Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy ny mpianatra maro

Nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy ny mpianatra maro

Toko 55

Nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy ny mpianatra maro

NAMPIANATRA tao amin’ny synagoga iray tao Kapernaomy momba ny anjara asany tamin’ny naha-tena mofo avy any an-danitra azy i Jesosy. Ny lahateny nataony dia niharihary fa fitohizan’ilay firesahana natombony tamin’ireo olona nahita azy rehefa niverina avy tany amin’ny ilany atsinanan’ny Ranomasin’i Galilia izy ireo, teo amin’ilay toerana nihinanany tamin’ireo mofo sy hazandrano nomeny tamin’ny fomba mahagaga.

Nanohy ny fanamarihany i Jesosy ka nanao hoe: “Ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’izao tontolo izao.” Roa taona monja talohan’izay, tamin’ny lohataonan’ny taona 30 am.fan.ir., i Jesosy dia nilaza tamin’i Nikodemosy fa tia izao tontolo izao aoka izany Andriamanitra, hany ka nomeny ny Zanany lahy mba ho Mpamonjy. Araka izany, izao i Jesosy dia nampiseho fa na iza na iza eo amin’izao tontolo izaon’ny taranak’olombelona nihinana tamin’ny heviny ara-panoharana tamin’ny nofony, tamin’ny fanehoana finoana ny sorona hotanterahiny tsy ho ela, dia nety hahazo fiainana mandrakizay.

Tafintohina tamin’ireo tenin’i Jesosy anefa ny olona. “Hataon’io lehilahy io ahoana no fanome ny nofony hohanintsika?”, hoy ny fanontanian’izy ireo. Tian’i Jesosy ho takatry ny mpihaino azy fa ny fihinanana ny nofony dia ho amin’ny heviny ara-panoharana. Koa, mba hanasongadina izany àry, dia nilaza zavatra mbola vao mainka tsy azo nekena raha noraisina tamin’ny heviny ara-bakiteny, izy.

“Raha tsy mihinana ny nofon’ny Zanak’olona sy misotro ny rany ianareo”, hoy ny nambaran’i Jesosy, “dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay, ary izaho hanangana azy amin’ny maty amin’ny andro farany; fa ny nofoko no tena hanina, ary ny rako no tena fisotro. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ho tafaray amiko, ary izaho kosa ho tafaray aminy.”

Marina fa ho toa nanafintohina indrindra ny fampianaran’i Jesosy raha nanipy hevitra ny hihinanana nofon’olona izy. Kanefa, mazava ho azy, fa tsy nampirisika ny fihinanana nofo na ny fisotroana ra tamin’ny heviny ara-bakiteny i Jesosy. Nanasongadina fotsiny izy fa izay rehetra hahazo fiainana mandrakizay dia tsy maintsy maneho finoana ny sorona hataony rehefa hanolotra ny tenan’olombelona tanteraka nananany izy ka handatsaka ny rany. Kanefa, na dia ny maro tamin’ireo mpianany aza dia tsy nanandrana ny hahatakatra ny fampianarany ka nanohitra hoe: “Maharikoriko izany teny izany; iza no mahahaino izany?”

Fantatr’i Jesosy fa nimonomonona ny maro tamin’ireo mpianany, ka hoy izy: “Mahatafintohina anareo ve izany? Mainka raha mahatazana ny Zanak’olona miakatra ho any amin’izay nitoerany taloha ianareo? (...) Ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana. Kanefa misy ny sasany aminareo izay tsy mino.”

Nanohy ny teniny toy izao i Jesosy: “Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona afaka manatona ahy raha tsy nomen’ny Ray azy izany.” Tamin’izay, dia niala ny maro tamin’ireo mpianany ka tsy nanaraka azy intsony. Nitodika tany amin’ny apostoliny 12 àry i Jesosy ka nanontany hoe: “Maniry ny handeha koa ve ianareo?”

Namaly i Petera hoe: “Tompo ô, hankany amin’iza moa izahay? Manana tenin’ny fiainana mandrakizay ianao; ary nino sy nanjary nahafantatra izahay fa ianao no Ilay Masin’Andriamanitra.” Fanehoana fahatokiana tsara dia tsara tokoa re izany, na dia nety ho tsy takatr’i Petera sy ireo apostoly hafa tamin’ny fomba feno aza ny fampianaran’i Jesosy momba io raharaha io!

Na dia nahafaly azy aza ny fihetsik’i Petera, dia nanao izao fanamarihana izao i Jesosy: “Nifidy anareo roa ambin’ny folo lahy aho, sa tsy izany? Nefa ny iray aminareo dia mpanendrikendrika.” Niresaka momba an’i Jodasy Iskariota izy. Nety ho nanomboka teo i Jesosy dia nahatsikaritra tao amin’i Jodasy ny “fanombohana”, na fiandohan’ny fomba fiaina diso.

Vao avy nandiso fanantenana ny olona i Jesosy tamin’ny fanoherany ny fanandraman’izy ireo hanao azy ho mpanjaka, ary nety ho nanjohy hevitra izy ireo hoe: ‘Ahoana no hahafahan’io ho ny Mesia raha tsy mety hiantsoroka ny toerana tokony hotanan’ny Mesia akory izy?’ Izany koa dia ho fanontaniana vaovao tao an-tsain’ny olona. Jaona 6:51-71, MN; 3:16, MN.

▪ Ho an’iza no anomezan’i Jesosy ny nofony, ary amin’ny ahoana no ‘ihinanan’ireo ny nofony’?

▪ Tenin’i Jesosy fanampiny inona avy no naharikoriko ny olona, kanefa inona no nohamafisiny?

▪ Rehefa nisy olona maro nitsahatra tsy nanaraka an’i Jesosy, dia nanao ahoana ny fihetsik’i Petera?