Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nankany Jerosalema indray i Jesosy

Nankany Jerosalema indray i Jesosy

Toko 82

Nankany Jerosalema indray i Jesosy

VETIVETY dia teny an-dalana indray i Jesosy, nampianatra isaky ny tanàn-dehibe sy ny tanàna kely. Niharihary fa tao amin’ny distrikan’i Pere izy, tany ampitan’ny Onin’i Jordana avy teo Jodia. Fa ny tiany haleha dia i Jerosalema.

Ilay filôzôfia jiosy nilaza fa tsy hisy afa-tsy isa voafetra ihany no ho mendrika ny famonjena angamba no nanosika ny lehilahy iray hanontany hoe: “Tompo ô, vitsy ve ireo hovonjena?” Tamin’ny valinteniny i Jesosy dia nanery ny olona hieritreritra ny amin’izay nilaina ho amin’ny famonjena: “Miezaha mafy sy amin-kery [izany hoe, miadia mafy, na aoka ianao ho fadiranovana mafy] hiditra amin’ny varavarana ety ianareo.”

Ilaina maika ny hanaovana izany ezaka atao amin-kery izany “satria maro no hitady hiditra”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny, “fa tsy ho afaka.” Nahoana no tsy ho afaka izy ireo? Nanazava izy fa ‘raha vao mitsangana ny tompon-trano ka manidy lakile ny varavarana ary mitsangana ao ivelany ny olona ka mandondòna sady miteny hoe: “Vohay izahay, Tompoko”, dia hanao aminy izy hoe: “Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo. Mialà amiko ianareo rehetra mpanao meloka!” ’

Ireo voahidy any ivelany dia toa tonga amin’ny fotoana mety amin’ny tenany ihany. Kanefa amin’izay dia efa nakatona sy nohidiana tamin’ny karetsaka ny varavarana nety ho nahafahany niditra. Mba hidirana, dia tokony ho tonga taloha kokoa izy ireo, na dia nety ho tsy nety taminy aza ny nanao toy izany. Marina tokoa fa hisy fiafarana mampalahelo miandry ireo izay mangataka andro amin’ny fanaovana ny fanompoam-pivavahana amin’i Jehovah ho ny zava-kendreny lehibe indrindra eo amin’ny fiainany!

Ny ankamaroan’ireo Jiosy, izay nanirahana an’i Jesosy mba hitondrany ny fanampiany, dia tsy nahay nanararaotra ny fahafahana nahatalanjona hanaiky ny fandaharan’Andriamanitra ho amin’ny famonjena. Nilaza àry i Jesosy fa hitomany sy hikitro-nify izy ireo rehefa hatsipy any ivelany. Etsy an-daniny kosa, ny olona “avy any atsinanana sy avy any andrefana, ary avy any avaratra sy avy any atsimo”, eny, avy any amin’ny firenena rehetra, dia “handry ilika eo am-pisakafoana ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”

Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Misy ny farany [ireo tsy Jiosy nohamavoina, ary koa ireo Jiosy nampahorina] izay ho voalohany, ary misy ny voalohany [ireo Jiosy nambinina teo amin’ny ara-nofo sy ara-pivavahana] izay ho farany.” Ny dikan’ny hoe ho farany ireo olona kamo sy tsy nankasitraka ireo dia hoe tsy ho ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra velively izy ireo.

Nisy Fariseo izao nanatona an’i Jesosy ka nanao hoe: “Mandehana ianao ka mialà eto, fa ta hamono anao i Heroda [Antipasy].” Nety ho i Heroda ihany no nampiely izany tsaho izany mba hanaovana izay handosiran’i Jesosy avy teo amin’io faritany io. Nety ho natahotra ny ho voaray amin’ny fahafatesan’ny mpaminanin’Andriamanitra hafa iray izy toy ny nitranga tamin’ny famonoana an’i Jaona Mpanao batisa. Nefa hoy i Jesosy tamin’ireo Fariseo: “Mandehana lazao amin’izany fosa izany hoe: ‘Indro! Mamoaka demonia sy manao fanasitranana aho anio sy rahampitso, ary amin’ny andro fahatelo dia ho vita ny amiko’.”

Rehefa nahavita ny asany tao i Jesosy dia nanohy ny diany nankany Jerosalema satria, araka ny fanazavany, “tsy azo ekena ny hamonoana mpaminany iray any ivelan’i Jerosalema.” Nahoana no tokony hantenaina ny hamonoana an’i Jesosy tany Jerosalema? Satria i Jerosalema no renivohitra, nisy ny fitsarana tampon’ny Synedriona voaforona mpikambana 71, sy nanolorana ireo sorona biby. Noho izany, dia tsy ho azo nekena ny hamonoana “ny Zanak’ondrin’Andriamanitra” tany amin’ny toeran-kafa afa-tsy tany Jerosalema.

“Ry Jerosalema, ry Jerosalema, ilay mpamono ny mpaminany sy mpitora-bato ireo izay nirahina tany aminy”, hoy i Jesosy nilaza ny alahelony, “impiry aho no naniry hanangona ny zanakao tahaka ny fanòmban’ny akoho ny zanany eo ambanin’ny elany, nefa tsy nety ianareo, ry olona! Indro! Afoy ho anareo ny tranonareo.” Noho ny fandavany ny Zanak’Andriamanitra, dia voaheloka ilay firenena!

Raha nanohy nankany Jerosalema i Jesosy, dia nasaina tao an-tranon’ny mpanapaka iray teo amin’ny Fariseo. Sabata tamin’izay, ary nandinika azy akaiky ny olona, satria nisy lehilahy voan’ny manirano teo, aretina izay nampihandrona rano tao amin’ny tanany sy ny tongony angamba. Niresaka tamin’ireo Fariseo sy ireo nanam-pahaizana manokana momba ny Lalàna tonga teo i Jesosy ka nanontany hoe: “Araka ny lalàna ve sa tsia ny manasitrana amin’ny sabata?”

Tsy nisy niloa-bava. Koa nanasitrana ilay lehilahy àry i Jesosy ka nampandeha azy. Avy eo izy dia nanontany hoe: “Iza aminareo, izay manan-janakalahy na omby latsaka ao an-davaka fantsakana, no tsy hisintona azy avy ao avy hatrany amin’ny andro sabata?” Teo indray koa, dia tsy nisy niloa-bava ho valin’izany. Lioka 13:22, MN, ka hatramin’ny Lk 14:6, MN; Jaona 1:29.

▪ Inona no nasehon’i Jesosy fa ilaina ho amin’ny famonjena, ary nahoana no misy olona maro voahidy any ivelany?

▪ Iza moa ireo “farany” izay ho voalohany, ary ireo “voalohany” izay ho farany?

▪ Inona no nety ho antony nilazana fa naniry ny hamono an’i Jesosy i Heroda?

▪ Nahoana no tsy azo nekena ny hamonoana mpaminany iray tany ivelan’i Jerosalema?