Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nalevina ny zoma — foana ny fasana ny alahady

Nalevina ny zoma — foana ny fasana ny alahady

Toko 127

Nalevina ny zoma — foana ny fasana ny alahady

EFA hifarana izao ny zoma tolakandro, ary hanomboka amin’ny filentehan’ny masoandro ny Sabata 15 Nisana. Nihantona nalemy teo amin’ilay hazo ny vatan’i Jesosy efa maty, fa ireo jiolahy roa teo anilany kosa dia mbola velona. Nantsoina hoe Andro Fiomanana ny zoma tolakandro satria tamin’izay ny olona no nanomana ny sakafo sy namarana ireo asa hafa nilaina maika izay tsy afaka ny hiandry taorian’ny Sabata.

Tsy Sabata nahazatra (ilay andro fahafito tamin’ny herinandro) fotsiny ilay Sabata hanomboka tsy ho ela io fa Sabata roa sosona, na Sabata “lehibe”. Nantsoina toy izany izy io satria ny 15 Nisana, izay ny andro voalohany tamin’ny andro firavoravoana fihinanana ny mofo tsy misy masirasira naharitra hafitoana (ary Sabata foana, na andro inona na andro inona tao anatin’ny herinandro), dia nifanitsy tamin’ny andro Sabata nahazatra.

Araka ny Lalàn’Andriamanitra, dia tsy navela hiloaka alina teo amin’ny hazo ny faty. Noho izany dia nangataka tamin’i Pilato ny Jiosy mba hanafaingana ny fahafatesan’ireo vao avy novonoina tamin’ny fanapahana ny ranjony. Dia nanapaka ny ranjon’ireo jiolahy roa àry ireo miaramila. Kanefa, nony toa hita fa efa maty i Jesosy, dia tsy notapahina ny tongony. Izany dia nanatanteraka ilay teny ao amin’ny Soratra masina manao hoe: “Tsy hisy hotapahina ny taolany.”

Kanefa, mba tsy hisian’ny fisalasalana na dia kely aza fa maty tokoa i Jesosy, dia nandefona ny lanivoany ny iray tamin’ireo miaramila. Nitsatoka teo amin’ny faritry ny fony ilay lefona ary avy hatrany dia nisy ra sy rano nivoaka. Mitantara ny apostoly Jaona, izay vavolombelona nahita maso izany, fa nanatanteraka teny ao amin’ny Soratra masina hafa iray koa izany, dia ny hoe: “Hijery Ilay nolefoniny izy ireo.”

Nanatrika ilay famonoana teo koa i Josefa avy tany amin’ny tanànan’i Arimatia, mpikambana nanan-kaja iray tao amin’ny Synedriona. Tsy nety nandany ilay fanaovan-javatra tsy ara-drariny nataon’io fitsarana ambony io tamin’i Jesosy izy. Mpianatr’i Jesosy i Josefa, raha ny marina, na dia natahotra ny hampahafantatra ny tenany ho toy izany aza izy. Izao anefa dia nampiseho herim-po izy ary nankany amin’i Pilato ka nangataka ny fatin’i Jesosy. Nampiantso ilay mpanao raharaha niandraikitra tany i Pilato, ary rehefa avy nanamarina taminy io fa maty i Jesosy, dia nasainy nomena ny faty.

Nalain’i Josefa ilay faty ka nofonosiny hariry madinika madio ho fanomanana ny fandevenana. Nampian’i Nikodemosy, mpikambana hafa iray tao amin’ny Synedriona, izy tamin’izany. Tsy sahy nampahafantatra ny finoany an’i Jesosy koa i Nikodemosy noho ny fahatahorana ny hamoy ny toerany. Izao anefa izy dia nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo lafo vidy tokony ho zato livatra romana [33 kilao] teo ho eo. Nofonosina lambam-paty nisy ireo zava-manitra ireo ny fatin’i Jesosy, araka ny fanaon’ny Jiosy rehefa nanomana faty halevina.

Avy eo dia nalevina tao amin’ny fasan’i Josefa vaovao, izay nolavahana tamin’ny vatolampy tao amin’ny saha teo akaiky teo, ilay faty. Tamin’ny farany, dia nisy vato lehibe iray nakodia teo anoloan’ilay fasana. Mba hahavitana ilay fandevenana talohan’ny Sabata, dia natao haingana ny fanomanana ilay faty. Noho izany, i Maria Magdalena sy i Maria renin’i Jakoba kely, izay nanampy tamin’ny fanomanana angamba, dia niverina nody haingana mba hamboatra zava-manitra sy menaka manitra fanampiny. Taorian’ny Sabata, dia nikasa ny mbola hikarakara ny fatin’i Jesosy izy ireo mba hiarovana azy tsy ho simba ela kokoa.

Ny ampitson’iny, izay asabotsy (andro Sabata), dia nankany amin’i Pilato ny lohan’ny mpisorona sy ny Fariseo ka nanao hoe: “Tsaroanay, tompoko, fa iny mpamitaka iny, fony izy mbola velona, dia nanao hoe: ‘Raha afaka hateloana, dia hatsangana amin’ny maty aho.’ Noho izany dia omeo teny mba hambenana mafy ny fasana mandra-pahatongan’ny andro fahatelo, fandrao avy ny mpianany ka hangalatra azy, dia hilaza amin’ny olona hoe: ‘Efa natsangana tamin’ny maty izy!’, ka dia ho ratsy noho ny voalohany io fitaka farany io.”

“Manana mpiambina ianareo”, hoy ny navalin’i Pilato. “Mandehana, ary ataovy mafy araka izay hainareo ny fiambenana.” Dia nandeha ireo ary niaro mafy ny fasana tamin’ny fanasiana tombo-kase tamin’ny vato ary tamin’ny fametrahana miaramila romana ho mpiambina teo.

Ny alahady maraina be, i Maria Magdalena sy i Maria renin’i Jakoba, niaraka tamin’i Salome sy i Johana ary ny vehivavy hafa dia nitondra zava-manitra ho any amin’ny fasana mba hikarakarana ny fatin’i Jesosy. Teny an-dalana, dia nifampiresaka izy hoe: “Iza re no hanakodia ny vato ho afaka amin’ny varavaram-pasana ho antsika?” Rehefa tonga teny anefa izy dia nahita fa nisy horohorontany nitranga ary nisy anjelin’i Jehovah efa nanakodia ilay vato. Tsy teo intsony ireo mpiambina, ary foana ilay fasana! Matio 27:57 ka hatramin’ny 28:2, MN; Marka 15:42 ka hatramin’ny 16:4, MN; Lioka 23:50 ka hatramin’ny 24:3, 10, MN; Jaona 19:14, Jn 19:31 ka hatramin’ny 20:1, MN; Jn 12:42; Levitikosy 23:5-7; Deoteronomia 21:22, 23; Salamo 34:20; Zakaria 12:10.

▪ Nahoana ny zoma no nantsoina hoe Andro Fiomanana, ary inona no natao hoe Sabata “lehibe”?

▪ Teny ao amin’ny Soratra masina inona avy nifandray tamin’ny fatin’i Jesosy no tanteraka?

▪ Inona no anjara asa noraisin’i Josefa sy i Nikodemosy tamin’ny fandevenana an’i Jesosy, ary inona no fifandraisan’izy ireo tamin’i Jesosy?

▪ Inona no fangatahana nataon’ireo mpisorona tamin’i Pilato, ary ahoana no navaliny?

▪ Inona no nitranga ny alahady maraina be?