Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nantsoina ny mpianatra efatra

Nantsoina ny mpianatra efatra

Toko 22

Nantsoina ny mpianatra efatra

TAORIAN’NY fanandramana hamono azy tany Nazareta, tanàna niaviany, dia nifindra nankany amin’ny tanànan’i Kapernaomy, tany akaikin’ny Ranomasin’i Galilia, i Jesosy. Izany dia nahatanteraka faminanian’i Isaia hafa iray, dia ilay nanambara mialoha fa hahita mazava lehibe ireo olona tao Galilia nonina tany amoron-dranomasina.

Raha nanohy nanao ny asa fitoriana ilay Fanjakana nitondra fahazavana teto i Jesosy, dia nahita indray ny efatra tamin’ireo mpianany. Efa nanaraka azy tamin’ny dia nataony teo aloha ireo fa niverina nanao ny asan’ny mpanjono indray rehefa tafaverina avy tany Jodia niaraka tamin’i Jesosy. Azo inoana fa nitady azy ireo i Jesosy izao, satria tonga ny fotoana hananany mpanampy azy maharitra sy tsy tapaka izay azony nampiofanina mba hanohy ny fanompoana rehefa lasa izy.

Raha nandeha nanaraka ny moron-dranomasina àry i Jesosy dia nahita an’i Simona Petera sy ireo namany nanasa ny haratony ka nanatona azy. Niakatra tao amin’ny sambon’i Petera izy ary nangataka azy mba hanalavitra ny tanety. Rehefa nihataka kely izy, dia nipetraka teo amin’ilay sambo i Jesosy ary nanomboka nampianatra ny vahoaka teny amoron-drano.

Taorian’izay, dia hoy i Jesosy tamin’i Petera: “Mandrosoa ho any amin’ny lalina, ary alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano.”

“Mpampianatra ô”, hoy i Petera namaly, “mandritra ny alina no efa nikelezanay aina, nefa tsy nahazo na inona na inona izahay, kanefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato.”

Rehefa nalatsaka ny harato dia nahazoana hazandrano be dia be aoka izany, hany ka nanomboka nitriatra. Nanatsika ny namany teo amin’ny sambo tsy lavitra teo haingana izy ireo mba ho avy hanampy azy. Tsy ela dia samy feno hazandrano aoka izany ireo sambo roa ka nanomboka nilentika. Rehefa nahita izany i Petera dia nianjera teo anoloan’i Jesosy ka nanao hoe: “Mialà amiko, Tompo ô, fa olo-meloka aho.”

“Aza matahotra intsony”, hoy ny navalin’i Jesosy. “Manomboka izao dia olona velona kosa no ho azonao.”

Nanasa an’i Andrea rahalahin’i Petera koa i Jesosy. “Andeha hanaraka ahy”, hoy izy nampirisika azy ireo, “fa hataoko mpanjono olona ianareo.” Nomena izany fanasana izany koa i Jakoba sy i Jaona, zanak’i Zebedio, mpanjono namany, ary namaly izany antso izany tsy nisy fisalasalana koa ireo. Nandao ny asan’ny mpanjono nataony àry izy efatra mirahalahy ireo ary tonga ny mpanara-dia an’i Jesosy naharitra sy tsy tapaka efatra voalohany. Lioka 5:1-11, MN; Matio 4:13-22, MN; Marka 1:16-20, MN; Isaia 8:23-9:1.

▪ Nahoana i Jesosy no niantso ireo mpianany mba hanaraka azy, ary iza moa izany mpianatra izany?

▪ Fahagagana inona no naharaiki-tahotra an’i Petera?

▪ Ho amin’ny karazam-panjonoana inona no nanasan’i Jesosy ny mpianany?