy handamina ny fahorian’ny olombelona rehetra amin’ny fomba maharitra. Kanefa, mba hanomezana porofo fa nirahin’Andriamanitra izy, dia nanao fanasitranana mahagaga maro i Jesosy. Izany dia nitovy tamin’ny nanaovan’i Mosesy fahagagana, taonjato maro talohan’izay, mba hanolorana “taratasy fanamarinana” fa mpanompon’Andriamanitra tokoa izy.

Tamin’ity indray mandeha ity, rehefa nandao an’i Kapernaomy i Jesosy mba hitory tany amin’ny tanàna hafa, dia niaraka taminy ireo mpianany efatra. Izany dia i Petera sy i Andrea rahalahiny, ary i Jaona sy i Jakoba rahalahiny. Tsaroanareo angamba fa, tamin’ny herinandro talohan’io izy ireo dia nasain’i Jesosy ho tonga mpiara-miasa taminy voalohany hitety faritany hiaraka aminy.

Nahita fahombiazana nahatalanjona ny dia fitoriana nataon’i Jesosy nanerana an’i Galilia niaraka tamin’ireo mpianany efatra! Raha ny tena izy, dia niely hatrany Syria manontolo mihitsy ny filazana ny amin’ny asany. Nisy vahoaka betsaka avy tany Galilia sy Jodia ary avy tany ampitan’i Jordana nanaraka an’i Jesosy sy ny mpianany. Marka 1:35-39, MN; Lioka 4:42, 43, MN; Matio 4:23-25, MN; Eksodosy 4:1-9, 30, 31.

▪ Inona no nitranga ny ampitso marainan’ilay andro feno zavatra natao ho an’i Jesosy tany Kapernaomy?

▪ Inona no antony nanirahana an’i Jesosy ho etỳ an-tany, ary inona no zava-nokendren’ireo fahagagana nataony?

▪ Iza no niaraka tamin’i Jesosy tamin’ny fitoriany nanerana an’i Galilia, ary nanao ahoana ny fihetsiky ny olona, vokatry ny asan’i Jesosy?