Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nifanditra ireo mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy

Nifanditra ireo mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy

Toko 98

Nifanditra ireo mpianatra rehefa nanakaiky ny hahafatesan’i Jesosy

TEO akaikin’ny Onin’i Jordana i Jesosy sy ny mpianany, ary nita azy io mba handehanana avy teo amin’ny distrikan’i Pere ho any Jodia. Nisy maro hafa niara-dia taminy mba hankalaza ny Paska taona 33 am.fan.ir., izay hatao rehefa afaka herinandro teo ho eo monja.

Nandeha teo alohan’ny mpianany i Jesosy ary talanjona izy ireo noho ny fahatapahan-keviny feno fahasahiana. Tsarovy fa, herinandro vitsivitsy talohan’izay, rehefa maty i Lazarosy ka niomana hiala tany Pere hankany Jodia i Jesosy, dia nampirisika ny mpianatra hafa toy izao i Tomasy: “Andao koa isika ho any, mba hiara-maty aminy.” Tsarovy koa fa, rehefa avy nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy, dia nanao tetika hampamono an’i Jesosy ny Synedriona. Tsy nahagaga àry raha toa ka nangeja ny mpianatra ny tahotra rehefa niditra tao Jodia indray izy ireo izao.

Mba hanomanana azy ireo ho amin’izay niandry azy, dia naka ny 12 lahy nitokana i Jesosy ka nanao taminy hoe: “Indro miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’olona hatolotra ho amin’ireo lohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, dia hanameloka azy ho faty ireo ka hanolotra azy amin’ny olona eo amin’ireo firenena, ary hihomehy azy izy ireo ary handrora sy hikapoka azy ka hanombo azy amin’ny hazo fijaliana, nefa telo andro aorian’izay izy dia hitsangana.”

Fanintelony tamin’izay, tao anatin’ireo volana faramparany, no niresahan’i Jesosy tamin’ny mpianany ny amin’ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin’ny maty. Ary na dia nihaino azy aza izy ireo, dia tsy nahatakatra ny tiany holazaina. Angamba satria nino ny hanorenana indray ny fanjakan’ny Isiraely teto an-tany izy ireo, ka niandry tamim-panantenana ny hahazo laza sy voninahitra ao amin’ny fanjakana iray eto an-tany hiaraka amin’i Kristy.

Anisan’ireo mpandeha hankalaza ny Paska i Salome, renin’ny apostoly Jakoba sy Jaona. Nantsoin’i Jesosy hoe “Zana-baratra” ireo lehilahy ireo, tsy isalasalana fa noho ny toetran’izy ireo nirehidrehitra. Efa elaela izay, izy mirahalahy ireo dia nihazona tao an-tsaina ny fanirian-daza ny hahazo toerana ambony ao amin’ny Fanjakan’i Kristy ary nampahafantariny an-dreniny ny faniriany. Nanatona an’i Jesosy izao izy io mba hiresaka taminy tamin’ny anaran’izy ireo, niankohoka teo anatrehany ka nanao fangatahana taminy.

“Inona no tadiavinao?” hoy i Jesosy nanontany.

Namaly izy hoe: “Mandidia mba hipetrahan’ireto zanako roa lahy ireto, ny iray ho eo amin’ny tananao ankavanana, ary ny iray ho eo amin’ny ankavia, ao amin’ny fanjakanao.”

Fantatr’i Jesosy ny niavian’izany fangatahana izany ka hoy izy tamin’i Jakoba sy i Jaona: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Afaka misotro amin’ny kapoaka izay madiva hisotroako ve ianareo?”

“Afaka izahay”, hoy ny valintenin’izy ireo. Na dia vao avy nilaza taminy fa hiatrika fanenjehana mahatsiravina hiafara amin’ny famonoana aza i Jesosy, dia toa tsy takatr’izy ireo fa izany indrindra no tiany holazaina tamin’ny hoe “kapoaka” izay nadiva hisotroany.

Na dia izany aza, dia hoy Jesosy taminy: “Hisotro amin’ny kapoakako tokoa ianareo, fa ny hipetraka eo an-tanako havanana sy eo an-tanako havia, dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboaran’ny Raiko azy izany.”

Tatỳ aoriana dia ren’ny apostoly folo hafa izay nangatahin’i Jakoba sy i Jaona ka tezitra izy ireo. Angamba i Jakoba sy i Jaona no tena tafiditra tamin’ilay fifandirana ny amin’izay hoe lehibe indrindra nitranga teo amin’ireo apostoly talohan’izay. Ny fangatahana nataony izao dia nampiharihary fa tsy nampihatra ny torohevitr’i Jesosy momba io raharaha io izy ireo. Nampalahelo fa mbola mafy ny faniriany te ho ambony.

Mba handaminana an’ity fiadian-kevitra farany ity sy ny hatezerana naterany àry, dia namory azy 12 lahy i Jesosy. Nananatra azy ireo tamim-pitiavana izy ka nanao hoe: “Fantatrareo fa ny mpanapaka eo amin’ireo firenena dia manjakazaka eo aminy, ary ny lehibeny mampihatra ny fahefany aminy. Fa tsy mba toy izany eo aminareo; fa na iza na iza te ho lehibe aminareo dia tsy maintsy manompo anareo, ary na iza na iza te ho voalohany aminareo dia tsy maintsy ho mpanomponareo.”

Nanome ny ohatra tokony hotahafin’izy ireo i Jesosy, araka ny nohazavainy toy izao: “Tsy misy hafa amin’izany, fa tonga ny Zanak’olona, tsy mba hotompoina akory, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.” Tsy vitan’ny hoe nanompo ny hafa i Jesosy, fa mbola hanao izany hatramin’ny fahafatesana ho an’ny taranak’olombelona koa! Nila ny hanana izany toetran’i Kristy naniry hanompo fa tsy hotompoina, ary ho toy ny kely indrindra fa tsy hitady toerana ambony, izany koa ny mpianatra. Matio 20:17-28, MN; Marka 3:17; 9:33-37; 10:32-45, MN; Lioka 18:31-34, MN; Jaona 11:16, MN.

▪ Nahoana no nangeja ny mpianatra izao ny tahotra?

▪ Ahoana no nanomanan’i Jesosy ny mpianany ho amin’izay niandry azy?

▪ Inona no fangatahana natao tamin’i Jesosy, ary inona no vokatr’izany teo amin’ireo apostoly hafa?

▪ Ahoana no nandaminan’i Jesosy ilay zava-nanahirana teo amin’ny apostoliny?