Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nihena i Jaona, nitombo i Jesosy

Nihena i Jaona, nitombo i Jesosy

Toko 18

Nihena i Jaona, nitombo i Jesosy

TAORIAN’NY Paska tamin’ny lohataonan’ny taona 30 am.fan.ir., dia nandao an’i Jerosalema i Jesosy sy ny mpianany. Tsy niverina tany aminy tany Galilia anefa izy ireo fa nankany amin’ny tanin’i Jodia, izay nanaovany batisa. Efa ho herintaona teo ho eo izao no nanaovan’i Jaona mpanao batisa ilay asany tany am-boalohany iny ihany, ary mbola nanana mpianatra izy niaraka taminy.

Raha ny marina, dia tsy nanao batisa akory ny tenan’i Jesosy, fa ny mpianany no nanao izany teo ambany fitarihany. Nitovy heviny tamin’ny batisa nataon’i Jaona izy io, satria fanamarihana ny fibebahan’ny Jiosy iray noho ny fahotany tamin’ny faneken’ny Lalàn’Andriamanitra. Kanefa, aorian’ny fitsanganany amin’ny maty, dia hanome baiko ny mpianany i Jesosy mba hanao batisa izay hanana heviny hafa. Ny batisa kristiana amin’ny andro ankehitriny dia fanamarihana ny nanoloran’ny olona iray ny tenany hanompo an’i Jehovah Andriamanitra.

Eto amin’izao fotoana eo am-piandohan’ny fanompoan’i Jesosy izao anefa, izy sy i Jaona, na dia tsy niara-niasa akaiky aza, dia samy nampianatra sy nanao batisa ireo izay nibebaka. Nanjary nialona anefa ny mpianatr’i Jaona ary nitaraina taminy toy izao momba an’i Jesosy: “Raby ô, (...) indro, manao batisa izy, ary ny olona rehetra manatona azy.”

Tsy nialona i Jaona, fa nifaly kosa noho ny fahombiazan’i Jesosy ary tiany mba hifaly koa ireo mpianany. Nampahatsiaro azy ireo toy izao izy: “Ianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahina hialoha azy aho.” Avy eo izy dia nampiasa izao fanoharana mahafinaritra izao: “Izay manana ny ampakarina no mpampakatra. Fa ny sakaizan’ny mpampakatra, izay mitsangana mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ny mpampakatra. Noho izany, dia efa feno izany fifaliako izany.”

I Jaona, tamin’ny naha-sakaizan’ny Mpampakatra azy, dia nifaly, enim-bolana teo ho eo talohan’izay, rehefa nampahafantatra ireo mpianany an’i Jesosy. Tonga mpikambana ho avy ao amin’ny kilasin’ny ampakarin’i Kristy any an-danitra ho voaforon’ny kristiana voahosotry ny fanahy ny sasany tamin’izy ireo. Tian’i Jaona hanaraka an’i Jesosy koa ireo mpianany ireo, satria ny zava-nokendreny dia ny hanomana ny lalana ho an’ny fanompoan’i Kristy hahita fahombiazana. Nanazava izany toy izao i Jaona mpanao batisa: “Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”

I Jaona, ilay mpianatr’i Jesosy vaovao, izay mpianatr’i Jaona mpanao batisa koa teo aloha, dia nanoratra toy izao momba ny fiavian’i Jesosy sy ny anjara asa lehibe raisiny amin’ny famonjena ny olombelona: “Izay avy any ambony dia ambonin’izy rehetra. (...) Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra eo an-tanany. Izay maneho finoana ny Zanaka dia manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mankatò ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’Andriamanitra no mitoetra eo aminy.”

Tsy ela taorian’ny niresahan’i Jaona mpanao batisa ny amin’ny tsy maintsy hihenan’ny asany, dia nosamborin’i Heroda mpanjaka izy. Naka an’i Herodiasy, vadin’i Filipo rahalahiny, ho vadiny mantsy i Heroda, ary rehefa nahariharin’i Jaona ampahibemaso fa tsy nety ny zavatra nataony, dia nanao azy an-tranomaizina i Heroda. Rehefa ren’i Jesosy ny amin’ny nisamborana an’i Jaona, dia nandao an’i Jodia niaraka tamin’ny mpianany izy ka nankany Galilia. Jaona 3:22–4:3, MN; Asan’ny apostoly As 19:4; Matio 28:19; 2 Korintiana 11:2; Marka 1:14; Mr 6:17-20.

▪ Inona no hevitr’ireo batisa natao teo ambany fitarihan’i Jesosy talohan’ny nitsanganany tamin’ny maty? Ary ireo natao taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty?

▪ Ahoana no nampisehoan’i Jaona fa tsy nisy antony tokony hitarainan’ireo mpianany?

▪ Nahoana i Jaona no nampidirina an-tranomaizina?