Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nentina tany amin’i Anasy, avy eo dia tany amin’i Kaiafa

Nentina tany amin’i Anasy, avy eo dia tany amin’i Kaiafa

Toko 119

Nentina tany amin’i Anasy, avy eo dia tany amin’i Kaiafa

NENTINA tany amin’i Anasy, ilay mpisoronabe nanam-pahefana lehibe taloha, i Jesosy, nifatotra toy ny mpanao heloka bevava fanta-bahoaka. Mpisoronabe i Anasy fony i Jesosy, zazalahy 12 taona, nahatalanjona ireo mpampianatra raby tao amin’ny tempoly. Maromaro tamin’ireo zanak’i Anasy tatỳ aoriana no nanao ny asan’ny mpisoronabe, ary i Kaiafa vinantolahiny izao no nitana izany toerana izany.

Azo inoana fa nentina tany amin’ny tranon’i Anasy aloha i Jesosy, noho ny fahefana lehibe nananan’io lohan’ny mpisorona io hatramin’ny ela teo amin’ny fiainana ara-pivavahana jiosy. Io fijanonana teny an-dalana mba hijery an’i Anasy io dia namela fotoana ho an’i Kaiafa Mpisoronabe mba hamoriana ny Synedriona, ny fitsarana ambony jiosy nisy mpikambana 71, ary mba hanangonana vavolombelona mandainga koa.

Nanontany an’i Jesosy ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany izao i Anasy Mpisoronabe. Kanefa hoy i Jesosy namaly azy: “Niteny ampahibemaso tamin’izao tontolo izao aho. Nampianatra mandrakariva tao amin’ny synagoga sy tao amin’ny tempoly, izay iangonan’ny Jiosy rehetra, aho; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ny takona. Koa nahoana no manontany ahy ianao? Anontanio ireo olona nandre izay noteneniko taminy. Jereo! Ireo no mahalala izay nolazaiko”.

Tamin’izay, ny iray tamin’ireo mpanao raharaha nitsangana teo anilan’i Jesosy dia namely tahamaina azy sady nanao hoe: “Izany ve no famalinao ny lohan’ny mpisorona?”

“Raha niteny diso aho”, hoy ny navalin’i Jesosy, “ambarao ny maha-diso izany; fa raha marina kosa, nahoana ianao no mikapoka ahy?” Taorian’io fifamaliana io, dia nalefan’i Anasy tamin’ny fatorana ho any amin’i Kaiafa i Jesosy.

Izao dia efa nanomboka nivory ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona ary ny mpanora-dalàna rehetra, eny, ny Synedriona manontolo. Niharihary fa ny tranon’i Kaiafa no toerana nanaovany fivoriana. Kanefa, nazava tsara fa nandika ny lalàna jiosy ny fananganana fitsarana toy izany tamin’ny alin’ny Paska. Tsy nahasakana ireo filoha ara-pivavahana tamin’ny fikasan-dratsiny anefa izany.

Herinandro maromaro talohan’izay, rehefa nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy, dia efa nanapa-kevitra teo amin’izy samy izy ny Synedriona fa tsy maintsy ho faty izy. Ary roa andro monja talohan’izao, ny alarobia, ireo manam-pahefana ara-pivavahana dia niara-nihevitra ny hisambotra an’i Jesosy tamin-kafetsen-dratsy ary hamono azy. Eritrereto ange, raha ny marina dia efa voaheloka talohan’ny nitsarana azy izy!

Natao izao ny ezaka mba hahitana olona izay afaka ny ho vavolombelona hanome fanaporofoana tsy marina hiampangana an’i Jesosy. Tsy hita mihitsy anefa izay vavolombelona nifanaraka teo amin’ny filazana nataony. Tamin’ny farany dia nisy roa nanatona ary nanizingizina hoe: “Renay izy nanao hoe: ‘Hanjera ity tempoly nataon-tanana ity aho, ary ao anatin’ny hateloana dia hanangana hafa izay tsy nataon-tanana’.”

“Tsy milaza na inona na inona hamaly izany ve ianao?”, hoy ny fanontanian’i Kaiafa. “Inona no iampangan’ireto anao?” Nangina anefa i Jesosy. Na dia teo amin’io fiampangana lainga io aza, dia tsy afaka nampifanaraka ny fitantarany ireo vavolombelona, ka fampietrena ny Synedriona izany. Nanandrana tetika hafa àry ilay mpisoronabe.

Fantatr’i Kaiafa ny naha-mora tohina ny Jiosy tamin’izay rehetra nihambo ho ny Zanak’Andriamanitra mihitsy. Teo aloha, tamin’ny toe-javatra roa, dia niantso an’i Jesosy tsy tamim-piheverana ho mpiteny ratsy an’Andriamanitra mendrika ny ho faty izy ireo, ka indray mandeha, dia noho ny fiheveran’izy ireo tamin’ny fomba diso fa nihambo ho nitovy tamin’Andriamanitra izy. Izao i Kaiafa dia nanontany tamin-kafetsen-dratsy hoe: “Ampianianiko amin’Andriamanitra velona ianao hilaza aminay, raha ny Kristy, Zanak’Andriamanitra, ianao!”

Na inona na inona fiheveran’ny Jiosy, dia tena Zanak’Andriamanitra tokoa i Jesosy. Ary raha nangina izy dia nety ho noraisina ho toy ny fandavana ny naha-Kristy azy izany. Koa namaly tamin-kerim-po àry i Jesosy hoe: “Izy aho; ary ianareo dia hahita ny Zanak’olona mipetraka eo an-tanana ankavanan’ny hery sy avy miaraka amin’ny rahon’ny lanitra.”

Tamin’izay, tamin’ny fihetsika nampiseho fihetseham-po tafahoatra, dia nandriatra ny fitafiany i Kaiafa ary nihiaka hoe: “Niteny ratsy an’Andriamanitra izy! Inona koa no mbola ilantsika vavolombelona? Jereo! Renareo izao ilay fitenenan-dratsy an’Andriamanitra. Ahoana no hevitrareo?”

“Mendrika hohelohina ho faty izy”, hoy ny fanambarana nataon’ny Synedriona. Avy eo dia nanomboka nanao azy ho fihomehezana izy ireo, ary nilaza zavatra maro hitenenana ratsy azy. Namely tahamaina sy nandrora ny tavany izy ireo. Ny hafa nanarona ny tavany ary nanisy totohondry azy sady niteny tamim-panesoesoana hoe: “Maminania aminay, ry Kristy. Iza ilay namely anao teo?” Izany fihetsika nihoa-pampana sy tsy ara-dalàna izany dia nitranga nandritra ilay fitsarana natao tamin’ny alina. Matio 26:57-68, MN; Mt 26:3, 4, MN; Marka 14:53-65, MN; Lioka 22:54, 63-65, MN; Jaona 18:13-24, MN; Jn 11:45-53; Jn 10:31-39, MN; Jn 5:16-18.

▪ Taiza no nitondrana an’i Jesosy voalohany, ary inona no nitranga taminy tany?

▪ Taiza no nitondrana azy avy teo, ary noho ny fikasana inona?

▪ Ahoana no nahafahan’i Kaiafa nitarika ny Synedriona hanambara fa mendrika ny ho faty i Jesosy?

▪ Fihetsika nihoa-pampana sy tsy ara-dalàna inona no nitranga nandritra ny fitsarana?