Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny andraikitry ny mpianatra iray

Ny andraikitry ny mpianatra iray

Toko 84

Ny andraikitry ny mpianatra iray

REHEFA avy nandao ny tranon’ilay Fariseo nanana toerana ambony, izay toa mpikambana tao amin’ny Synedriona, i Jesosy dia nanohy ny diany nankany Jerosalema. Nisy vahoaka maro be nanaraka azy. Inona anefa no antony nanosika azy ireo? Inona marina no tena tafiditra tamin’ny naha-tena mpanara-dia an’i Jesosy?

Teny am-pandehanana, dia nitodika tany amin’ny vahoaka i Jesosy ary angamba nanaitra mafy azy ireo rehefa nilaza hoe: “Raha misy manatona ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, na dia ny fanahiny (âme) mihitsy aza, dia tsy afaka ny ho mpianatro.”

Inona no tian’i Jesosy holazaina? Tsy nilaza akory i Jesosy teto fa tokony hankahala ara-bakiteny ny havany ny mpanara-dia azy. Tsy maintsy mankahala azy kosa izy ireo amin’ny heviny hoe tia azy ireny latsaka noho ny fitiavany azy. I Jakoba razamben’i Jesosy dia voalaza fa ‘nankahala’ an’i Lea ary tia an’i Rahely, ka nidika izany fa tiana latsaka noho ny fitiavana an’i Rahely rahavaviny i Lea.

Diniho koa fa nilaza i Jesosy fa ny mpianatra iray dia tokony hankahala “na dia ny fanahiny mihitsy aza”, na ny ainy. Eto indray koa i Jesosy dia te hilaza fa ny tena mpianatra iray dia tsy maintsy tia azy mihoatra noho ny fitiavany ny ain’ny tenany manokana. Nanasongadina araka izany i Jesosy fa ny fahatongavana ho mpianany dia andraikitra lehibe. Tsy zavatra atao tsy misy fandinihana amim-pitandremana izany.

Misy fotoan-tsarotra sy fanenjehana tafiditra amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy, araka ny nolazain’ny tohin’ny teniny hoe: “Na iza na iza tsy mitondra ny hazo fijaliany ka tsy manaraka ahy dia tsy afaka ny ho mpianatro.” Araka izany, ny tena mpianatra iray dia tsy maintsy vonona ny handia fahafaham-baraka mitovy amin’izay nozakain’i Jesosy sy niaretany, anisan’izany, raha ilaina, ny fahafatesana eo an-tanan’ireo fahavalon’Andriamanitra, zavatra izay hataon’i Jesosy tsy ho ela.

Ny maha-mpianatr’i Jesosy àry dia raharaha nilain’ireo vahoaka nanaraka azy hofakafakaina tamim-pitandremana lehibe. Nanasongadina io zava-misy io tamin’ny alalan’ny fanoharana iray i Jesosy. “Ohatra”, hoy izy, “iza aminareo no maniry hanorina tilikambo iray ka tsy mipetraka aloha hanisa izay ho lany, mba hijerena raha ampy hahavitana izany izay ananany? Raha tsy izany, dia mety hametraka ny fanorenana izy nefa tsy ho afaka ny hamita azy, ary mety hanomboka haneso azy ny mpitazana rehetra amin’ny filazana hoe: ‘Io lehilahy io nanomboka nanorina nefa tsy afaka namita azy’.”

Nampiseho tamin’ny alalan’io fanoharana io tamin’ireo vahoaka nanaraka azy àry i Jesosy fa, alohan’ny hahatongavana ho mpianany, izy ireo dia tokony ho tapa-kevitra mafy fa afaka ny hahatanteraka izay tafiditra amin’izany, dia toy ny lehilahy iray maniry hanorina tilikambo ka manao izay hahazoana antoka alohan’ny hanombohany fa manana ny fahafahana hamitana izany izy. Nanome fanoharana hafa iray i Jesosy ka nanohy ny teniny toy izao:

“Na koa, mpanjaka iza no handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa iray ka tsy mipetraka aloha ary maka hevitra hijerena raha afaka handresy amin’ny alalan’ny iray alina ilay avy hiady aminy miaraka amin’ny roa alina, izy na tsia? Raha toa ka tsy afaka izy, raha ny tena izy, raha mbola lavitra ilay iray hafa, dia handefa fitambarana ambasadaoro izy mba hangataka fihavanana.”

Avy eo i Jesosy dia nanasongadina ny tian’ireo fanoharana nataony haseho tamin’ny filazana hoe: “Ho azonareo antoka araka izany fa, na iza na iza aminareo tsy manao veloma ny fananany rehetra dia tsy afaka ny ho mpianatro.” Izany no tsy maintsy eken’ireo vahoaka nanaraka azy, eny, ny hafa rehetra mianatra momba an’i Kristy, hatao an-tsitrapo. Tsy maintsy vonona ny hanao sorona ny zavatra rehetra nananany — ny fananany rehetra, anisan’izany ny ainy — izy ireo raha te ho mpianany. Manaiky an-tsitrapo ny hanao izany ve ianao?

“Ny sira dia azo antoka fa tsara dia tsara”, hoy i Jesosy nanohy ny teniny. Tao amin’ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, dia nilaza izy fa ny mpianany no “siran’ny tany”, tamin’ny heviny hoe manan-kery eo amin’ny olona izay miaro azy tsy ho simba izy ireo, dia toy ny sira ara-bakiteny izay natao ho fiarovan-javatra tsy ho simba. “Fa raha tonga matsatso na dia ny sira aza, inona indray no hanomezana tsirony azy? Tsy mety na ho an’ny tany na ho an’ny zezika izy”, hoy i Jesosy namarana ny teniny. “Harian’ny olona izy io. Aoka izay manan-tsofina hoenti-mihaino hihaino.”

Nampiseho àry i Jesosy fa na dia ireo izay efa mpianany hatramin’ny fotoana elaela aza dia tsy mahazo mihaosa eo amin’ny fahatapahan-keviny hanohy amin’izany lalana izany. Raha manao izany izy ireo, dia hanjary tsy hisy hilàna azy, ho tonga zavatra faneso ho an’ity tontolo ity ary tsy ho mendrika eo imason’Andriamanitra, raha ny marina, dia ho fahafaham-baraka ho an’Andriamanitra. Noho izany, toy ny sira matsatso sy voaloto, izy ireo dia hariana any ivelany, eny, horinganina. Lioka 14:25-35, MN; Genesisy 29:30-33; Matio 5:13.

▪ Inona no dikan’ny hoe “mankahala” ny havan’ny tena sy ny hoe “mankahala” ny tena?

▪ Fanoharana roa inona avy no nomen’i Jesosy, ary inona avy no tian’izy ireo holazaina?

▪ Inona no tian’ny fanazavana momba ny sira namaranan’i Jesosy ny teniny haseho?