Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nikasika ny akanjony izy

Nikasika ny akanjony izy

Toko 46

Nikasika ny akanjony izy

TONGA tany Kapernaomy ny vaovao hoe niverina avy tany Dekapolisy i Jesosy, ka niangona teo amoron-dranomasina ny vahoaka maro be mba hitsena azy. Tsy isalasalana fa ren’izy ireo fa nampitony ilay tafiodrivotra sy nanasitrana ireo lehilahy azon’ny demonia izy. Izao, raha nidina an-tanety izy, dia nanodidina azy ny rehetra, dodona sady may ny hahita izay hitranga.

Ny iray tamin’ireo izay tsy nahandry ny hahita an’i Jesosy dia i Jairo, mpanao raharaha iray tao amin’ny synagoga. Niantoraka teo an-tongotr’i Jesosy izy ary nitalaho mafy taminy tsy an-kijanona nanao hoe: “Marary efa ho faty ny zanako vavy kely. Tongava re hametraka ny tananao aminy mba ho sitrana izy ka ho velona.” Koa satria izy no hany zanany, sady vao 12 taona monja, dia sarobidy tokoa tamin’i Jairo izy io.

Nanaiky i Jesosy ary, raha narahin’ny vahoaka izy, dia nandeha ho any an-tranon’i Jairo. Azontsika alaina sary an-tsaina ny fahataitairana be teo amin’ny olona raha nanantena ny hahita fahagagana hafa iray izy ireo. Ny sain’ny vehivavy iray teo anivon’ny vahoaka anefa dia tsy nifantoka afa-tsy tamin’ny zava-nanahirana azy mafy.

Hatramin’ny fotoana ela be naharitra 12 taona, dia narary nitsi-dra io vehivavy io. Nitety mpitsabo maro izy ka nandany ny volany rehetra tamin’ny fitsaboana. Tsy nisy afaka nanampy azy anefa fa vao mainka nihamafy aza ilay zava-nanahirana azy.

Araka ny azo inoana fa takatrao, ankoatra ny fahosana mafy naterak’izany, dia nahamenatra sy nahafa-baraka ny aretiny. Tsy fanao mazàna ny niresaka ampahibemaso momba ny fahavoazana toy izany. Fanampin’izany, teo ambany Lalàn’i Mosesy, dia nahatonga ny vehivavy iray haloto raha nitsi-dra ela izy, ary izay nikasika azy na ny fitafiany voaloton’ny ra dia tokony hisasa ka hitoetra haloto mandra-paharivan’ny andro.

Nahare momba ireo fahagagana nataon’i Jesosy ilay vehivavy ary izao izy dia nitady azy. Noho ny fahalotoany, dia namakivaky ny vahoaka tamin’ny fomba tsy hahitana azy araka izay azony natao izy, niteny anakampo hoe: “Na dia ny lambany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho.” Rehefa nanao izany izy, avy hatrany dia tsapany fa ritra ny fandehan’ny ra tao aminy!

“Iza no nikasika ahy?” Tsy maintsy ho nanaitra azy tokoa ireo tenin’i Jesosy ireo! Ahoana no nahafantarany? ‘Mpampianatra ô’, hoy i Petera nanohitra, ‘ny vahoaka mifanety aminao sy manery anao, ka hoy ianao hoe: “Iza no nikasika ahy?” ’

Raha nijery nanodidina nitady ilay vehivavy i Jesosy, dia nanazava hoe: “Nisy olona nikasika ahy, fa tsapako fa nisy hery nivoaka avy tamiko.” Eny tokoa, tsy fikasihana tsotra fotsiny ilay izy, satria naka hery tamin’i Jesosy ilay fanasitranana vokatr’izany.

Rehefa hitan’ilay vehivavy fa tsy afa-niafina izy, dia nankeo amin’i Jesosy izy ka niantoraka teo anoloany, raiki-tahotra sady tora-kovitra. Teo anoloan’ny olona rehetra, dia nambarany ny marina rehetra momba ny aretiny sy ny vao nahasitrana azy izao.

Nihetsi-po noho ny teny fiekena tanteraka nataony i Jesosy ka nampahery azy tamim-pangoraham-po toy izao: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka. Mandehana am-piadanana, ary sitràna amin’ny aretina mafy nahazo anao.” Tsara tokoa ny mahafantatra fa Ilay nofidin’Andriamanitra hanapaka ny tany dia olona be hafanam-po sy fangoraham-po toy izany, izay sady tia ny olona no manana ny hery hanampiana azy ireo! Matio 9:18-22, MN; Marka 5:21-34, MN; Lioka 8:40-48, MN; Levitikosy 15:25-27.

▪ Iza moa i Jairo, ary nahoana izy no nanatona an’i Jesosy?

▪ Inona no zava-nanahirana ny vehivavy iray, ary nahoana no sarotra taminy aoka izany ny nandeha hitady fanampiana tany amin’i Jesosy?

▪ Ahoana no nahasitrana ilay vehivavy, ary ahoana no nampaherezan’i Jesosy azy?