Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampianatra tany Jeriko i Jesosy

Nampianatra tany Jeriko i Jesosy

Toko 99

Nampianatra tany Jeriko i Jesosy

TSY ela dia tonga tao Jeriko, tanàna teo amin’ny indray andro, dia an-tongotra, avy teo Jerosalema, i Jesosy mbamin’ireo vahoaka niara-dia taminy. Toa nizara roa ny tanànan’i Jeriko, dia ilay tanàna jiosy tranainy, iray kilaometatra sy sasany avy teo amin’ilay tanàna romana vaovao. Teo am-pialan’ireo vahoaka avy tao amin’ilay tanàna tranainy nankany amin’ilay vaovao, dia nisy mpangataka jamba roa nahare ilay fikorontanana. Nantsoina hoe Bartimeo ny iray tamin’izy ireo.

Raha vao fantany fa i Jesosy no nandalo, dia nanomboka nikiakiaka toy izao i Bartimeo sy ilay namany: “Tompo ô, mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!” Rehefa niteny mafy azy ireo mba hangina ny vahoaka, dia vao mainka niantsoantso tamin’ny feo avo kokoa ihany izy ka nanao hoe: “Tompo ô, mamindrà fo aminay, ry Zanak’i Davida ô!”

Nahare ilay tabataba i Jesosy ka nijanona. Nangataka ireo niaraka taminy mba hiantso ireo izay nikiaka be izy. Nanatona ireo mpangataka jamba àry ireo ka niteny tamin’ny iray tamin’ireo jamba hoe: “Manàna herim-po, mitsangàna, miantso anao izy.” Tao anatin’ny fahataitairana tsy hainy notoherina, ilay jamba dia nanipy ny fitafiany ivelany, ary niantsambotra nankeo amin’i Jesosy.

“Inona no tianareo hataoko aminareo?”, hoy ny fanontanian’i Jesosy.

“Tompo ô, ny mba hampahiratina ny masonay”, hoy ny fitalahoan’ireo jamba roa lahy.

Onena azy i Jesosy ka nikasika ny masony. Araka ny fitantaran’i Marka, dia nilaza toy izao tamin’ny iray tamin’izy ireo i Jesosy: “Mandehana, ny finoanao no nahasitrana anao.” Avy hatrany dia nahiratra ireo mpangataka jamba, ary tsy isalasalana fa nanomboka nankalaza an’Andriamanitra izy roa lahy. Rehefa nahita izay nitranga ny olona rehetra dia nanomboka nidera an’Andriamanitra koa. Nanomboka nanara-dia an’i Jesosy tsy nisy hataka andro i Bartimeo sy ilay namany.

Teo am-pamakivakian’i Jesosy an’i Jeriko, dia tsy nisy ohatra izany ny habetsahan’ireo vahoaka. Naniry hahita ilay nanasitrana ireo jamba avokoa ny rehetra. Nanery an’i Jesosy tamin’ny lafiny rehetra ny olona hany ka tsy afaka nanopy maso azy akory ny sasany. Anisan’izy ireny i Zakaiosy, lehiben’ny mpamory hetra tao Jeriko sy ny manodidina azy. Fohy loatra izy ka tsy afaka nahita izay nitranga.

Nihazakazaka nialoha àry i Zakaiosy ary nianika aviavy teo amoron’ilay lalana holalovan’i Jesosy. Avy teo amin’io toerana nahatazanany ny manodidina io izy dia hahita tsara ny zavatra rehetra. Rehefa nanatona ireo vahoaka, dia niandrandra hijery ilay hazo i Jesosy ary niantso hoe: “Ry Zakaiosy, midìna haingana, fa tsy maintsy mitoetra ao an-tranonao aho anio.” Nidina avy teo ambony hazo tao anatin’ny hafaliam-be i Zakaiosy ary nody haingana mba hanomana izay nilaina ho an’io vahiny nanan-kaja io.

Kanefa, rehefa nahita izany ny olona, dia nanomboka nimonomonona avokoa. Nihevitra izy ireo fa tsy nety ny hivahinian’i Jesosy tany amin’ny olona toa izany. Tonga mpanankarena tamin’ny fisolokiana vola tsy araka ny marina mantsy i Zakaiosy teo amin’ny fanaovany ny raharahan’ny famorian-ketra.

Nisy olona maro be nanaraka an’i Jesosy ary rehefa niditra tao an-tranon’i Zakaiosy izy, dia nitaraina toy izao izy ireo: “Lasa nandeha hiantrano ao amin’ny lehilahy mpanota iray izy.” Kanefa, i Jesosy dia nahavaka fironana tsara ho amin’ny fibebahahana teo amin’i Zakaiosy. Ary tsy diso fanantenana i Jesosy, satria nitsangana i Zakaiosy ary nanambara hoe: “Indro! ny antsasaky ny fananako dia homeko ho an’ny mahantra, Tompo ô, ary izay nalaiko rehetra tamin’iza na tamin’iza tamin’ny alalan’ny fisolokiana sy ny fiampangana lainga, dia honerako avo efatra heny.”

Noporofoin’i Zakaiosy fa feno fahatsorana ny fibebahany, tamin’ny fanomezana ho an’ny mahantra ny antsasaky ny fananany sy tamin’ny fampiasana ny antsasany ambiny mba hamerenana ny volan’ireo olona nambakainy. Toa afaka nanisa izay tena nananan’ireo olona ireo taminy marina izy noho ireo filazana momba ny hetra teo am-pelatanany. Niniana àry izy fa hamerina avo efatra heny izay nalainy, nifanaraka tamin’ny lalàn’Andriamanitra nilaza hoe: ‘Raha misy olona mangalatra ondry, dia hanonitra ondry efatra ho solon’ny ondry iray izy’.

Nahafaly an’i Jesosy ny fomba nampanantenan’i Zakaiosy fa hizarany ny fananany, satria hoy Izy: “Androany dia tonga teto amin’ity trano ity ny famonjena, fa izy koa dia zanak’i Abrahama. Fa tonga hitady sy hamonjy ny very ny Zanak’olona.”

Vao haingana i Jesosy dia nampiseho ny toerana nisy ‘ireo very’ tamin’ny alalan’ilay tantara nataony momba ilay zanakalahy mpandanilany foana. Izao isika dia manana ohatra velona ny amin’ny lehilahy izay very nefa hita indray. Na dia nimonomonona sy nitaraina noho ny fiheverana nasehon’i Jesosy ny olona toa an’i Zakaiosy aza ireo filoha ara-pivavahana sy ny mpanaraka azy, dia nanohy nitady sy namerina ireny zanak’i Abrahama very ireny i Jesosy. Matio 20:29-34, MN; Marka 10:46-52, MN; Lioka 18:35 ka hatramin’ny 19:10, MN; Eksodosy 21:37.

▪ Taiza moa no toa nahitan’i Jesosy ireo mpangataka jamba, ary inona no nataony ho azy ireo?

▪ Iza moa i Zakaiosy, ary nahoana izy no nianika hazo iray?

▪ Tamin’ny fomba ahoana no nanaporofoan’i Zakaiosy ny fibebahany?

▪ Fianarana inona no azontsika tsoahina avy amin’ny fomba nitondran’i Jesosy an’i Zakaiosy?