Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Naniraka ireo 70 i Jesosy

Naniraka ireo 70 i Jesosy

Toko 72

Naniraka ireo 70 i Jesosy

FARARANO taona 32 am.fan.ir. izao, izany hoe feno telo taona hatramin’ny batisan’i Jesosy. Vao avy nanatrika ny Andro Firavoravoana Tabernakely tany Jerosalema izy sy ny mpianany, ary toa mbola teo amin’ny manodidina teo. Raha ny tena izy, i Jesosy dia nandany ny ankamaroan’ireo enim-bolana farany tamin’ny fanompoany na tany Jodia na teny ampitan’ny Onin’i Jordana tao amin’ny distrikan’i Pere. Nila ny niasana koa io faritany io.

Marina fa, taorian’ny Paska taona 30 am.fan.ir., i Jesosy dia nitory tany Jodia nandritra ny valo volana teo ho eo. Rehefa avy nanandrana ny hamono azy tany anefa ny Jiosy tamin’ny Paska 31 am.fan.ir., dia nandany ny herintaona sy tapany nanaraka saika tany Galilia ihany izy. Nandritra izany fotoana izany izy dia efa nahorina fandaminana lehibe iray voaforona mpitory voaofana tsara, zavatra izay tsy nananany teo aloha. Izao àry dia natombony ny asa fanaovana fanambarana manokana sady be dia be farany tany Jodia.

Ny dingana voalohany nataon’i Jesosy mba hampandehanana io asa manokana io dia ny fifidianana mpianatra 70 ary ny fanirahana azy ireo tsiroaroa. Araka izany, dia nisy antokona mpitory ilay Fanjakana 35 tamin’ny fitambarany niasa ilay faritany. Izy ireo dia nandeha nialoha niditra tany amin’ireo tanàna sy toerana rehetra nokasain’i Jesosy haleha, niharihary fa niaraka tamin’ireo apostoliny.

Tsy nandefa ireo 70 tany amin’ireo synagoga i Jesosy fa nilaza taminy kosa mba hiditra an-tranon’olona manokana, tamin’ny fanazavana hoe: “Izay trano idiranareo, dia lazao aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’ity trano ity’. Ary raha misy sakaizan’ny fiadanana ao, dia hitoetra eo aminy ny fiadananareo.” Ary ahoana no hafatra tokony hoentiny? “Ilazao hatrany izy”, hoy i Jesosy, fa “efa akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.” Momba ny asa nataon’ireo 70, dia nilaza toy izao ny Famoaboasan’i Matthew Henry: “Sahala amin’ny Mpampianatra azy, na taiza na taiza notsidihiny, dia nitory isan-trano izy ireo.”

Ireo toromarika nomen’i Jesosy ireo 70 dia nitovy tamin’ny nomeny ireo 12 rehefa naniraka azy ireo hanao asa fitoriana manokana tany Galilia izy tokony ho herintaona talohan’izay. Tsy vitan’ny hoe nampiomana ireo 70 ny amin’ny fanoherana hatrehiny fotsiny izy, ka nanomana azy hampiseho ny hafatra tamin’ny tompon-trano, fa nanome azy koa hery hanasitranana ny narary. Araka izany, rehefa ho tonga tany tsy ela taorian’izay i Jesosy, dia hisy olona maro ho may ny hahita ilay Mpampianatra izay nanana mpianatra nahavita zavatra nahagaga toy izany.

Fohy ihany ny fitoriana nataon’ireo 70 sy ny asa nanaraka izany nataon’i Jesosy. Tsy ela dia nanomboka niverina tany amin’i Jesosy ireo antoko-mpitory ilay Fanjakana 35 ireo. “Tompo ô”, hoy izy ireo tamim-pifaliana, “na dia ireo demonia aza dia manaiky anay noho ny fampiasanay ny anaranao.” Azo antoka fa nampientana an’i Jesosy aoka izany ny filazana momba ny fanompoan’izy ireo tsara dia tsara, satria namaly toy izao izy: “Efa nanomboka nahatazana an’i Satana nianjera avy tany an-danitra toy ny tselatra sahady aho. Indro! Efa nanome anareo ny fahefana hanitsaka menarana sy maingoka ao ambanin’ny tongotrareo aho.”

Fantatr’i Jesosy fa aorian’ny hahaterahan’ny Fanjakan’Andriamanitra amin’ny fotoan’ny farany, dia horoahina avy any an-danitra i Satana sy ireo demoniany. Izao anefa io famoahana demonia tsy hita maso nataon’olona tsotra io dia nanome toky fanampiny fa hitranga io fisehoan-javatra ho avy io. Noho izany, i Jesosy dia niresaka ny amin’io fianjeran’i Satana avy any an-danitra amin’ny hoavy io ho toy ny zava-misy azo antoka tokoa. Noho izany, dia tamin’ny heviny ara-panoharana no nanomezana an’ireo 70 ny fahefana hanitsaka menarana sy maingoka. Kanefa hoy i Jesosy hoe: “Aza mifaly ianareo satria hoe nanaiky anareo ireo fanahy (esprits), fa mifalia kosa satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo.”

Diboky ny hafaliana i Jesosy ka nidera ny Rainy ampahibemaso noho ny nampiasany tamin’ny fomba nahery toy izany ireo mpanompony nanetry tena ireo. Nitodika tany amin’ireo mpianany izy ka nanao hoe: “Sambatra ny maso mahatazana ireo zavatra tazanareo. Fa lazaiko aminareo fa mpaminany sy mpanjaka maro no naniry hahita ireo zavatra tazanareo fa tsy nahita, ary handre ireo zavatra renareo fa tsy nandre.” Lioka 10:1-24, MN; Matio 10:1-42, MN; Apokalypsy 12:7-12.

▪ Taiza i Jesosy no nitory nandritra ireo telo taona voalohany tamin’ny fanompoany, ary faritany taiza no niasany nandritra ireo enim-bolana farany tamin’ny fanompoany?

▪ Taiza no nandefasan’i Jesosy ireo 70 mba hahita olona?

▪ Nahoana i Jesosy no nilaza fa nahatazana an’i Satana nianjera avy tany an-danitra sahady izy?

▪ Tamin’ny heviny ahoana no nahafahan’ireo 70 hanitsaka menarana sy maingoka?