Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nipoaka ny fifandirana iray

Nipoaka ny fifandirana iray

Toko 115

Nipoaka ny fifandirana iray

TEO aloha kokoa tamin’izao takariva izao, dia nanome fianarana nahafinaritra ny amin’ny fanompoana ny hafa amim-panetren-tena i Jesosy tamin’ny fanasana ny tongotry ny mpianany. Taorian’izay, dia natombony ny Fahatsiarovana ny fahafatesany izay nihananatona. Izao, noho izay vao avy nitranga teo indrindra, dia nisy fisehoan-javatra nahagaga nitranga. Nanjary tafiditra tao anatin’ny fifandirana nirehitra ny amin’ny hoe iza tamin’izy ireo no toa lehibe indrindra, ny apostoliny! Toa tohin’ny fifamaliana efa naharitra ela izy io.

Tsarovy fa taorian’ny niovan’i Jesosy tarehy teo an-tendrombohitra, dia nifanditra ny amin’izay lehibe indrindra tamin’izy ireo ny apostoly. Ambonin’izany, i Jakoba sy i Jaona dia nangataka toerana ambony ao amin’ny Fanjakana, ka nahatonga fifanjihirana hafa koa teo amin’ireo apostoly. Izao, tamin’ny alina farany niarahany taminy, toy inona moa no tsy maintsy ho alahelon’i Jesosy nahita azy ireo nifamaly tsy amin’ny antony indray! Inona no nataony?

Tsy nibedy ny apostoly noho ny fihetsiny i Jesosy, fa teto indray koa izy dia mbola nampisaintsaina azy tamim-paharetana toy izao: “Ny mpanjaka eo amin’ireo firenena dia manjakazaka eo aminy, ary izay mampihatra fahefana eo aminy dia atao hoe Mpanao soa. Ianareo anefa tsy tokony ho toy izany. (...) Fa iza moa no lehibe kokoa, ilay mandry ilika eo am-pisakafoana ve, sa ilay manompo? Tsy ilay mandry ilika eo am-pisakafoana ve?” Avy eo, dia nampahatsiaro azy ireo ny ohatra nomeny ka hoy izy hoe: “Fa izaho dia eo aminareo toy izay manompo.”

Na dia teo aza ny tsy fahatanterahan’izy ireo, ny apostoly dia nifikitra tamin’i Jesosy nandritra ny fitsapana nahazo azy. Noho izany dia hoy izy: “Manao fanekena aminareo aho, tsy misy hafa amin’ny nanaovan’ny Raiko fanekena tamiko, dia fanekena ho amin’ny fanjakana iray.” Io fanekena manokana teo amin’i Jesosy sy ireo mpanara-dia azy nahatoky io, dia nampiray azy ireo taminy mba hiara-manana aminy ny fahefany amin’ny maha-mpanjaka. Voafetra ho 144 000 monja ny isan’ireo voaray ao amin’io fanekena ho amin’ny Fanjakana io amin’ny farany.

Na dia notolorana io fahatsinjovana mahatalanjona ny hiara-manapaka ny Fanjakana amin’i Kristy io aza ny apostoly, ankehitriny izy ireo dia mbola osa ara-panahy. “Ho tafintohina noho ny amiko ianareo rehetra anio alina”, hoy i Jesosy. Kanefa, nilaza tamin’i Petera i Jesosy fa nivavaka ho azy ary nampirisika azy toy izao: “Raha vao tafaverina ianao, dia ampaherezo ireo rahalahinao.”

“Vetivety foana no sisa hiarahako aminareo, anaka”, hoy ny fanazavan’i Jesosy, “Hitady ahy ianareo; ary tsy misy hafa amin’ny nolazaiko tamin’ny Jiosy hoe: ‘Izay alehako dia tsy azonareo aleha’, dia toy izany koa no lazaiko aminareo ankehitriny. Manome anareo didy vaovao aho, dia ny mba hifankatiavanareo; tsy misy hafa amin’ny nitiavako anareo no aoka hifankatiavanareo koa. Izao no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo, raha misy fifankatiavana eo aminareo.”

“Tompo ô, ho aiza moa ianao?”, hoy i Petera nanontany.

“Izay alehako, dia tsy azonareo anarahana ahy izao”, hoy ny navalin’i Jesosy, “fa hanaraka ahy ihany ianareo any aoriana”.

“Tompo ô, nahoana aho no tsy afaka manaraka anao izao?”, hoy i Petera ta hahafantatra. “Hafoiko noho ny aminao ny fanahiko [âme].”

“Hafoinao noho ny amiko ve ny fanahinao [âme]?”, hoy i Jesosy nanontany. “Milaza aminao marina dia marina tokoa aho: Anio ianao, eny, anio alina, alohan’ny hanenoan’ny akoholahy iray indroa, na dia ianao aza dia handa ahy intelo.”

“Na dia hiara-maty aminao aza aho”, hoy i Petera nanohitra, “dia tsy handa anao velively.” Ary raha samy nilaza toy izany koa ny apostoly hafa, dia nandoka tena i Petera nanao hoe: “Na dia ho tafintohina noho ny aminao aza ny hafa rehetra, izaho dia tsy ho tafintohina na oviana na oviana!”

Nanisy fitenenana ny amin’ny fotoana nanirahany ny apostoly hanao dia fitoriana nanerana an’i Galilia tsy nisy kitapom-bola na kitapom-batsy i Jesosy ary nanontany hoe: “Tsy nisy zavatra nahory anareo, sa tsy izany?”

“Tsy nisy”, hoy ny navaliny.

“Fa amin’izao kosa, izay manana kitapom-bola dia aoka hitondra azy, ary toy izany koa ny kitapom-batsy”, hoy izy, “ary izay tsy manan-tsabatra, dia aoka hivarotra ny lambany ka hividy iray. Fa lazaiko aminareo fa tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao hoe: ‘Ary izy natao ho isan’ny mpandika lalàna’. Fa eo am-panatanterahana azy izay mikasika ahy”.

Nanondro ny fotoana hanomboana azy miaraka amin’ny mpanao ratsy, na mpandika lalàna, i Jesosy. Nasehony koa fa hiatrika fanenjehana mafy ireo mpanara-dia azy aorian’izay. “Tompo ô, indreto! sabatra roa”, hoy izy ireo.

“Aoka izay”, hoy ny navaliny. Araka ny ho hitantsika, ny fananan’izy ireo sabatra tany aminy dia hamela tsy ho ela an’i Jesosy hanome fianarana lehibe dia lehibe hafa iray. Matio 26:31-35, MN; Marka 14:27-31, MN; Lioka 22:24-38, MN; Jaona 13:31-38, MN; Apokalypsy 14:1-3.

▪ Nahoana no nahagaga aoka izany ny nifandiran’ireo apostoly?

▪ Ahoana no nandaminan’i Jesosy ilay fifandirana?

▪ Inona no notanterahan’ilay fanekena nifanaovan’i Jesosy tamin’ny mpianany?

▪ Didy vaovao inona no nomen’i Jesosy, ary manao ahoana ny halehiben’izy io?

▪ Fatokian-tena tafahoatra toy inona no nasehon’i Petera, ary inona no nambaran’i Jesosy?

▪ Nahoana ireo toromarik’i Jesosy momba ny fitondrana kitapom-bola sy kitapom-batsy no tsy nitovy tamin’ny nomeny taloha kokoa?