Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny batisan’i Jesosy

Ny batisan’i Jesosy

Toko 12

Ny batisan’i Jesosy

TEO amin’ny enim-bolana taorian’ny nanombohan’i Jaona nitory teo ho eo, dia tonga nanatona azy teo amin’i Jordana i Jesosy, izay telopolo taona izao. Noho ny antony inona? Mba hamangiana azy ve? Liana ta hahita ny fandrosoan’ny asan’i Jaona fotsiny ve izy? Tsia, fa nangataka an’i Jaona mba hanao batisa azy i Jesosy.

Nanohitra avy hatrany i Jaona nanao hoe: “Izaho no tokony hataonao batisa, ka ianao indray ve no mankatỳ amiko?” Fantatr’i Jaona fa Zanaka manokan’Andriamanitra i Jesosy, izay zanak’olo-mpiraitampo taminy. Nibitaka noho ny hafaliana tokoa i Jaona tao an-kibon-dreniny rehefa tonga nitsidika azy ireo i Maria bevohoka an’i Jesosy! Azo antoka fa nitantara izany tamin’i Jaona i Elizabeta reniny tatỳ aoriana. Ary tsy maintsy nilaza taminy ny fanambarana nataon’ilay anjely momba ny hahaterahan’i Jesosy ary ny nisehoan’ireo anjely tamin’ny mpiandry ondry tamin’ny alina nahaterahan’i Jesosy izy.

Koa tsy hoe olon-tsy fantatra ho an’i Jaona àry i Jesosy. Ary fantatr’i Jaona fa tsy natao ho an’i Jesosy ny batisany. Natao ho an’ireo izay nibebaka noho ny fahotany izany, nefa i Jesosy tsy nanana ota. Kanefa, na dia teo aza ny fanoheran’i Jaona, dia nanantitrantitra ihany i Jesosy hoe: “Ekeo ihany ankehitriny, fa izao no mety amintsika hahatanteraka ny fahamarinana rehetra.”

Nahoana no nety ny nanaovana batisa an’i Jesosy? Satria ny batisan’i Jesosy dia fanamarihana, tsy ny fibebahany noho ny fahotana akory, fa ny fisehoany hanao ny sitrapon’ny Rainy. Mpandrafitra i Jesosy hatreo, nefa tonga izao ny fotoana hanombohany ny fanompoana nanirahan’i Jehovah Andriamanitra azy ho etỳ an-tany. Heverinao ve fa nanampo fisehoan-javatra tsy fahita i Jaona tamin’ny fotoana nanaovany batisa an’i Jesosy?

Nitantara toy izao i Jaona tatỳ aoriana: “Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ny rano no nilaza tamiko hoe: ‘Izay ho hitanao idinan’ny fanahy sy itoerany, dia Izy no manao batisa amin’ny fanahy masina’.” Nampoizin’i Jaona àry ny hahita ny fanahin’Andriamanitra hidina teo amin’ny anankiray tamin’ireo izay hataony batisa. Noho izany àry, dia nety ho tsy dia tena gaga izy rehefa nahita ‘tahaka ny voromailala, ny fanahin’Andriamanitra nankeo amboniny’, rehefa niakatra avy teo amin’ny rano i Jesosy.

Nisy fisehoan-javatra hafa iray koa anefa nitranga tamin’ny batisan’i Jesosy. “Nisokatra taminy ny lanitra.” Inona no hevitr’izany? Miharihary fa hoe, nandritra ny nanaovana batisa azy, dia niverina taminy ny fahatsiarovana ny amin’ny fiainany talohan’ny naha-olombelona azy tany an-danitra. Noho izany, dia tsaroan’i Jesosy tamin’ny fomba feno ny fiainany fony izy zanaka ara-panahin’i Jehovah Andriamanitra, anisan’izany ireo zavatra rehetra nolazain’Andriamanitra taminy tany an-danitra nandritra ny fisiany talohan’ny naha-olombelona azy.

Fanampin’izany, tamin’ny fotoan’ny batisany, dia nisy feo avy tany an-danitra nanambara hoe: “Ity no Zanako malalako, izay sitrako.” Feon’iza izany? Ny an’i Jesosy ihany ve? Mazava ho azy fa tsia! Feon’Andriamanitra izany. Mazava fa Zanak’Andriamanitra i Jesosy, fa tsy Andriamanitra mihitsy, araka ny lazain’ny sasany.

Kanefa, i Jesosy dia zanak’Andriamanitra olombelona teto an-tany, toa an’ilay lehilahy voalohany, i Adama. Nanoratra toy izao i Lioka mpianatra, rehefa avy nilazalaza ny amin’ny batisan’i Jesosy: “Tokony ho efa telopolo taona i Jesosy, rehefa nanomboka ny asany, izy izay natao hoe zanak’i Josefa, zanak’i Hely, (...) zanak’i Davida, (...) zanak’i Abrahama, (...) zanak’i Noa, (...) zanak’i Adama, zanak’Andriamanitra.”

Toy ny naha-“zanak’Andriamanitra” olombelona teto an-tany an’i Adama, dia toy izany koa i Jesosy. I Jesosy no ny lehilahy niavaka indrindra niaina teto an-tany, ka manjary miharihary izany rehefa mandinika ny fiainany isika. Kanefa, tamin’ny batisany, dia niditra tamin’ny fifandraisana vaovao tamin’Andriamanitra i Jesosy, rehefa tonga Zanak’Andriamanitra ara-panahy koa. Izao dia toy ny hoe niantso azy hiverina ho any an-danitra Andriamanitra, raha azo atao ny milaza izany, tamin’ny fametrahana azy teo amin’ny fiandohan’ny lalana izay hitarika ho amin’ny fanaovana sorona mandrakizay ny fiainan’olombelona nananany teto an-tany, ho an’ny taranak’olombelona voaheloka. Matio 3:13-17, MN; Lioka 3:21-38, MN; Lk 1:34-36, 44, MN; Lk 2:10-14, MN; Jaona 1:32-34, MN; Hebreo 10:5-9.

▪ Nahoana no tsy hoe olon-tsy fantatra ho an’i Jaona akory i Jesosy?

▪ Koa satria tsy nanota mihitsy i Jesosy, nahoana izy no natao batisa?

▪ Rehefa heverina izay fantatr’i Jaona momba an’i Jesosy, nahoana no nety tsy ho gaga izy nahita ny fanahin’Andriamanitra nidina teo ambonin’i Jesosy?