Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanomana ny lalana i Jaona

Nanomana ny lalana i Jaona

Toko 11

Nanomana ny lalana i Jaona

FITO ambin’ny folo taona izay no lasa hatramin’ny fotoana nanontanian’i Jesosy ireo mpampianatra tao amin’ny tempoly, fony izy 12 taona. Lohataonan’ny taona 29 am.fan.ir. izao, ary toa niresaka momba an’i Jaona, zanak’olo-mpiraitampo tamin’i Jesosy, izay nitory tany amin’ny faritra nanodidina ny reniranon’i Jordana manontolo, avokoa ny rehetra.

Lehilahy nanohina ny fo sy ny sain’ny olona i Jaona, na tamin’ny fisehoany ivelany na tamin’izay nolazainy. Volon-drameva ny fitafiany, ary nanao fehin-kibo hoditra tamin’ny valahany izy. Ny fihinany dia valala sy tantely remby. Ary ny hafatra nentiny? “Mibebaha ianareo; fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Nanaitra ny fahalianan’ireo mpihaino azy izany hafatra izany. Maro no nahatsapa fa nila ny hibebaka izy ireo, izany hoe ny hiova fihetsika ka hanary ny fomba fiainany taloha amin’ny fiheverana izany ho tsy faniry. Koa maro be àry ny olona nirohotra nankany amin’i Jaona avy tany amin’ny faritany rehetra nanamorona an’i Jordana, sy avy tany Jerosalema koa aza, ary nanao batisa azy ireny izy tamin’ny fandrobohana azy tao amin’ny ranon’i Jordana. Fa nahoana?

Nanao batisa olona i Jaona ho fanamarihana, na fanamarinana, ny fibebahan’izy ireo tamim-pahatsorana noho ny fahotany tamin’ny Faneken’ny Lalàn’Andriamanitra. Noho izany, rehefa nisy Fariseo sy Sadoseo tonga tany Jordana, dia nanameloka azy ireny i Jaona. “Ry taranaky ny menarana”, hoy izy, “mamoaza voa mendrika ny fibebahana ianareo; ary aza manao anakampo hoe: ‘Manana an’i Abrahama ho rainay izahay’. Fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto. Ary, indro, efa mipetraka eo amin’ny fototry ny hazo sahady ny famaky; koa ny hazo rehetra izay tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ka hatsipy any anaty afo.”

Noho i Jaona nanintona ny sain’ny olona aoka izany, dia naniraka mpisorona sy Levita ho any aminy ny Jiosy. Nanontany azy toy izao ireo: “Iza moa ianao?”

“Tsy izaho no Kristy”, hoy ny fieken’i Jaona.

“Ahoana àry?”, hoy izy ireo ta hahalala, “Elia ve ianao?”

“Tsy izy aho”, hoy ny navaliny.

“Ilay Mpaminany ve ianao?”

“Tsia!”

Nihananantitrantitra ihany izy ireo nanontany hoe: “Iza àry ianao, mba hitondranay valiny any amin’izay naniraka anay? Lazainao ho iza moa ianao?”

Nanazava toy izao i Jaona: “Izaho dia feon’ny miantso mafy any an’efitra hoe: ‘Ataovy mahitsy ny lalan’i Jehovah’, dia araka izay nolazain’i Isaia mpaminany indrindra.”

“Nahoana àry ianao no manao batisa”, hoy izy ireo ta hahafantatra, “raha tsy i Kristy na i Elia na Ilay Mpaminany ianao?”

“Izaho manao batisa amin’ny rano”, hoy izy namaly. “Eo afovoanareo dia hitsangana ny anankiray izay tsy fantatrareo, dia ilay ho avy ao aoriako”.

Nanomana ny lalana i Jaona tamin’ny fitarihana ny olona hanana ny toe-po vonona ny hanaiky ny Mesia, izay ho tonga Mpanjaka. Momba azy io, dia hoy i Jaona: “Ilay avy ao aoriako dia mahery noho izaho, ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.” Raha ny marina, dia nilaza mihitsy aza i Jaona hoe: “Ilay ho avy ao aoriako dia efa nandroso teo alohako, satria efa nisy talohako izy.”

Araka izany, ny hafatra nentin’i Jaona nilaza fa “Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra” dia nampahafantatra ampahibemaso fa hadiva hanomboka ny fanompoan’ilay Mpanjaka notendren’i Jehovah, dia i Jesosy Kristy. Jaona 1:6-8, 15-28, MN; Matio 3:1-12, MN; Lioka 3:1-18, MN; Asan’ny apostoly As 19:4.

▪ Karazan’olona nanao ahoana moa i Jaona?

▪ Nahoana no nanao batisa olona i Jaona?

▪ Nahoana i Jaona no afaka nilaza fa akaiky ny Fanjakana?