Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanameloka an-karihary ireo mpanohitra azy i Jesosy

Nanameloka an-karihary ireo mpanohitra azy i Jesosy

Toko 109

Nanameloka an-karihary ireo mpanohitra azy i Jesosy

NAHAVERY hevitra ireo mpanohitra azy ara-pivavahana aoka izany i Jesosy, hany ka natahotra ny hanontany azy zavatra hafa izy ireo. Nanao ny dingana voalohany àry izy mba hanalana sarona ny tsy fahalalan’izy ireo. “Ahoana no hevitrareo ny amin’ny Kristy?” hoy izy nanontany. “Zanak’iza moa izy?”

“Zanak’i Davida”, hoy ny navalin’ireo Fariseo.

Na dia tsy nanda aza i Jesosy fa razamben’ny Kristy, na Mesia, ara-nofo i Davida, dia nanontany ihany izy hoe: “Koa nahoana àry i Davida tamin’ny alalan’ny tsindrimandry [ao amin’ny Salamo 110] no niantso azy hoe ‘Tompo’, tamin’ny filazana hoe: ‘I Jehovah nilaza tamin’ny Tompoko hoe: “Mipetraha eo an-tànako ankavanana ambara-panaoko ny fahavalonao ho eo ambanin’ny tongotrao” ’? Koa raha antsoin’i Davida hoe ‘Tompo’ izy, ahoana no maha-zanany Azy?”

Nangina ireo Fariseo, satria tsy fantany ny tena maha-izy marina ny Kristy, na voahosotra. Ny Mesia akory tsy taranaka olombelona avy amin’i Davida fotsiny, araka ny toa ninoan’ireo Fariseo azy, fa efa niaina tany an-danitra ary lehiben’i Davida, na Tompon’i Davida.

Nitodika tany amin’ny vahoaka sy ny mpianany izao i Jesosy ka nampitandrina azy ireo ny amin’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Koa satria ireo nampianatra ny Lalàn’Andriamanitra, noho izy ‘nipetraka teo amin’ny fipetrahan’i Mosesy’, dia nampirisika toy izao i Jesosy: “Izay rehetra lazainy dia ataovy ka tandremo.” Kanefa nanampy teny toy izao izy: “Aza manao araka ny asany, satria miteny izy, nefa tsy manao”.

Mpihatsavelatsihy izy ireo, ary nanameloka azy an-karihary i Jesosy tamin’ny fiteny saiky nitovy tanteraka tamin’ilay nampiasainy fony izy nisakafo tao an-tranon’ny Fariseo iray, volana vitsivitsy talohan’io. “Ny asany rehetra”, hoy izy, “dia ataony mba ho hitan’ny olona”. Ary dia nanome ohatra ny amin’izany izy tamin’ny fanamarihana hoe:

“Halehibiaziny ny filakiterany, izay anaovany ho toy ny fiarovana.” Ireny vatakely toa kely velarana ireny, izay natao teo amin’ny handrina na teo amin’ny sandry, dia nisy andinin-teny efatra avy tao amin’ny Lalàna: Eksodosy 13:1-10, 11-16; ary Deoteronomia 6:4-9; 11:13-21. Ireo Fariseo kosa dia nanalehibe ny azy mba hisehoana fa nanaraka ny Lalàna tamin-jotom-po izy.

Nanohy ny teniny i Jesosy ka nilaza fa “ampitomboiny ny somotraviavin’akanjony”. Voalaza ao amin’ny Nomery 15:38-40 fa nomena baiko mba hanisy somotraviavy tamin’ny akanjony ny Isiraelita, fa ireo Fariseo kosa dia nanao ny azy ho lehibe kokoa noho ny an’ny hafa rehetra. Nataony ho fisehosehoana avokoa izay rehetra nataony! “Tia ny toerana ambony indrindra izy ireo”, hoy ny nambaran’i Jesosy.

