Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty

Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty

Toko 90

Ny fanantenana fitsanganana amin’ny maty

TAMIN’NY farany i Jesosy dia tonga teo amin’ny manodidina an’i Betania, tanàna kely tokony ho telo kilaometatra avy teo Jerosalema. Vao andro vitsivitsy izay no lasa hatramin’ny nahafatesan’i Lazarosy sy ny nandevenana azy. Mbola nalahelo mafy i Maria sy i Marta anabaviny hany ka tonga maro tao aminy ny olona mba hampionona azy.

Raha mbola tao anatin’ny alahelo mafy izy ireo, dia nisy nilaza tamin’i Marta fa teny an-dalana i Jesosy. Niala teo àry izy ka nihazakazaka hitsena azy, nefa toa tsy nampandre ny rahavaviny. Rehefa tonga teo amin’i Jesosy i Marta dia namerina izay tsy maintsy ho naverimberin’izy mirahavavy matetika nandritra ireo efatra andro farany nanao hoe: “Raha teto ianao, dia tsy ho maty ny anadahiko.”

Naneho fanantenana koa anefa i Marta tamin’ny fanipazan-kevitra tsy nivantana fa mbola nety hanao zavatra ho an’ny anadahiny i Jesosy. “Fantatro fa izay zavatra angatahinao amin’Andriamanitra dia homen’Andriamanitra anao”, hoy izy.

“Hitsangana ny anadahinao”, hoy ny fampanantenana nomen’i Jesosy azy.

Nihevitra i Marta fa niresaka ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty eto an-tany ho avy i Jesosy, fitsanganana izay nandrasan’i Abrahama sy ny mpanompon’Andriamanitra hafa tamim-panantenana koa. Namaly àry izy hoe: “Fantatro fa hitsangana izy amin’ny fitsanganan’ny maty amin’ny andro farany.”

I Jesosy anefa dia nanome fanantenana fanamavainana avy hatrany, tamin’ny famaliana hoe: “Izaho no fitsanganana amin’ny maty sy fiainana.” Nampahatsiahy an’i Marta izy fa Andriamanitra dia nanome azy fahefana amin’ny fahafatesana tamin’ny filazana hoe: “Izay maneho finoana ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray; ary izay velona ka maneho finoana ahy dia tsy ho faty mandrakizay.”

Tsy nanipy hevitra tamin’i Marta akory i Jesosy teto fa hoe tsy ho faty mihitsy ireo olo-nahatoky velona tamin’izay. Tsia, fa ny tiany haseho dia hoe afaka mitarika ho amin’ny fiainana mandrakizay ny fanehoana finoana azy. Ho azon’ny ankamaroan’ny olona izany fiainana izany ho vokatry ny fananganana azy amin’ny maty amin’ny andro farany. Fa ny olo-mahatoky hafa dia ho tafita velona amin’ny faran’ity fandehan-javatra ity ka hijanona eto an-tany, ary ho azy ireo ny tenin’i Jesosy dia tena ho tanteraka ara-bakiteny. Tsy ho faty mandrakizay izy ireo! Rehefa avy nanao io fanambarana niavaka tokoa io i Jesosy dia nanontany an’i Marta hoe: “Mino izany ve ianao?”

“Eny, Tompo ô”, hoy ny navaliny. “Mino aho fa ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra, Ilay ho avy amin’izao tontolo izao.”

Avy eo i Marta dia niverina haingana niantso ny rahavaviny, ka nilaza taminy manokana hoe: “Eto ny Mpampianatra ary miantso anao.” Avy hatrany i Maria dia niala tao an-trano. Rehefa nahita azy nandeha ny hafa, dia nanaraka azy noho ny fiheverana fa nankany amin’ny fasam-pahatsiarovana izy.

Nanatona an’i Jesosy i Maria ka nianjera teo an-tongony sady nitomany. “Tompo ô, raha teto ianao, dia tsy ho maty ny anadahiko”, hoy izy. Tohina lalina ny fon’i Jesosy rehefa nahita an’i Maria sy ireo vahoaka nanaraka azy samy nitomany. “Aiza moa no nametrahanareo azy?”, hoy izy nanontany.

“Tompo ô, avia hijery”, hoy ny navalin’izy ireo.

Latsa-dranomaso koa i Jesosy, ka nahatonga ireo Jiosy hiteny hoe: “Jereo, niraiki-po taminy tokoa izy!”

Nisy nahatsiaro fa, tamin’ny fotoan’ny Andro Firavoravoana Tabernakely, volana vitsivitsy talohan’izay, dia nanasitrana zatovolahy iray teraka jamba i Jesosy, ka nanontany toy izao izy ireo: “Tsy ho hain’io lehilahy nampahiratra ny mason’ilay jamba io ve ny nisakana ity iray ity tsy ho faty?” Jaona 5:21; Jn 6:40; 9:1-7; Jn 11:17-37, MN.

▪ Oviana moa, tamin’ny farany, no nahatongavan’i Jesosy tany Betania, ary nanao ahoana ny tarehin-javatra tao?

▪ Niorina tamin’inona ny finoan’i Marta ny amin’ny fitsanganana amin’ny maty?

▪ Nanao ahoana ny vokatry ny fahafatesan’i Lazarosy teo amin’i Jesosy?