Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany

Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany

Toko 2

Nomem-boninahitra talohan’ny nahaterahany

REHEFA avy nilaza tamin’ilay vehivavy tanora natao hoe Maria ny anjely Gabriela fa hiteraka zazalahy izay ho tonga mpanjaka mandrakizay izy, dia nanontany i Maria hoe: “Hanao ahoana re no hahatanteraka izany, fa tsy manana firaisana amin-dehilahy aho?”

“Ho tonga ao aminao ny fanahy masina”, hoy ny fanazavan’i Gabriela, “ary hisy herin’ny Avo Indrindra hanaloka anao. Noho izany antony izany koa no hiantsoana izay ho teraka hoe masina, Zanak’Andriamanitra.”

Mba hanampiana an’i Maria hino ny hafatra nentiny, dia nanohy toy izao i Gabriela: “Ary, indro! I Elizabeta havanao dia efa mitoe-jaza koa, na dia efa antitra aza; ary efa eo amin’ny fahenim-bolany izy izao, izay natao hoe vehivavy momba; fa tsy hisy tsy ho tanteraka ny teny rehetra ataon’Andriamanitra.”

Nanaiky ny tenin’i Gabriela i Maria. Ary nanao ahoana ny fihetsiny tamin’izany? “Indro, ny ankizivavin’i Jehovah!”, hoy ny fihiakany. “Enga anie ho tonga amiko araka ny teninao.”

Fotoana fohy taorian’ny nandaozan’i Gabriela azy, dia niomana i Maria ary nandeha hitsidika an’i Elizabeta, izay nonina tany amin’ny faritra be tendrombohitr’i Jodia niaraka tamin’i Zakaria vadiny. Avy teo amin’ny tranon’i Maria tany Nazareta, dia haharitra telo na efatra andro angamba io dia lava io.

Rehefa tonga tany amin’ny tranon’i Zakaria i Maria tamin’ny farany, dia niditra tao ary nanolotra fiarahabana. Tamin’izay indrindra, dia feno fanahy masina i Elizabeta, ary hoy izy tamin’i Maria: “Voatahy eo amin’ny vehivavy rehetra ianao, ary voatahy ny hateraky ny kibonao! Ahoana no ahatongavan’izany tombontsoa izany amiko, no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa, indro, raha vao ren’ny sofiko ny feon’ny fiarahabanao, dia nibitaka noho ny hafaliana be ny zaza ato an-kiboko.”

Raha vao nahare izany i Maria dia namaly tamim-pankasitrahana feno fahatsoram-po hoe: “Ny fanahiko [âme] mankalaza an’i Jehovah, ary ny fanahiko [esprit] efa ravoravo tamin’Andriamanitra, Mpamonjy ahy; fa efa nijery ny fahambanian-toetry ny ankizivaviny izy. Fa, indro, hatramin’ny ankehitriny dia hataon’ny taranaka rehetra ho sambatra aho; satria ny Mahery efa nanao zavatra lehibe tamiko”. Kanefa, na dia teo aza izany fahasoavana naseho azy izany, dia nanome ny voninahitra rehetra an’Andriamanitra i Maria. “Masina ny anarany”, hoy izy, “ary ny famindrampony dia amin’izay matahotra azy hatramin’ny taranaka fara mandimby.”

Nanohy nidera an’Andriamanitra i Maria tao amin’ny hira ara-paminaniana iray, ka nanambara hoe: “Nanao asa lehibe tamin’ny sandriny izy; nampihahaka ny mpiavonavona tamin’ny fiheveran’ny fony Izy. Nampiala ny lehilahy be fahefana tamin’ny seza fiandrianany izy, ary nanandratra ny ambany kosa. Ny noana novokisany soa; fa ny manan-karena kosa nampialainy maina. Tonga nanampy ny Isiraely mpanompony izy, fa nahatsiaro ny famindrampony, araka ny voalazany tamin’ny razantsika, tamin’i Abrahama sy ny taranany, mandrakizay.”

Nijanona telo volana teo ho eo teo anilan’i Elizabeta i Maria, ary tsy isalasalana fa nanampy tokoa an’i Elizabeta izany nandritra ireo herinandro faramparany naha-bevohoka azy. Tsara dia tsara tokoa ny naha-tafaray an’ireo vehivavy nahatoky roa ireo, izay samy nanana anaka noho ny fanampian’Andriamanitra, tamin’izao fotoana voatahy teo amin’ny fiainan’izy ireo izao.

Voamarikao ve ny voninahitra nomena an’i Jesosy raha mbola tsy teraka akory izy? Niantso azy hoe “Tompoko” i Elizabeta, ary nibitaka noho ny hafaliana ny zaza tao an-kibony raha vao niseho i Maria. Ny hafa kosa anefa tatỳ aoriana dia tsy naneho fanajana firy azy sy ilay zaza haterany, araka ny ho hitantsika. Lioka 1:26-56, MN.

▪ Inona no nolazain’i Gabriela mba hanampiana an’i Maria hahazo ny fomba hananany anaka?

▪ Ahoana no nanomezam-boninahitra an’i Jesosy talohan’ny hahaterahany?

▪ Inona no nolazain’i Maria tao amin’ny hira ara-paminaniana iray ho fiderana an’Andriamanitra?

▪ Hafiriana no nijanonan’i Maria teo anilan’i Elizabeta, ary nahoana no nety ny nijanonan’i Maria teo anilan’i Elizabeta nandritra io fotoana io?