Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Niteny mafy ireo Fariseo i Jesosy

Niteny mafy ireo Fariseo i Jesosy

Toko 42

Niteny mafy ireo Fariseo i Jesosy

RAHA herin’i Satana no namoahany demonia, hoy i Jesosy, dia niady an-trano i Satana. “Na, ataovinareo tsara ny hazo mbamin’ny voany”, hoy izy nanohy ny teniny, “na, ataovinareo lo ny hazo mbamin’ny voany; fa ny voany no ahafantarana ny hazo.”

Hadalana ny hiampangana fa ilay voa tsaran’ny fandroahana demonia dia vokatry ny nanompoan’i Jesosy an’i Satana. Raha tsara ny voa, dia tsy mety ho lo ilay hazo. Etsy an-daniny kosa, ny voa lo nasehon’ireo Fariseo tamin’ireo fiampangany izay tsy inona fa hevi-dravina ary ny fanoherany an’i Jesosy tsy marim-pototra dia porofo fa izy ireo mihitsy no lo. “Ry taranaky ny menarana”, hoy ny fihiakan’i Jesosy, “hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? Fa avy amin’ny haben’ny ao am-po no itenenan’ny vava.”

Koa satria manome taratry ny toetry ny fontsika ireo tenintsika, izay lazaintsika dia azo itsarana antsika. “Lazaiko aminareo”, hoy i Jesosy, “fa hampamoahina ny olona amin’ny Andro Fitsarana noho ny amin’ny teny tsy mahasoa rehetra izay ataony; fa ny teninareo no hanamarinana anareo, ary ny teninareo no hanamelohana anareo.”

Na dia teo aza ireo asa lehibe nataon’i Jesosy, dia nanao izao fangatahana izao ireo mpanora-dalàna sy Fariseo: “Mpampianatra ô, ta hahita famantarana avy aminao izahay.” Na dia nety ho tsy nahita nivantana ireo fahagagana nataony aza ireto olona avy tany Jerosalema ireto, dia nisy ny porofo hita maso tsy azo nolavina ny amin’izany. Hoy àry i Jesosy tamin’ireo mpitondra jiosy: “Izay taranaka ratsy fanahy sy mijangajanga dia tsy mitsahatra mitady famantarana, nefa tsy hisy famantarana homena azy, afa-tsy ny famantarana ny amin’i Jona mpaminany.”

Nanazava ny tiany holazaina i Jesosy tamin’ny fanohizana ny teniny toy izao: “Tahaka ny nitoeran’i Jona telo andro sy telo alina tao an-kibon’ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ny Zanak’olona telo andro sy telo alina ao anatin’ny tany.” Rehefa avy natelin’ilay hazandrano i Jona dia nivoaka avy tao, toy ny hoe nitsangana tamin’ny maty, koa tamin’izany àry i Jesosy dia nilaza mialoha fa ho faty izy ary amin’ny andro fahatelo dia haverina ho amin’ny fiainana. Kanefa, ireo mpitondra jiosy, na dia atỳ aorian’ny hitsanganan’i Jesosy amin’ny maty aza, dia handa “ny famantarana ny amin’i Jona”.

Araka izany, i Jesosy dia nilaza fa ireo olona tany Ninive, izay nibebaka tamin’ny fitorian’i Jona, dia hitsangana amin’ny fitsarana mba hanameloka ireo Jiosy izay nanda an’i Jesosy. Toy izany koa fa nanao fampitahana tamin’ny mpanjakavavin’i Seba, izay tonga avy tany amin’ny faran’ny tany mba handre ny fahendren’i Solomona ka nitolagaga noho izay hitany sy reny, i Jesosy. “Nefa, indro!”, hoy ny nomarihin’i Jesosy, “misy lehibe noho i Solomona eto.”

Avy eo i Jesosy dia nanome ny fanoharana momba ny lehilahy iray nivoahan’ny fanahy maloto iray. Tsy nameno ilay banga tamin’ny zavatra tsara anefa io lehilahy io, ka vao mainka azon’ny fanahy fito ratsy kokoa. “Ary dia tahaka izany koa no ho amin’ity taranaka ratsy fanahy ity”, hoy i Jesosy. Nodiovina ary nahita fanovana ny firenena isiraelita — toy ny nivoahan’ny fanahy maloto iray vetivety. Nefa ny fandavan’io firenena io ireo mpaminanin’Andriamanitra, izay niafara tamin’ny fanoherany an’i Kristy mihitsy, dia nampiharihary fa vao mainka ratsy kokoa noho ny tany am-boalohany ny toetra ratsiny.

Raha teo am-pitenenana i Jesosy, dia tonga ny reniny sy ny rahalahiny ka nijanona tany ivelan’ny vahoaka. Nisy nilaza àry hoe: “Indro! Ny reninao mbamin’ny rahalahinao mijanona ao ala-trano, mitady hiteny aminao.”

“Iza moa no reniko, ary iza no rahalahiko?”, hoy i Jesosy nanontany. Naninjitra ny tanany nanondro ny mpianany izy ka nanao hoe: “Indro! Ny reniko sy ny rahalahiko! Fa na iza na iza no manao ny sitrapon’ny Raiko izay any an-danitra, dia izy no rahalahiko sy anabaviko ary reniko.” Tamin’izany fomba izany, dia nampiseho i Jesosy fa, na nanao ahoana na nanao ahoana hamafin’ny fatorana nampiray azy tamin’ny havany, dia mafy kokoa ny fifandraisany tamin’ireo mpianany. Matio 12:33-50, MN; Marka 3:31-35; Lioka 8:19-21.

▪ Tamin’ny ahoana no tsy nanaovan’ireo Fariseo ny “hazo” sy ny “voa” ho tsara?

▪ Inona moa “ny famantarana ny amin’i Jona”, ary amin’ny ahoana no handavana izany atỳ aoriana?

▪ Tamin’ny ahoana no nitovian’ny firenena isiraelita tamin’ny taonjato voalohany tamin’ilay lehilahy nivoahan’ny fanahy ratsy iray?

▪ Ahoana no nampisongadinan’i Jesosy ny fifandraisana akaiky nananany tamin’ireo mpianany?