Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy

Toko 15

Ny fahagagana voalohany nataon’i Jesosy

ANDRO iray na roa monja izay no lasa hatramin’ny nahatongavan’i Andrea, i Petera, i Jaona, i Filipo, i Natanaela ary angamba koa i Jakoba ho mpianatr’i Jesosy voalohany. Teny an-dalana hody ho any amin’ny distrikan’i Galilia, izay niavian’izy rehetra, izy ireo. Ho any Kana, tanàna niavian’i Natanaela, teny amin’ireo havoana tsy lavitra an’i Nazareta, tanàna nahabe an’i Jesosy, izy ireo. Nisy nanasa azy hanatrika fampakaram-bady tany Kana.

Tonga tao amin’ilay fampakaram-bady koa ny renin’i Jesosy. Tamin’ny naha-naman’ny fianakavian’ireo hivady azy, dia hita fa toa anisan’ireo nikarakara izay nilain’ireo nasaina maro be i Maria. Noho izany, tsy ela dia voamariny fa nisy zavatra tsy ampy, ka nilaza izany avy hatrany tamin’i Jesosy izy: “Tsy manana divay izy.”

Araka izany, rehefa nanipy hevitra tamin’i Jesosy, raha ny tena marina, i Maria, mba hanaovany zavatra momba io tsy fahampian’ny divay io, dia tsy nety aloha i Jesosy. “Moa mifaninona akory izaho sy ianao?”, hoy izy nanontany azy. Tamin’ny naha-Mpanjaka voatendrin’Andriamanitra azy, dia tsy tokony ho ny fianakaviany na ny sakaizany no hanoro azy izay tokony hataony. Napetrak’i Maria tamim-pahendrena teo an-tanan’ny zanany àry ilay raharaha, ka nilaza fotsiny tamin’ireo mpanompo teo izy hoe: “Ataovy izay asainy ataonareo.”

Nisy siny vato lehibe enina samy nahalany efapolo litatra avy teo. Nanome izao baiko izao ho an’ireo mpanompo i Jesosy: “Fenoy rano ny siny.” Dia nofenoin’ireo mpanompo hatramin’ny molony àry izy ireo. Avy eo, dia hoy i Jesosy: “Tovozy amin’izao, ka ento ho eo amin’ny mpandahatra ny fanasana.”

Nanohina an’ilay mpandahatra ny hatsaran’ilay divay, satria tsy fantany fa natao tamin’ny alalan’ny fahagagana izy io. Niantso ny mpampakatra izy ka nanao taminy hoe: “Araka ny fanaon’ny olona dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa mamo ny olona, dia vao izay ratsiratsy kokoa. Fa ianao kosa dia nitahiry ny divay tsara ambaraka ankehitriny.”

Io no fahagagana voalohany nataon’i Jesosy, ary rehefa nahita izany ireo mpianany vaovao, dia nihanatanjaka ny finoany. Taorian’izay, niaraka tamin’ny reniny sy ireo rahalahiny iray reny taminy, izy ireo dia nankany amin’ny tanànan’i Kapernaomy, tany akaikin’ny ranomasin’i Galilia. Jaona 2:1-12, MN.

▪ Tamin’ny fotoana toy inona teo amin’ny fanompoan’i Jesosy moa no nitranga ilay fampakaram-bady tany Kana?

▪ Nahoana i Jesosy no nanohitra ny fanipazan-kevitry ny reniny?

▪ Fahagagana inona no nataon’i Jesosy, ary inona no vokany teo amin’ny hafa?