Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nasain’ny Fariseo iray

Nasain’ny Fariseo iray

Toko 83

Nasain’ny Fariseo iray

MBOLA tao an-tranon’ilay Fariseo nanana toerana ambony iray i Jesosy ary vao avy nanasitrana lehilahy iray voan’ny manirano. Raha nandinika ireo niara-nasaina taminy nifidy ny toerana mora hita teo am-pisakafoana izy, dia nanome fianarana momba ny fanetren-tena.

“Raha asain’olona iray ho any amin’ny fanasana amin’ny fampakaram-bady ianao”, hoy ny fanazavan’i Jesosy tamin’izay, “dia aza mandry ilika eo amin’ny toerana mora hita. Angamba nisy olona manan-kaja kokoa noho ianao nasainy, ka ho avy ilay nanasa anareo hilaza aminao hoe: ‘Avelao ho an’ity lehilahy ity ny toerana’. Ary amin’izay dia hifindra amim-pahamenarana haka ny toerana ambany indrindra ianao.”

Nanoro hevitra àry i Jesosy hoe: “Rehefa asaina ianao, dia mandehana mandry ilika eny amin’ny toerana ambany indrindra, amin’izay, rehefa avy ilay nanasa anao dia hilaza aminao hoe: ‘Ry sakaiza, mandrosoa erỳ ambony kokoa’. Ary amin’izay, dia hahazo voninahitra eo anoloan’ireo niara-nasaina taminao rehetra ianao.” Namarana ny teniny toy izao i Jesosy: “Fa izay rehetra manandra-tena dia haetry ary izay manetry tena dia hasandratra.”

Nanaraka izany, i Jesosy dia niresaka tamin’ilay Fariseo nanasa azy ka nilazalaza ny amin’ny fomba fanolorana sakafo tena misy vidiny tokoa eo imason’Andriamanitra. “Rehefa mamelatra sakafo antoandro na sakafo hariva ianao, dia aza manasa ny sakaizanao na ny rahalahinao na ny havanao na ny namanao manankarena. Angamba indray andro any dia mety hanasa anao koa izy ho valin’izany ka ho tonga famaliana ny nataonao izany. Fa rehefa mamelatra fanasana kosa ianao, dia asao ny mahantra, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba; dia ho sambatra ianao, satria tsy manan-kavaly anao izy.”

Hitondra fahasambarana ho an’ilay nanome izany sakafo izany ny fanaovana izany ho an’ireo tsy nambinina, satria, araka ny nohazavain’i Jesosy tamin’ilay nanasa azy, dia “hovaliana ianao amin’ny fitsanganan’ny marina amin’ny maty.” Nahatonga ny iray tamin’ireo niara-nasaina taminy hahatsiaro ny amin’ny karazana sakafo hafa iray ny filazalazana nataon’i Jesosy ny amin’io sakafo mendrika hoderaina io. “Sambatra izay hihina-mofo ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra”, hoy io olona nasaina io. Kanefa, tsy nihevitra izany fahatsinjovan-javatra mahafaly izany araka ny tena vidiny ny rehetra, araka ny nasehon’ny fanoharana iray tao amin’ny tohin’ny tenin’i Jesosy.

“Nisy lehilahy iray namelatra sakafo hariva lehibe, ka nanasa olona maro. Ary naniraka ny mpanompony izy (...) hilaza tamin’ireo nasainy hoe: ‘Avia, fa efa vonona izao ny zavatra rehetra’. Nefa samy niara-nanomboka niala tsiny izy rehetra. Nilaza taminy ny voalohany hoe: ‘Vao nividy tany aho ka mila mandeha mizaha azy; mangataka aminao aho, mba alao tsiny’. Ary hoy ny hafa iray: ‘Vao nividy omby folo nampiarahina tsiroaroa aho, ka handeha handinika azy ireo; mangataka aminao aho, mba alao tsiny’. Ny hafa iray koa dia nanao hoe: ‘Vao avy nampaka-bady aho, ka noho izany dia tsy afaka ny ho tonga’.”

Endrey izany fialan-tsiny tsy mahafa-po! Mazàna dia dinihina alohan’ny hividianana azy ny tany na ny biby fiompy iray, ka tsy misy tena maha-maika ny handinihana azy aorian’izay. Mitovy amin’izany koa, ny fanambadian’ny olona iray dia tsy tokony hanakana azy tsy hanaiky fanasana lehibe toy izany. Koa raha nahare ireo fialan-tsiny ireo ilay tompon-trano, dia tezitra ka nandidy ilay mpanompony hoe:

“ ‘Mandehana haingana any amin’ny lalam-be sy ny sakeli-dalan’ny tanàna, ka ento hiditra atỳ ny mahantra sy ny kilemaina ary ny jamba sy ny mandringa’. Rehefa afaka kelikely, dia hoy ilay mpanompony: ‘Tompo ô, efa natao izay nibaikoanao hatao, ary anefa mbola misy toerana’. Ary hoy ny tompony tamin’ilay mpanompo: ‘Mandehana any amin’ny arabe sy ny toerana nofefena, ary tereo hiditra ny olona, mba ho feno ny tranoko. (...) Tsy hisy na dia iray aza tamin’ireo nasaiko hanandrana ny sakafo harivako’.”

Tarehin-javatra inona no nolazalazaina tamin’io fanoharana io? “Ny tompo” nanome ny sakafo dia mampiseho an’i Jehovah Andriamanitra; “ny mpanompo” nanolotra ny fanasana, dia i Jesosy Kristy; ary ny “sakafo hariva lehibe” dia ireo fahafahana mba ho mendrika ny Fanjakana any an-danitra.

Ireo voalohany nandray ny fanasana mba ho tonga ka ho mendrika ilay Fanjakana talohan’ny hafa rehetra, dia ireo mpitondra fivavahana jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Kanefa, nolavin’izy ireo ilay fanasana. Noho izany, nanomboka tamin’ny Pentekosta taona 33 am.fan.ir. indrindra, dia nisy fanasana faharoa natolotra ireo nohamavoina sy noheverina ho ambany teo amin’ny firenena jiosy. Tsy ampy mba hamenoana ireo toerana 144 000 ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra any an-danitra anefa ireo izay namaly izany. Koa tamin’ny 36 am.fan.ir., telo taona sy tapany taorian’izay, àry dia nisy fanasana fahatelo sady farany natolotra ireo tsy Jiosy tsy voafora, ary mitohy hatramin’izao androntsika izao ny fanangonana azy ireo. Lioka 14:1-24, MN.

▪ Fianarana momba ny fanetren-tena inona no nomen’i Jesosy?

▪ Ahoana no ahafahan’ny olona manasa iray hanome sakafo tena misy vidiny tokoa eo imason’Andriamanitra, ary nahoana no hitondra fahasambarana ho azy izany?

▪ Nahoana no tsy nahafa-po ny fialan-tsinin’ireo nasaina?

▪ Inona no asehon’ny fanoharana nataon’i Jesosy ny amin’ilay “sakafo hariva lehibe”?