Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nanontaniana momba ny fifadian-kanina

Nanontaniana momba ny fifadian-kanina

Toko 28

Nanontaniana momba ny fifadian-kanina i Jesosy

EFA ho herintaona izay no nankalazan’i Jesosy ny Paska taona 30 am.fan.ir. Tany an-tranomaizina efa hatramin’ny volana maromaro izao i Jaona Mpanao batisa. Na dia tiany ho tonga mpanara-dia an’i Kristy aza ny mpianany, dia tsy nanao izany ny rehetra taminy.

Tonga nanatona an’i Jesosy izao ny sasany tamin’ireny mpianatr’i Jaona nigadra ireny ka nanontany hoe: “Nahoana izahay sy ny Fariseo no mampihatra fifadian-kanina, fa ny mpianatrao kosa tsy mba mifady?” Nampihatra fifadian-kanina indroa isan-kerinandro ny Fariseo ho fanarahana ny fombafomba teo amin’ny fivavahany. Ary nanaraka fanao nitovy tamin’izany koa angamba ireo mpianatr’i Jaona. Nety ho nifady hanina koa izy ireo mba hisaonana noho ny nampidirana an’i Jaona an-tranomaizina ka nanontany tena hoe nahoana ny mpianatr’i Jesosy no tsy nanao tahaka azy ireo koa tamin’izany fanehoana alahelo izany.

Ho valiny, dia nanazava toy izao i Jesosy: “Tsy manana antony tokony hisaonana ny sakaizan’ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra, sa tsy izany? Fa ho avy ny andro izay hanesorana ny mpampakatra hiala aminy, dia amin’izay vao hifady izy.”

Tokony hotsaroan’ny mpianatr’i Jaona fa niresaka an’i Jesosy ho toy ny Mpampakatra koa ny tenan’i Jaona. Koa raha mbola teo i Jesosy, dia tsy ho nihevitra i Jaona fa hety ny hifadian-kanina, ary toy izany koa ny mpianatr’i Jesosy. Any aoriana, rehefa ho faty i Jesosy, dia hisaona sy hifady hanina ny mpianany. Kanefa rehefa hatsangana amin’ny maty izy ka hiakatra ho any an-danitra, dia tsy hanana antony tokony hisaonana amin’ny fifadian-kanina intsony izy ireo.

Nony avy eo i Jesosy dia nilaza ireto fanoharana ireto: “Tsy misy olona manampina akanjo ivelany tonta amin’ny tapa-damba tsy voalòna; fa ny hamafin’ilay vaovao dia hisintona ilay akanjo ivelany, ka hiitatra ny triatra. Ary tsy misy manisy divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta; fa raha izany, dia ho triatra ny siny hoditra, ka ho raraka ny divay sady ho simba ny siny hoditra. Fa manao ny divay vaovao ao anaty siny hoditra vaovao ny olona.” Inona no nifandraisan’ireo fanoharana ireo tamin’ny fifadian-kanina?

Nanampy ny mpianatr’i Jaona Mpanao batisa i Jesosy mba hahatakatra fa tsy misy olona tokony hanantena ny hanarahan’ny mpanara-dia azy ireo fanao tranainin’ny Jodaisma, toy ny fombafomba momba ny fifadian-kanina. Tsy tonga mba hanampina na hampaharitra fanompoam-pivavahana tranainy sy tsy ilaina intsony izay efa hariana tsy ho ela akory izy. Tsy natao hifanaraka tamin’ny Jodaisma tamin’izany andro izany sy ireo lovantsofin’olombelona teo aminy akory ny kristianisma. Tsia, tsy ho tahaka ny tapa-damba vaovao hanampenana akanjo tonta akory izy io, na ho tahaka ny divay vaovao hatao ao anaty siny hoditra tonta. Matio 9:14-17, MN; Marka 2:18-22, MN; Lioka 5:33-39, MN; Jaona 3:27-29.

▪ Iza avy no nampihatra fifadian-kanina, ary noho ny zava-kendrena inona?

▪ Nahoana no tsy nifady hanina ny mpianatr’i Jesosy raha mbola teo aminy izy, ary atỳ aoriana, amin’ny ahoana no hanjavonan’ny antony tokony hisaonana vetivety?

▪ Fanoharana inona avy no nolazain’i Jesosy, ary inona no dikan’izy ireo?