Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka

Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka

Toko 106

Nalana sarona tamin’ny alalan’ireo fanoharana ny amin’ny tanimboaloboka

TEO amin’ny tempoly i Jesosy. Vao avy nahavery hevitra ireo filoha ara-pivavahana izay nanontany azy ny amin’ny fahefana nanaovany zavatra izy. Mbola tao anatin’ny fisafotofotoana ireo raha nanontany azy toy izao i Jesosy: “Ahoana no hevitrareo?” Ary dia nohazavainy tamin’ny alalan’ny fanoharana iray ny hoe karazan’olona nanao ahoana tokoa izy ireo raha ny marina.

“Nisy lehilahy nanan-janaka roa”, hoy i Jesosy nitantara. “Nankeo amin’ny voalohany izy ka nanao hoe: ‘Andeha, anaka, miasa any an-tanimboaloboka anio’. Namaly izy ka nanao hoe: ‘Handeha aho, Tompoko’, nefa tsy nandeha. Nanatona ilay faharoa izy ka niteny toy izany koa. Ho valiny, dia hoy io hoe: ‘Tsy handeha aho’. Tatỳ aoriana, dia nanenina izy ka nandeha ihany. Iza amin’izy mirahalahy no nanao ny sitrapon’ny rainy?”, hoy i Jesosy nanontany.

“Ity farany”, hoy ny navalin’ireo mpanohitra azy.

Nanazava toy izao àry i Jesosy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga efa mialoha anareo ho amin’ny fanjakan’Andriamanitra.” Ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga, raha ny marina, teo am-boalohany, dia nanda ny hanompo an’Andriamanitra. Kanefa, tatỳ aoriana, tahaka ilay zanaka faharoa, dia nanenina izy ireo ary nanompo an’Andriamanitra ihany. Tetsy an-daniny kosa, ireo filoha ara-pivavahana, toy ilay zanaka voalohany, dia nihambo ho nanompo an’Andriamanitra, kanefa nanamarika toy izao i Jesosy: “I Jaona [Mpanao batisa] nankany aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana, nefa tsy nino azy ianareo. Kanefa ny mpamory hetra sy ny vehivavy janga kosa nino azy, fa ianareo kosa, na dia nahita izany aza, dia mbola tsy nanenina tatỳ aoriana mba hinoanareo azy.”

Nanaraka izany, i Jesosy dia nampiseho fa ny fahadisoan’ireo filoha ara-pivavahana dia tsy noho izy ireo tsy nanompo an’Andriamanitra ihany akory. Tsia, fa tena olon-dratsy, olona ratsy fanahy tokoa izy ireo. “Nisy lehilahy tompon-trano iray”, hoy i Jesosy nitantara, “nanao tanimboaloboka, dia namefy azy manodidina, ary nihady famiazam-boaloboka tao izy sady nanangana tilikambo iray, ary dia navelany teo an-tanan’olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any an-tany hafa izy. Ary rehefa tonga ny vanin-taona fahavokarana, dia naniraka ny mpanompony izy hankany amin’ny mpiasa tany haka ny vokatra. Fa ny mpiasa tany nisambotra ny mpanompony, ka ny iray nokapohiny, ary ny iray novonoiny, ary ny iray notorahany vato. Dia naniraka mpanompo hafa indray izy, maro noho ireo voalohany, fa nataony toy izany koa ireny.”

Ny “mpanompo” dia ireo mpaminany izay nirahin’ny “tompon-trano”, i Jehovah Andriamanitra, ho any amin’ny “mpiasa” ny ‘tanimboalobony’. Ireo mpiasa tany dia ireo mpitondra nanam-pahefana teo amin’ny firenen’ny Isiraely izay ampahafantarin’ny Baiboly ho toy ny ‘tanimboalobok’Andriamanitra’.

Koa satria nampahory sy namono ny “mpanompo” ireo “mpiasa tany”, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Ary nony farany dia naniraka ny zanany hankany amin’izy ireo [ny tompon’ilay tanimboaloboka] tamin’ny filazana hoe: ‘Hanaja ny zanako lahy izy’. Raha vao nahita ilay zanany lahy ireo mpiasa tany dia nifampiteny hoe: ‘Ity no mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lovany! Ary nisambotra azy izy ka nanipy azy tany ivelan’ny tanimboaloboka, dia namono azy.”

Izao i Jesosy dia niresaka nivantana tamin’ireo filoha ara-pivavahana ka nanontany hoe: “Rehefa tonga ny tompon’ilay tanimboaloboka, inona no hataony amin’izany mpiasa tany izany?”

“Satria olon-dratsy izy ireo”, hoy ny valintenin’ireo filoha ara-pivavahana, “dia hampihatra fandringanana ratsy tokoa aminy izy, ary hamela ny tanimboaloboka eo an-tanan’olona mpiasa tany hafa, izay hamerina aminy ny vokatra rehefa tonga ny fotoan’izany.”

Tamin’izany, ireo filoha ara-pivavahana dia tsy nahalala fa nanonona ny fanamelohana ny tenany ihany, satria anisan’ireo “mpiasa tany” isiraelita ao amin’ny “tanimboalobok’i Jehovah” voaforon’ny firenen’ny Isiraely, izy ireo. Ny vokatra nantenain’i Jehovah ho azo avy amin’ireo mpiasa tany dia ny finoana ny Zanany, ilay tena Mesia. Noho ny tsy nanomezany izany vokatra izany, dia nampitandrina azy ireo toy izao i Jesosy: “Mbola tsy novakinareo ve ny teny ao amin’ny Soratra Masina [ao amin’ny Salamo 118:22, 23] manao hoe: ‘Ny vato izay nolavin’ireo mpanao trano, dia izy no tonga fehizoro lehibe indrindra. Avy tamin’i Jehovah no nahatongavan’izany, ka mahatalanjona eo imasontsika’? Noho izany antony izany no ilazako aminareo hoe: Hesorina aminareo ny fanjakan’Andriamanitra ka homena izay firenena mahavokatra ny voany. Ary ny olona potraka amin’ity vato ity dia ho torotoro. Ary na iza na iza hianjerany, dia ho mongomongo.”

Izao ireo mpanora-dalana sy lohan’ny mpisorona dia nahatakatra fa niresaka momba azy i Jesosy, ka naniry hamono azy, ilay nanana ny zo ho “mpandova”, izy ireo. Koa hesorina aminy amin’ny maha-firenena àry ny tombontsoa ho mpanapaka ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary hoforonina ny firenena vaovao iray hisy ‘mpiasan’ny tanimboaloboka’, dia firenena izay hamokatra voa araka ny izy.

Noho izy ireo natahotra ny vahoaka izay nihevitra an’i Jesosy ho mpaminany, dia tsy nanandrana ny hamono azy tamin’io fotoana io ireo filoha ara-pivavahana. Matio 21:28-46, MN; Marka 12:1-12, MN; Lioka 20:9-19, MN; Isaia 5:1-7.

▪ Nampiseho an’iza moa ireo zanaka roa tao amin’ny fanoharana voalohany nataon’i Jesosy?

▪ Tao amin’ilay fanoharana faharoa, iza no nasehon’ny “tompon-trano”, ny “tanimboaloboka”, “ny mpiasa tany”, ny “mpanompo”, ary ny “mpandova”?

▪ Inona no hanjo an’ireo ‘mpiasan’ny tanimboaloboka’, ary hosoloana an’iza izy ireo?