Nampalahelo fa nisy vokany teo amin’ireo mpianany koa io faniriana ny ho ambony io. Nanome izao torohevitra izao àry izy: “Fa ianareo kosa aza mba mety hantsoina hoe Raby, fa iray ihany no mpampianatra anareo, ary ianareo rehetra dia mpirahalahy avokoa. Ambonin’izany, aza miantso na iza na iza etỳ an-tany hoe Rainareo, fa iray ihany no Rainareo, dia Ilay any an-danitra. Ary aza mba mety hantsoina hoe ‘filoha’ ianareo, fa iray ihany no Filohanareo, dia ny Kristy.” Tsy maintsy manaisotra ny faniriana ny ho voalohany tsy ho eo aminy intsony ny mpianany! “Ny lehibe indrindra aminareo dia tsy maintsy ho mpanompo anareo”, hoy ny fananaran’i Jesosy.

Nanaraka izany, i Jesosy dia nanonona fitohitohizana loza ho an’ireo mpanora-dalàna sy Fariseo, izay naverimberiny nantsoina hoe mpihatsaravelatsihy. ‘Arindrin’izy ireo eo anoloan’ny olona ny fanjakan’ny lanitra’, hoy izy, ary “izy ireo no mandrapaka ny tranon’ny mpitondratena ary ho fialana dia manao vavaka lavareny izy.”

“Lozanareo, mpitarika jamba”, hoy i Jesosy. Nanameloka ny tsy fananan’ireo Fariseo fiheverana ny zavatra ara-panahy, hita niharihary tamin’ny fanaovany fanavahana jadona, izy. Nilaza izy ireo, ohatra, fa “na iza na iza mianiana amin’ny tempoly, dia tsy mampaninona izany, fa raha misy mianiana amin’ny volamena amin’ny tempoly, dia tsy maintsy mizaka ny vokany izy.” Tamin’ny fanamafisana kokoa ny amin’ny volamenan’ny tempoly toy izay ny vidin’io toeram-panompoana io ara-panahy, izy ireo dia nampiharihary ny naha-jamba azy teo amin’ny fitsipi-pitondrantena.

Avy eo, toy ny nataony teo aloha ihany, i Jesosy dia nanameloka ireo Fariseo noho izy ireo nanao tsirambina “ny raharaha navesa-danja kokoa tamin’ny lalàna, izany hoe ny rariny sy ny famindrampo ary ny fahatokiana”, nefa nitandrina fatratra ny fandoavana ny ampahafolon’ireo zava-manitra tsy nisy vidiny.

Nantsoin’i Jesosy hoe “mpitarika jamba, izay manatantavana ny moka, nefa mitelina ny rameva” ireo Fariseo! Nanatantavana ny moka tamin’ny divainy izy ireo, tsy tamin’ny naha-bibikely azy io fotsiny, fa noho izy io naloto teo amin’ny fombafomba ara-pivavahana. Kanefa ny tsy fanajany ny raharaha navesa-danja kokoa tamin’ny Lalàna dia azo noharina tamin’ny fitelemana rameva, izay biby naloto teo amin’ny fomba-fomba ara-pivavahana koa. Matio 22:41 ka hatramin’ny 23:24, MN; Marka 12:35-40, MN; Lioka 20:41-47, MN; Levitikosy 11:4, 21-24.

▪ Nahoana moa ireo Fariseo no nangina rehefa nanontanian’i Jesosy ny amin’ny nolazain’i Davida ao amin’ny Salamo faha-110?

▪ Nahoana moa no nohalehibiazin’ireo Fariseo ny filakiterany sy ny somotraviavy tamin’ny akanjony?

▪ Torohevitra inona no nomen’i Jesosy ny mpianany?

▪ Fanavahana jadona inona avy no nataon’ireo Fariseo, ary tamin’ny fomba ahoana no nanamelohan’i Jesosy azy noho ny nanaovany tsirambina ny raharaha navesa-danja kokoa?