Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy

Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy

Toko 52

Namahana olona an’arivony maro tamin’ny fomba mahagaga i Jesosy

VAO avy nankafy dia fitoriana iray niavaka dia niavaka nanerana an’i Galilia ireo apostoly 12. Izao, tsy ela taorian’ny namonoana an’i Jaona, izy ireo dia niverina nankany amin’i Jesosy ary nitantara ireo zavatra nahatalanjona nitranga tamin’izy ireo. Hitan’i Jesosy fa vizana izy ireo sady betsaka aoka izany ny olona nifamoivoy ka tsy nisy fotoana nihinanany akory, dia hoy izy: ‘Andao hitokana any amin’ny toerana mangina iray mba hahafahanareo hiala sasatra’.

Niondrana an-tsambo izy ireo, azo inoana fa teo akaikin’i Kapernaomy, ary nankany amin’ny toerana sarotra naleha iray, miharihary fa tany atsinanan’i Jordana tany ambadik’i Betsaida. Nisy olona maro anefa nahita azy ireo nandeha, ary ny hafa kosa nandre ny amin’izany. Nihazakazaka nanaraka ny morontsiraka nialoha lalana azy ireo izy rehetra, ary rehefa tonga teo an-tanety ilay sambo, dia efa niandry azy ireo teo ny olona.

Rehefa niala avy teo amin’ny sambo i Jesosy, ka nahita ilay vahoaka betsaka, dia onena azy satria toy ny ondry tsy nisy mpiandry ireo olona. Nanasitrana ny marariny àry izy ary nanomboka nampianatra azy zavatra maro.

Nandeha haingana ny fotoana, ary nanatona azy ny mpianany ka nilaza hoe: “Toerana mitokana ity, ary efa hariva ny andro ankehitriny. Alefaso handeha izy ireo, mba hankanesany any an-tsaha sy any amin’ny tanàna kely manodidina hividy zavatra hohaniny.”

Kanefa namaly i Jesosy nanao hoe: “Omeonareo hanina izy.” Avy eo, satria efa fantany izay hataony izao, dia nitsapa an’i Filipo i Jesosy tamin’ny fanontaniana azy hoe: “Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ireo?”

Teo imason’i Filipo, dia tsy nisy zavatra azo natao mihitsy. Nisy lehilahy tokony ho 5 000 tafangona teo, ary azo inoana fa nihoatra lavitra ny 10 000 ny olona raha nisaina koa ireo vehivavy sy ankizy! Namaly i Filipo fa “tsy ampy azy rehetra hananany kely avy ny mofo vidina denaria roanjato [karama iray andro tamin’izay ny denaria iray].”

Angamba mba hampisehoana ny tsy fahafahana mamahana olona maro be toy izany, dia nanao izao fanolorana izao i Andrea: “Intỳ misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa”, ka nanampy teny hoe: “fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?”

Koa satria lohataona tamin’izay, taloha kelin’ny Paska taona 32 am.fan.ir., dia nirobona ny ahitra. Nasain’i Jesosy nilaza tamin’ny olona mba handry ilika teo amin’ny ahitra, nanao antokona 50 sy 100 avy, àry ny mpianany. Nandray ireo mofo dimy sy hazandrano roa izy, niandrandra ny lanitra, ary nanonona fisaorana. Avy eo dia nanomboka namaky ireo mofo sy nizara ireo hazandrano izy. Nanome izany ny mpianany izy, ary ireo kosa nanolotra izany ho an’ny vahoaka. Nahatalanjona fa nihinana avokoa ny rehetra mandra-pahavoky!

Taorian’izany, dia hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.” Rehefa vitan’izy ireo izany, dia nahafeno harona 12 tamin’ny ambiny tsy lany tamin’izay nohaniny izy ireo! Matio 14:13-21, MN; Marka 6:30-44, MN; Lioka 9:10-17, MN; Jaona 6:1-13, MN.

▪ Nahoana i Jesosy no nitady toerana nitokana ho an’ny apostoliny?

▪ Taiza no nitondran’i Jesosy ny mpianany, ary nahoana no tsy afaka niala sasatra araka ny nilainy izy ireo?

▪ Rehefa hariva ny andro, inona no nampirisihan’ny mpianatra, nefa tamin’ny fomba ahoana no nikarakaran’i Jesosy ny olona?