Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nody tany Kapernaomy

Nody tany Kapernaomy

Toko 26

Nody tany Kapernaomy

IZAO dia efa niely hatraiza hatraiza ny lazan’i Jesosy, ary olona maro no nanao ny dia ho any amin’ireo toerana lavitra sady sarotra naleha nipetrahany. Rehefa afaka andro vitsivitsy anefa, dia niverina nankany Kapernaomy izy tamin’ny fandalovana tamin’ny Ranomasin’i Galilia. Vetivety dia niely eran’ny tanàna ny vaovao fa nody izy, ary maro no nankany amin’ny trano nisy azy. Nisy Fariseo sy mpampianatra Lalàna maro tonga avy tany an-tany lavitra toa an’i Jerosalema.

Betsaka aoka izany ilay vahoaka hany ka nifanizina teo am-baravarana izy ireo ary tsy nisy nahafahan’ny olon-kafa niditra intsony. Vonona ho an’ny fisehoan-javatra niavaka dia niavaka iray ny tarehin-javatra tamin’izay. Iankinan’ny aina ilay zavatra hitranga tamin’io toe-javatra io, satria manampy antsika hahatakatra fa manan-kery hanaisotra ny fototry ny fahorian’ny olombelona sy hamerina ny fahasalamana ho an’izay rehetra fidiny hanaovana izany i Jesosy.

Raha teo am-pampianarana ilay vahoaka i Jesosy, dia nisy lehilahy efatra nitondra lehilahy nalemy teo ambonin’ny fandriana azo nobataina nankany amin’ilay trano. Tian’izy ireo hositranin’i Jesosy ny namany, nefa noho ilay vahoaka, dia tsy afaka niditra izy ireo. Nandiso fanantenana azy ireo tokoa izany! Tsy kivy anefa izy ireo. Niakatra nankeo amin’ilay tafontrano marin-tampona izy ireo, nanao lavaka tao ary nampidina ilay fandriana nandrian’ilay lehilahy nalemy teo akaiky kelin’i Jesosy.

Tezitra ve i Jesosy satria notapahina ny teniny? Tsy izany velively! Nanohina mafy ny fony sy ny sainy kosa aza ny finoan’izy ireo. Hoy izy tamin’ilay olona nalemy: “Voavela ny fahotanao.” Afaka mamela fahotana marina tokoa ve anefa i Jesosy? Tsy nino izany ireo mpanora-dalàna sy Fariseo. Nanjohy hevitra tao am-po toy izao izy ireo: “Nahoana io lehilahy io no miteny toy izany? Miteny ratsy an’Andriamanitra izy. Iza no mahavela fahotana afa-tsy iray ihany, dia Andriamanitra?”

Nahafantatra ny eritreriny i Jesosy ka nanao taminy hoe: “Nahoana ianareo no mieritreritra izany zavatra izany ao am-ponareo? Iza moa no moramora kokoa, ny manao amin’ilay olona malemy hoe: ‘Voavela ny fahotanao’, sa ny manao hoe: ‘Mitsangàna, batao ny fandrianao ka mandehana’?”

Avy eo i Jesosy dia namela ilay vahoaka, anisan’izany ireo nanakiana azy, hahita fampisehoana niavaka iray izay hampiharihary fa nanana fahefana ny hamela fahotana teto an-tany izy ary koa, fa ilay lehilahy niavaka indrindra niaina teto an-tany ny tenany. Nitodika tany amin’ilay olona nalemy izy ary nibaiko azy hoe: “Mitsangàna, batao ny fandrianao, ka modia any an-tranonao.” Ary nanao izany avy hatrany izy, ka niala teo anatrehan’izy rehetra niaraka tamin’ny fandriany! Talanjona ny olona ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary nihiaka hoe: “Tsy mbola nahita izay toy izao izahay”!

Voamarikao ve fa nampifandraisin’i Jesosy tamin’ny aretina ny fahotana ary koa, fa niaraka tamin’ny fahazoana fahasalamana ara-batana ny famelana fahotana? Manazava ny Baiboly fa nanota i Adama razambentsika voalohany ka nandova ny vokatr’izany fahotana izany, izany hoe ny aretina sy ny fahafatesana, isika rehetra. Eo ambany fanapahan’ny Fanjakan’Andriamanitra anefa, i Jesosy dia hamela ny fahotan’ireo rehetra tia sy manompo an’Andriamanitra, ary avy eo dia hesorina avokoa ny aretina rehetra. Ho toy inona moa ny hatsaran’izany! Marka 2:1-12, MN; Lioka 5:17-26, MN; Matio 9:1-8, MN; Romana 5:12, 17-19.

▪ Tarehin-javatra nanao ahoana moa no vonona ho an’ny fisehoan-javatra tena niavaka iray?

▪ Ahoana no nahatongavan’ilay olona nalemy teo amin’i Jesosy?

▪ Nahoana moa no mpanota isika rehetra, nefa ahoana no nanomezan’i Jesosy fanantenana fa azo atao ny mahazo famelana ny fahotantsika sy fahasalamana tanteraka?