Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nampisinda ny alahelon’ny mpitondratena iray i Jesosy

Nampisinda ny alahelon’ny mpitondratena iray i Jesosy

Toko 37

Nampisinda ny alahelon’ny mpitondratena iray i Jesosy

TSY ela taorian’ny nanasitranany ny mpanompon’ilay mpanao raharaha tao amin’ny tafika, dia lasa nankany Naina, tanàna iray tany amin’ny 30 kilaometatra mahery tany atsimo andrefan’i Kapernaomy, i Jesosy. Nanaraka azy ny mpianany sy vahoaka maro be. Azo inoana fa efa ho hariva ny andro rehefa tonga teo akaikin’ny tanànan’i Naina izy ireo. Teo izy dia nifanena tamin’ny filaharan’olona handeha handevina. Nentina mba halevina tany ivelan’ny tanàna ny fatin’ny zatovolahy iray.

Nampahonena indrindra ny toe-javatra nisy ny reniny, satria efa mpitondratena izy ary io no hany zanany. Fony maty ny vadiny, dia afaka nahazo fampaherezana tamin’ny fananany ny zanany lahy izy. Nanjary nampifantohany tanteraka tamin’ny hoavin’io zanany io ny fanantenany sy ny faniriany ary ny reharehany rehetra. Izao anefa tsy nanana olona nahitany fampiononana intsony izy. Lehibe dia lehibe ny fahoriany teo am-pandehanana ho any amin’ny toeram-pandevenana niaraka tamin’ireo mpiray tanàna taminy.

Raha vao nahita io vehivavy io i Jesosy dia voatohina ny fony teo anoloan’ny alahelony mafy. Tamim-pitiavana àry, kanefa koa tamin’ny fomba hentitra izay nanome toky, dia hoy izy taminy: “Aza mitomany intsony.” Nisarika ny sain’ny vahoaka ny fomba fihetsiny sy ny nataony. Rehefa nanatona àry izy ka nikasika ny nitoeran’ilay faty nobataina, dia nijanona ireo mpilanja. Tsy maintsy nanontany tena ny amin’izay hataony izao ny rehetra.

Marina fa efa nahita an’i Jesosy nanasitrana ny aretin’ny olona maro tamin’ny alalan’ny fahagagana ireo izay niaraka taminy. Kanefa toa mbola tsy nahita azy nanangana olona tamin’ny maty mihitsy izy ireo. Afaka nanao izany ve izy? Niresaka tamin’ilay faty i Jesosy ka nibaiko azy hoe: “Ry zatovo, hoy izaho aminao, miarena!” Ary dia niarina ilay lehilahy! Nanomboka niteny izy, ary natolotr’i Jesosy tamin-dreniny.

Rehefa hitan’ny olona fa tena velona marina ilay zatovolahy, dia nanomboka nilaza izy ireo hoe: “Mpaminany lehibe no efa mitsangana eto amintsika”. Ny hafa kosa nanao hoe: “Andriamanitra efa nitsinjo ny olony.” Vetivety dia niely eran’i Jodia manontolo sy teny amin’ny tany nanodidina rehetra ny vaovao momba io zava-bita nahatalanjona io.

Mbola tany an-tranomaizina i Jaona Mpanao batisa, ary naniry ny hahafantatra bebe kokoa momba ireo asa vitan’i Jesosy. Notantarain’ny mpianatr’i Jaona taminy ny amin’ireo fahagagana ireo. Nanao ahoana ny fihetsiny teo anoloan’izany? Lioka 7:11-18, MN.

▪ Inona no nitranga raha tonga teo akaikin’ny tanànan’i Naina i Jesosy?

▪ Nanao ahoana ny vokatr’izay hitan’i Jesosy teo aminy, ary inona no nataony?

▪ Nanao ahoana ny fihetsiky ny olona teo anoloan’io fahagagana nataon’i Jesosy io?